- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tafiditra Amin'ny Fisolokiana An-telefonina ny Laharana Avy Any Karaiba

Sokajy: Karaiba, Anguilla, Antigoa sy Barboda, Barbady, Jamaika, Nosy Virijiny Britanika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna

Raha mahita antso tsy voaray avy any Karaiba ianao avy amin'olona tsy fantatrao, dia azo heverina fa lasibatry ny ‘mpisolokin'ny telefonina indray maneno’ ianao [1]. Raha mety miainga avy amin'ny faritra rehetra manerana izao tontolo izao ireny asam-panjonoam-bolan'olona izany, dia notaterin'ny Slate fa voamarika ho nihabetsaka mahatonga fanairana ny laharan-telefonina avy any Karaiba tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay [2]:

The Better Business Bureau lists calls from Antigua and Barbuda (268), the Dominican Republic (809), Jamaica (876), the British Virgin Islands (284), and Grenada (473) as potential scam threats. People who do call back could be charged something like $30 for the international call, depending on the carrier, and see fraudulent service fees showing up on their phone bills. This process of ‘cramming,’ when third-party scammers sneak bogus charges onto legitimate phone bills, is ever on the rise, according to the Federal Trade Commission and Federal Communications Commission.

Nampidirin'ny Biraon'ny Better Business ao anatin'ny lisitry ny mety hiavian'ny fisolokiana ny antso avy any Antigua sy Barbuda (268), Repoblika Dominikana (809), Jamaika (876), Ny Vondro-Nosy Virijiny Britanika (284), ary Grenada (473). Mety mandoa ny antso iraisampirenena $30 izay olona miantso ilay laharana ni-bip, araka ny asany io, ary mety hahita ilay saran-tsoloky  rehefa avy ny fotoana andraisan-dry zareo ny faktioran'ny telefonina. Avo hatrany izany paikan'ny «fidarohana» izany dia rehefa mampiditra fiampangana lainga amin'ny faktioran-telefonin'olona ireo mpisoloky, hoy ny Vaomieran'ny Varotra Federaly sy ny Vaomieran'ny Fifandraisana Federaly.

Nandray ny Twitter ireo olona tratrany hitatitra ny raharaha (olana):

Tonga eo amin'ny toerana sarotra ary nandray andraikitra fa tsy avy amin'ny namako akaiky ilay antso tsy nahazo ahy avy any Antigua/Barbuda. Fa raha izany dia miala tsiny.

Nahazo antso avy any Jamaika androany. Sambany mihitsy. Mampiasa saina, mampiasa saina aloha.

Toa tazatazamaso any Trinite sy Tobago, hita amin'ny Facebook, ihany koa ny karazana antso tahaka izany. Nanome vesatra tao anatin'ny adihevitra i Shelley-anne L Thompson [5]:

I get that like once a month and have never called. come on, people you know this scam! dont let your curiosity trap you.

Mahazo indray isam-bolana aho fa tsy miantso mihitsy. Aoka re, fantatrao io rey olona fa soloky! aza avela hamandrika anao ny fitia te-hahalala.

Maisha Hyman nanana izao holazaina [6]:

I'm glad to see this! I've recently had hang up calls from Antigua and Grenada! Like wtf?!

Faly aho mahita an'ity! Vao nahatratra antso niainga avy any Antigua sy Grenada! Te-hahafantatra dia ahoana?!

Ny hafa miahiahy kokoa amin'ny fiantraikan'ny fisolokiana ao amin'ny faritra. Tsy misangisangy i Michael Nahous avy any Trinite sy Tobago [7]:

How can they charge you $30.00 without some contract arrangement with the telephone carrier….its only digicel, cable wireless and the local telephone companies in these islands…if they know its a scam why cant they just disconnect the number.

Ahoana ny ahafahan-dry zareo mampandoa vola anao $30 raha tsy misy fifanarahana avy amin'ny mpiasan'ny telefonina… digicel, onjam-pifandraisana amin'ny fantsona ary orinasan-telefonina amin'ireo nosy ireo ihany io… Raha fantatry ry zareo fa fisolokiana io nahoana no tsy ahanton-dry zareo ny laharana?

Ampirisihana hanaitra ny mpanome tolotra an-dry zareo ny olona tratran'ny fisolokiana raha mahita sara tsy mahazatra ao amin'ny faktioran'ny telefoniny.