- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantsona YouTube 5 Tsara Jeren'ireo Mpankafy Sakafo Afrikanina

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Tanzania, Mediam-bahoaka, Sakafo

Ao anatin'ny fankalazana ny Febroary ho volana natokana hoan'ny Sakafo ato amin'ny Global Voices Online isika, topazo maso ireto fantsona lahatsary Youtube mafilotra ireto izay miresaka fomba fahandro sakafo Afrikanina.

1. [1]Nigerian Food Channel [1](Fantson-tsakafo Nizeriana):

Nigerian soup recipes, Nigerian snack recipes and lots more. Nigerian food recipes are increasingly gaining global recognition and I am proud to be able to use this platform to share tasty Nigerian food recipes in easy steps.

Lasopy Nizeriana, sakafo maivana Nizeriana sy ny sisa maro hafa. Miha-mahazo fankasitrahana manerantany ny fomba fahandro sakafo Nizeriana ary mirehareha aho afaka mampiasa ity sehatra ity hizarana ireo sakafo mafilotra Nizeriana amin'ny fomba tsotra.

Ny lahatsary eto ambany dia mampiseho ny fomba fahandro sakafo Nizeriana Efo Elegusi, lasopy vita amin'ny voatango miaraka amin'ny hena mifanentana aminy:

2.  [2]Afro Food TV [2] (Sakafo Afrikanina ao amin'ny Fahitalavitra):

Subscribe now and watch as chef and hostess, Yeti Ezeanii, takes you on a journey of everything epicuriously African. Learn popular recipes from different African countries and regions and get educated on the proper preparation of African cuisine.

Misorata anarana ankehitriny ary mijere tahaka ny sefon'ny nahandro sady mpikarakara, hoentin'i Yeti Ezeanii mitsangatsangana hankafy sakafo Afrikanina ianao. Mianara ireo sakafo malaza isan-karazany avy amin'ireo firenena sy faritra Afrikanina ary hianaro ny tena fikarakarana nahandro Afrikanina.

Mampiseho ny fomba fahandro vary saosy (pilau) kosa ity lahatsary manaraka ity:

Pilau, An East African Rice dish and a great example of India's influence on African Cuisine. Tanzania's National Dish.

Vary saosy, sakafo vary Afrikanina Tatsinanana sy ohatra tsara indrindra amin'ny hery (ambaindain'i) India manoloana ny Nahandro Afrikanina. Foto-tsakafon'i Tanzania.


3. [3]Kadi Recipes ( [3]Sakafo Kadi):

I cook and Eat African Foods.

In my channel you will find simple, delicious and easy to follow African Food Recipes. You will find the cuisine from almost all African countries. So join me on my channel and find out more about African foods

Mahandro sy Mihinana Sakafo Afrikanina Aho.

Ao amin'ny fantsona misy ahy, hahita Fomba Fikarakarana Sakafo Afrikanina tsotra, mafilotra sy mora atao ianao. Hahita nahandro saika avy amin'ireo firenena Afrikanina rehetra ianao. Ka andeha hiaraka amiko ao amin'ny fantsona sy hahafantatra bebe kokoa momba ny sakafo Afrikanina

Mampiseho ny fomba fahandroana lasopy voanjo miaraka amin'ny trondro hatanika ity lahatsary manaraka it:

4. [4]Taste of Tanzania [4](Tsiro-tsakafon'i Tanzania):

This Channel brings to you healthy and simple recipes from Tanzania and once in a while will have from other countries in East Africa. Tanzanian recipes are the same as Swahili recipes. Here you will learn the Swahili cooking and also I will add more information on each recipe. Your comments and your questions are taken very serious.

Mitondra fomba fahandroan-tsakafo ara-pahasalamana sy tsotra avy ao Tanzania ary koa indraindray avy amin'ireo firenen-kafa ao Afrika Atsinanana ho anao ity fahitalavitra ity. Mitovy amin'ny nahandro Swahali ihany ny nahandro Tanzaniana. Hianatra momba ny nahandro swahili ianao eto ary koa hotovanako fampahafantarana fanampiny isaky ny fomba fahandroan-tsakafo. Am-pahamatorana no handraisana ny fanehoan-kevitrao sy ny fanontanianao.

Mampianatra ny mpijery ny fomba fanamboarana chapati, karazana mofo fisaka ity lahatsary eto ambany ity:


5. [5]African Food Recipes [5] (Fomba Fikarakarana Sakafo Afrikanina):

My Goal Is That You Learn How To Prepare African And Spanish Food In a Delicious And Healthy Way—

Ny tanjoko dia ny hampianatra anareo ny fomba fikarakarana sakafo Afrikana sy Espaniola amin'ny fomba mafilotra sy ara-pahasalamana—

Mianara manao akondro frity, sakafo maika Afrikana malaza, avy amin'ny lahatsary eto ambany:

*loharano Hajian-tsary: Pejy Facebook Fantson'ny Sakafo Nizeriana. Nahazoana alalana ny sary.