- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandraisa Anjara Manao Sariitatra Momba Ny Fanaraha-Mason'ny (Fitsikilovan'ny) NSA Ary Mahazoa $1000

Sokajy: Hafanàm-po nomerika, Hehy, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina
Commander Keith Alexander on bridge [1]

“Kaomandy Keith Alexander eo amin'ny tetezana” Sariitatra nozarain'i DonkeyHotey (CC BY-SA 2.0)

Ny The Web We Want [2] [ny web tiantsika] no manasa ny mpanao sariitatra, mpamorona ary artista handray anjara amin'ny The Day We Fight Back [3] [ny andron'ny valin-kafatra] amin'ny 11 Febroary 2014 amin'ny fananganana sariitatra noforoninao momba ny fanaraha-maso an-tserasera sy ny zo hanana fiainana manokana. Ny sariitatra dia tokony hanampy amin'ny fanairana momba ny NSA sy mitaky andraikitra eo amin'ny fanaraha-maso [fitsikilovana] ny sarambambem-bahoaka,  ka mahatonga ny olona te-hitendry (clic) sy hizara.

Ny fara-fandraisana anjara dia amin'ny 8 Febroary.

Loka:

Voalohany: USD $1000
Faharoa: USD $500
Fahatelo: USD $250

Fitsipika:

1. Afa-mandray anjara ny rehetra.
2. Amin'ny fandefasana ny sangan'asa ny mpanoratra (mpamorona) dia manaiky fa io asany io dia eo ambanin'ny lisansa Creative Commons 4.0 Attribution Share Alike. Tsy voafetra ny isan'ny sangan'asa azon'ny mpanoratra ampidirina.
3. Hanome ny anarany na ny solon'anarany ny mpanoratra (mpamorona) rehefa mampiditra ny asany. Hisy antsipirihan'ny mombamomba ny mpanoratra hotadiavina amin'ireo mahazo ny loka – saingy tsy ho aseho ny tena anaran'ny mpanoratra raha izay no tadiavin'ny mpanoratra.
4. Hambara amin'ny 11 Febroary 2014 ireo mpandresy. Ny Komity Mpanatanteraky ny Web We Want no hifantina izay mandresy.
5. Ao anatin'ny 30 andro aorian'ny fanambarana no handefasana ny loka.

Fandraisana anjara:

1. Amin'ny alalan'ny imailaka: alefasao alohan'ny 8 febroary ny sariitatrao – {high definition}, .jpg, .pdf, .svg na .png amin'ny grants@webfoundation.org SUBJECT: Cartoon.
2. Amin'ny alalan'ny Twitter: Alefaso Tweet ny sarinao ao amin'ny @webwewant miaraka amin'ny diezy #webwewant
3. Apetraho ny zom-pirenenao sy ny firenena niavianao raha ekenao fa ampirisihana kokoa.