Tantara tamin'ny 08 Febroary 2014
Olana 99 Amin'ny Sochi No Azoko

Miady hevitra momba ny ilàna ny fanakianana ireo Lalao Olaimpika atao any aminy ireo Rosiana bilaogera
Panama : Hilatsaka ho Fidiana Ho Filoha Lefitra Ny Vadin'ny Filoham-Pirenena
Nambara fa ny Vadin'ny filoham-pirenena Panameana, Marta de Martinelli, no alatsaky ny antoko eo amin'ny fitondrana ho fidiana ho filoha lefitra. Namosaka ny heviny, na momba na manohitra io fanambarana io, ny tambajotra sosialy.
Tafiditra Amin'ny Fisolokiana An-telefonina ny Laharana Avy Any Karaiba
Ampiasaina hanaovan-tsoloky amin'ny alalan'ny "maneno tokana" ny laharan-telefonina avy any Karaiba amin'izao fotoana izao; Mampiasa ny fitaovam-pampahalalam-baovao sosialy ny mpiserasera hitaraina sy hampitandrina ny hafa momba ny fanjonoam-bola.
Vola Bebe Kokoa, Olana Bebe kokoa ? Manokatra Ny Varavarany Ho Amin'ny Fandraharahana Shinoa Misimisy kokoa i Taiwan
Na dia tsena lehibe ho an'ny Fandraharana ao Taiwan aza i Shina, maro ihany ireo miahiahy ny amin'ny mety hisian'ny voka-dratsy eo amin'ny kolontsaina, eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiandrianam-pirenena amin'ny fanalalahana ny renivola miasa ao.
Bilaogera Namoaka Ny Tranonkalan'ny Kolikoly Momba an'i Sochi

Niditra tamin'ny fanentanana iadiana amin'ny kolikoly ny Rosiana mpitarika ny fanoherana sy mpikatroka miady amin'ny kolikoly sady bilaogera Alexei Navalny, tamin'ny famoahana tranonkala ahafahan'ny olona sy ny milina mifampitafa ka navoitrany tao ny nantsoiny ho ny "fandaniana marina" tamin'ny fikarakarana ny olaimpikan'i Sochi.