“Nataon'ny Oram-panala Fahirano” i Tajikistan

Namely an'i Tajikistana ny tafio-dranomandry matevina. Tao anatin'izay telo andro izay, nanamontsana ny hatevin-dranomandry fantatra fa be indrindra ny firenena, izay niteraka nofiratsy hoan'ireo olona an'hetsiny.

Nakaton'ny fanjakana avokoa ny sekoly, ny oniversite sy ny garabola manerana ny firenena. Nikatona ihany koa ireo seranam-piaramanidina lehibe roa, ao Kulob sy Qurghonteppa. Maro ireo sidina nofoanana tao amin'ny seranam-piaramanidina ao Douchanbé, renivohitr'i Tadjikistan, sy Khujand. Tapaka ihany koa ny lalana ao amin'ny faritra sasany tao amin'ny firenena noho ny ranomandry. Voalaza fa matevina dia matevina ny ranomandry manerana ity firenena be-tendrombohitra ity.

Snow in Dushanbe. Image by ASIA-Plus, February 3, 2014, used with permission,

Ranomandry ao Dushanbe. Sary avy amin'ny ASIA-Plus, 3 Febroary 2014, nahazoan-dalana.

Amoro-tevana ihany koa i Douchanbé noho ny ranomandry. Tsy nahavita nanaisotra ireo ranomandry tao amin'ny arabe midadasika tao an-tanàna ireo tompon'andrakitry ny tanàna. Vokatr'izany, nijanona ny rafi-pitateram-bahoaka, namela olona an'arivony tsy afaka mamonjy ny asany sy ny hopitaly. Mbola nampihitsoka ny araben'ny tanàna ihany koa ireo lozam-piarakodia maromaro. Niteraka fahatapahan-jiro matetika tao an-tanàna ihany ny ranomandry kanefa miankina amin'ny herinaratra avokoa ny mponina sivy amin'ireo folo amin'ny fanafanàna ny tranon'izy ireo.

#Snowpocalypse [ranomandrapokalisa] ao Dushanbe. Tsy mampino.

Tantara an-kira miaraka amin'ny dihy ao anaty ranomandry

Tratran'ny tena ririnina tao #Dushanbe #Tajikistan aho

Ao anaty ranomandry ny Oniversiten'ny fitsaboana ao Douchanbé. -12 androany maraina

Nentina hanadio ireo arabe ao Duchanbe ireo mpiasa izay Babushki ny ankamaroany

Bilaogera iray nanoratra [ru] hoe:

Душанбе – в снежной осаде. Это красиво, даже в чем-то волшебно, но очень неудобно.
Шла сегодня с работы домой пешком. Около часа. Транспорта нет, да и ездить на том, что есть, опасно.

Nataon'ny ranomandry fahirano i Duchanbe. Mahafinaritra izany, na dia somary mahazendana aza, saingy tena manahirana.
Voatery nandeha tongotra hody any an-trano avy any am-piasana aho androany. Adiny iray no nanaovako izany. Tsy misy ny fitateram-bahoaka, ary raha misy aza fitaovam-pitaterana misy dia mampidi-doza tanteraka ny fanamoriana azy.

Municipal services in Dushanbe are short of special equipment and rely on street cleaners to remove snow from the city's roads.

Tsy ampy fitaovana ireo mpiasan'ny kaominina ka miankina amin'ireo mpanadio arabe fotsiny amin'ny fanalàna ireo ranomandry ao amin'ny araben'ny tanàna. Sary avy amin'ny ASIA-Plus, 3 Febroary 2014, nahazoan-dalana.

Tao amin'ny Facebook, mpanao gazety Tajik malaza nanoratra [ru] (lahatsoratra izay nahazo (tiako-j'aime) maherin'ny 120 ary nozarain'ireo mpiserasera taminà pejy isan-karazany) :

Думаю в какой же отсталой стране мы живем: 
снежный покров в 14-16 см великая проблема для городских служб; 
спецтехника, включая “Скорую помощь” ограничена в движении, следовательно десятки (если не сотни) людей не получать помощь; 
тысячи людей не добрались на работу, учебу…; 
общественное питание самоограничилась; 
мобильные операторы не обспечивают скорость Интернета; 
и что еще хуже: НИКТО и НИ ЗА ЧТО не отвечает! ((((

Mino aho fa monina aminà firenena tena tratra aoriana isika:
– Olana goavana hoan'ny sampan-draharahan'ny kaominina ny ranomandry 14-16 santimetatra;
– Voafetra amin'ny toerana azo alehany ireo sampan-draharaha manokana, anisan'izany ny sampan-draharahan'ny fiara mpitondra marary, ka vokatr'izany, am-polony (na an-jatony mihitsy aza) ireo olona tsy mahazo ny fanampiana ilainy;
– Olona an'arivony no tsy afaka mamonjy asa na [sekoly sy oniversite];
– Nikatona ireo [Toeram-pisakafoanana];
– Tsy mahavita manome tolotra Aterineto haingam-pandeha ireo mpandraharahan'ny finday;
– ary, ny tena ratsy indrindra dia, TSY MISY OLONA tompon'andraikitra AMIN'IZANY REHETRA IZANY! (((

Tao amin'ireo habaka fampahalalam-baovao an'olo-tsotra, nizara sary misy ny ranomandry namely an'i Duchabe ireo mpiserasera Tajikistana maromaro ary manontany raha ratsy kokoa toy ny ririnina 2008 ity ririnina ity.

Eto sy eto raha hijery sary sy lahatsary misy ny ranomandry tao Duchanbe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.