- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Efitra Fandraisam-Bahiny Faharoa: Zoron'ny Tanora Ao Amin'ny Tranomboky Zavidovići

Sokajy: Antsafa, Famakiamboky, Fanadihadiana Tranga, Mediam-bahoaka, Rising Voices

Any Bosnia sy Herzegovinia [1], maro ny mpianatra avy any ambanivohitra no mandeha bus isan'andro hianatra any ambonivohitra. Midika ho fiandrasana bus ora maromaro tsy manao na inona na inona izany matetika ho an'ny tanora mpianatra.

Tsapan'ireo mpiandraikitra ny Tranombokim-Bahoaka Zavidovići, [2] izay miorina indrindra eo akaikin'ny fiandrasana bus, izany fahitana ny mpianatra lany andro miandry bus isan'andro tsy manao na inona na inona izany.

Winner of the library's photo competition. Photo by Eldar Muhic.

Mpandresy tamin'ny fifaninanan-tsarin'ny tranomboky, nahazoana alalana avy amin'ny pejy facebook-n'ny tranomboky.

Izany fahatsapana izany no nitarika ho amin'ny fananganana tahala iray natokana ho an'ireo ankizy ireo, mamaha ny olan'ny ora lany amin'ny fiandrasana bus. Ho fanintonana ny tanora sy hampianarana talenta vaovao, dia nametraka ivon-toerana multimedia ahitana fandaharana vaovao izay misokatra mialoha sy aorian'ny fotoam-pianarana, ary ahazoana mizatra solosaina, aterineto ary fahaizana teknolojia – izay tohanan'ny ONG EIFL [3]. Manana hetsika isan-karazany ihany koa ry zareo hampiroso lalindalina ny mpianatra sy hampiroborobo ny tetikasa, tahaka ny fifaninan-tsary. [4]

Antsoin'ireo mpiandraikitra ny tranomboky ho “efitra fandraisam-bahiny faharoa” ho an'ny ankizy maro ny Zoron'ny Tanora. Mahasarika karazam-pianatra maro izany, ary anatin'izany ny tanora mpialokaloka avy any Syria, izay mandany fotoana miaraka amin'ny mpianatra ao an-toerana sy mianatra [teny] bosniaka. Mora mifandray aman'olona ireo mpianatra ireo amin'ny alalan'ny tranomboky.

The Youth Corder - republished with permission from Zavidovići Public Library.

Ny Zoron'ny Tanora – navoaka nahazoana alalana avy amin'ny Tranombokim-Bahoaka Zavidovići.

Hatramin'ny nanombohan'ny Zoron'ny Tanora, nitombo avy amin'ny 50 ka tonga hatramin'ny 252 ny isan'ny mpitsidika ny tranomboky isan-kerinandro tao anatin'ny herintaona.

misy video fohy manazava ny toe-draharaha ao an-toerana sy ny valinteny avy amin'ny mpianatra ao amin'ny Zoron'ny Tanora:

Azonao atao ny manjohy ny tranomboky ao amin'ny pejy Facebook-ny [5].