Manana iray volana handehanana fiara iombonana ireo mponina ao Phnom Penh, Kambodza izay ao anatin'ny fanandramana hampiditra indray fiaram-pitateram-bahoaka ao an-drenivohitry ny firenena mba hampihenana ny fitohanan'ny fiara.
Manana motosikileta (moto taxi na motodup) iray tapitrisa sy fiara 300 000 i Phnom Penh, saingy mahagaga fa tsy manana rafitra momba ny fitateram-bahoaka ity ambonivohitra miha-mivoatra sy mivelatra ity.
Manantena ny governoran'i Phnom Penh fa ny fanandramana maharitra iray volana izay hifarana amin'ny 4 Martsa dia hanampy handresy lahatra ny Kambodziana hampiasa fiaram-pitateram-bahoaka:
…the purpose of this pilot project is to reduce traffic accidents and traffic congestion as well as to change the Cambodians’ habit from using personal cars to public buses.
Ny tanjon'ity tetikasa mpitari-dalana ity dia ny hampihenana ny lozam-piarakodia sy ny fitohanan'ny fiara ary koa ny hanovàna ny fahazaran'ny Kambodziana mampiasa fiara manokana mba hampiasa fiara iombonana.
Napetraka voalohany tamin'ny taona 2001 ny fiaram-pitateram-bahoaka saingy roa volana fotsiny no naharetan'ny fandaharan'asa noho ny tsy fisian'ny fanampiana ara-bola avy amin'ny governemanta sy ny tombontsoan'ny mpandeha. Ankoatra ny fandehanana moto taxi, mampiasa tuktuks malaza ihany koa ireo mponina ao Phnom Penh.
Abigail Gilbert mahita tombontsoa marobe amin'ny fampiasana fiara iombonana:
The last public bus trial, more than 10 years ago, was not popular, as locals preferred the door to door service of the two-wheeled variety. This new City Bus trial, partly funded by the Japanese International Cooperation Agency, will discover if attitudes have changed. There are some clear benefits for visitors to the city, including the icy air-con, the impossibility of bag snatching, a set fare, and a clearly marked route.
Tsy dia nalaza loatra ny fanandramana farany momba ny fiara fitateram-bahoaka, 10 taona mahery izay, satria naleon'ny mponina ny tolotra mitety varavarana amin'ny karazana kodiarana roa. Ity Fanandramana vaovao momba ny Fiara iombonana ao An-tanàna (City Bus) ity, izay vatsian'ny Sampam-piarahamiasa Iraisam-pirenena Japoney ara-bola dia ahafahana mahita raha niova ny fihetsika. Misy ireo tombontsoa miharihary hoan'ireo mpitsidika ny tanàna, anisan'izany ny rivotra voavoatra, ny fahasarotan'ny hisian'ny sinto-mahery, fitovian'ny saran-dalana, ary ny lalana fantatra mazava
Mponina ao Phnom Penh sady bilaogera malaza Tharum Bun nankasitraka ny fahatongavan'ireo fiara iombonana:
We’ve talked a lot about traffic jam, too many motorcycles and vehicles, and no public transportation. Starting early this February, the bus will run on Monivong Boulevard. It’s an opportunity for most of us, who are willing to get back on the bus.
Niresaka betsaka momba ny fitohanan'ny fiara, moto sy fiara betsaka loatra isika, ary tsy misy ny fiaram-pitaterana iombonana. Manomboka tamin'ny fiandohan'ity volana Febroary ity, handeha ao amin'ny Arabe Monivong ny fiara iombonana. Tombotsoa hoan'ny ankamaroantsika izay vonona hiverina amin'ny fiara iombonana izany.
Saingy nandre i Tharum fa miahiahy ny amin'ny fiantraikan'ny fiara iombonana eo amin'ny fivelomany ireo mpitondra moto taxi sasantsany:
The motor taxi driver told me that he’s worried about this this public transportation as he’s got only one source of income.
Nilaza tamiko ny mpitondra moto taxi fa miahiahy mikasika ity fiara fitateram-bahoaka ity izy satria ny fitondrana moto taxi ihany no mba hany fidiram-bolany.
Ahitana fiaram-pitaterana 10 miasa isan'andro manomboka amin'ny 5ora sasany maraina hatramin'ny 8sasany hariva ny fanandramana
Marobe ireo mponina ao Phnom Penh no nientanentana mikasika ity fanandramana fiara iombonana ity ka nandefa ny sarin'ireo fiara iombonana ireo avy hatrany tao amin'ny Twitter:
Vitou waits for the bus. This is the first time for him. #cambodia pic.twitter.com/JBVAk3cDvU
— Santel PHIN (@khmerbird) February 9, 2014
Miandry fiara iombonana i Vitou. Sambany ho azy izany.
First day of one month test w/ public bus in #phnompenh #Cambodia View fr my office at Monivong pic.twitter.com/uN6NDR6CUD
— Anna Maj Hultgård (@AnnaMajHultgard) February 5, 2014
Andro voalohany amin'ny fanandramana iray volana miaraka amin'ny fiaram-pitateram-bahoaka ao #phnompenh #Cambodia Tazana avy eny amin'ny biraoko ao Monivong
One of #PhnomPenh‘s new public bus stops. Yeah, public bus is coming to town. FINALLY. #Cambodia pic.twitter.com/MTbIunoXdo
— Mongkol T. (@somongkol) January 26, 2014
Iray amin'ireo fiantsonan'ny fiara iombonana vaovao ao #PhnomPenh. Eny, tonga eto an-tanàna ny fiara iombonana. TONGA IHANY NONY FARANY
#Cambodia‘s capital city Phnom Penh gets a public bus system http://t.co/YpKAvhOTv2 #transportation pic.twitter.com/B12haIY9mO
— M. Ibrahim (@RED_MHI) February 9, 2014
Nahazo rafi-pitaterana iombonana ny tanàna renivohitr'i #Cambodia, Phnom Penh
Finally a city bus service has arrived in Phnom Penh #Cambodia but will it get used? pic.twitter.com/cDjBSqjicH
— Khiri Cambodia (@KhiriCambodia) February 5, 2014
Tonga ihany farany ny tolotra fiara iombonana ao Phnom Penh, #Cambodia saingy ho ampiasaina ary ve izany?
*Hajiantsary nampiasaina avy amin'i @KhiriCambodia