Tantara tamin'ny 11 Febroary 2014
Arzantina: ‘Ampitombointsika’ Ny Fandrosoana Sa Ny Kolikoly ?
Nanambara fampitomboana ny fisotroan-dronono sy ny vatsim-pianarana ny Filoha Fernández , niteraka ny tenifototra hoe #Aumentamos (ampitombointsika), izay nentin'ireo mpampiasa twitter mba hanomezany ny kaontin-dry zareo manokana momba izay 'nisondrotra' tao amin'ny fireneny
Gadona Toy Inona No Eny An-dalamben'i Espaina?
Fanadihadiana iray mitondra ny lohateny hoe “The sound of the streets” - "Ny gadon'ny arabe" maneho ny endriky filôzôfian'ny asa sy ny fiainan'ireo artista dimy mpivazo an-dalambe ao Espaina.
Mitaky Ny Hampitsaharana Fifampiraharahana Ara-barotra Feno Kolikoly Sy Tsy Ara-drariny Ny Yemenita
Niverina nidina an-dalambe ireo Yemenita mba hitaky ny harem-pireneny.
Mpanao Gazety Menavazana Sri Lankey Maty Nisy Namono Tao An-tranony
Mel Gunasekera no tonian-dahatsoratra namorona ny Lanka Business Online, habaka mpilaza vaovao ara-bola, ary mpanao gazety teo aloha tao amin'ny Sampam-pahalalam-baovao Frantsay Agence France-Presse.
Niverina Tao An-drenivohitr'i Kambodza Ny Fiaram-pitaterana Iombonana
Eo am-panandramana ny fampiasana fiara iombonana i Phnom Penh mba handresena lahatra ireo mponina mpandeha moto taxi hampiasa fiaram-pitateram-bahoaka. Tamin'ny taona 2001 no napetraka voalohany tao an-drenivohitra ny fiara iombonana saingy tsy nahomby izany