[Ny rohy rehetra dia amin'ny teny espaniola ankoatra izay marihana manokana.]
An-dalana ny fetiben'ny Karnavalin'i Arzantina malaza indrindra – nomena anaram-bositra “Ny Karnavalin'ny Firenena” – ao an-tanànan'i Gualeguaychú ao amin'ny faritanin'i Entre Rios, eo amin'ny 230 kilometatra avy ao an-drenivohitra Buenos Aires.
Ao amin'ny Notas de un Viaje Particular i Cheryl nizara ny anarany:
…al ritmo de tambores, alegría y colores se llevo acabo el ultimo fin de semana del “Carnaval del País”, el mas importante de Argentina en Gualeguaychu, Entre Ríos. Es una fiesta contagiosa, que sorprende con sus impresionantes carros alegóricos, cuerpos esculturales y sonrisas interminables, la gente no para de bailar y festejar…
Voarara Ny Karnavaly [en] nandritra ny fitondrana jadona tao Arzantina, saingy tsy tena nijanona mihitsy izany tany amin'ny tanàna zatra ny fotoan'ny fety. Isan-taona, manaitra i Gualeguaychú tamin'ny fanatontosana ny Karnavaly ao amin'ny corsódromo, toeram-pihaonana fanaovana Karnavaly izay nasolo ny fampiasana ny lalana.
Mpizahatany an'arivony no mandefa mivantana handray anjara ny andiany tamin'ity fotoana ity, izay nanomboka tamin'ny 4 Janoary 2014. Tontosaina isaky ny Asabotsy ny hetsika mandra-pahatonga ny andro voalohany amin'ny volana Marsa.
Ny bilaogy El Vestidito Negro namoaka ny sarin’ny Karnavaly tamin'ny 2012:

Saripika avy amin'ny bilaogy El Vestidito Negro navoaka indray tamin'ny lisansa Creative Commons (CC BY-ND 3.0)

Saripika avy amin'ny bilaogy El Vestidito Negro navoaka indray noho ny lisansa Creative Commons (CC BY-ND 3.0)
Revolución Media nizara ny lahatsarin'izay hatolotra amin'ny Karnavaly amin'ity taona ity:
http://vimeo.com/84277600
Toy izany koa i Gabo por el mundo namoaka ny fantin-tsary ary nizara tolo-kevitra amin'ny fomba andehanana any Gualeguaychú sy ny toerana azo ipetrahana.
Ao amin'ny bilaogin-tsariny i Amelia McGoldrick namoaka andian-tsary, tsy ny sarin'ny Karnavaly ihany fa ny sary amin'ny maha-mpizahatany azy ao an-tanàna.
Saingy, niteraka fitarainana avy amin'ny manodidina ihany koa ny Karnavaly noho ny korontana avelan'ny mpanatrika. Nanazava i El Dia OnLine:
Las calles fueron el centro de diversión y de libre albedrío de alrededor de 90 mil personas que coparon la ciudad. Literalmente no cabía un alma más y sin embargo seguían entrando más y más vehículos.
Pero cuando decimos libre albedrío no lo hacemos por el solo hecho de utilizar un término que puede sonar fuerte, sino que fue la sensación que tuvieron muchos vecinos que prefirieron casi encerrarse en sus casas o, aquellos que tenían un poco más de suerte, mudarse momentáneamente de los barrios turísticos para estar más tranquilos en otros puntos de la ciudad.
Foiben'ny fanalanandro sy ny sitrapon'ny olona 90.000 izay manjaka amin'ny tanàna ny arabe. Ara-bakinteny tsy misy olona intsony, saingy mbola te-ho any hatrany ny olona sy ny fiara maro.
Saingy raha miteny hoe sitrapo isika dia zary mampiasa voambolana mety matanjaka faneno ve, sa noho ny fahatsapan'ny mpifanolo-bodirindrindra maro izay nisafidy ny hikaton-trano, sa ho an'ireo izay manam-bintana kokoa ka miala vonjimaika amin'ny toerana manintona mpizahatany ka misitraka ny fandriampahalemana sy ny fangonana any amin'ny faritra hafa ao amin'ny tanàna.
Fa efa nanomboka ny lanonana ary efa vonona amin'ny ampongamaro, dihy ary ny hatsarana manaitaitra ireo tarika conga “comparsas“, ary vonona hianoka taonan'ny “Karnavalin'ny Firenena” koa ny mpizahatany.