- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Ankizy Mpanakanto Ao Amin'ny Tobim-pialokalofana “Colors from the Zaatari”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Niarahana namoaka tamin'ny  Syria Untold [1] ity lahatsoratra ity

Nanjary laharam-pahamehana ho an'ireo mpitolona mafana fo sy ireo fikambanana Syriana ny fiantraikan'ny firongatry ny herisetra amin'ny ankizy any Syria. Colors from the Zaatari Camp, na ( Ireo Lokon'ny avy ao amin'ny Tobin'i Zaatari) [2] dia iray amin'ireo hetsika marobe mifantoka amin'ny ho avin'i Syria amin'ny alàlan'ny fanatsarana ny fari-piainan'ireo mpitsoa-ponenana sy  ireo ankizy nafindra monina.

Children drawing at Zaatari Camp. Source: Colors from the Zaatari Camp´s facebook page.

Ireo ankizy manao sary ao amin'ny Tobin'i Zaatari. Loharano : pejy facebook-n'ny tobin'ny Colors from the Zaatari .

 

Any amin'ny sisin-tany iraisan'i Syria sy Jordania no misy ny tobin'i Zaatari [3], izay tobim-pitsoa-ponenana Syriana lehibe indrindra ary mampiantrano mpitsoa-ponenana maherin'ny 100.000, ankizy ny ankamaroan'izy ireo. Araka ny filazan'i Dima al-Malakeh, izay miasa aminà fikambanana any Dubai ho any Syria :

“Nofidianay i Zaatari ho amin'ity tetikasa ity satria izy no toerana iray izay iarahan'ny Syriana marobe miaina miaraka ankehitriny, ary ao no ahafahanay manomboka miasa miaraka eo amin'ny sahan'ny sekoly sy ny fanabeazana.”

Mbola nampiany hoe :

Mandefa ny tara-pahazavana any amin'ny asan'ny ankizy ny tetikasa “Colors of Zaatari” mba hanasongadinana ny feon'izy ireo, ny talentan'izy ireo ary ny nofinofin'izy ireo mba hisintonana ireo fikambanana iraisam-pirenena amin'ny fanampiana azy ireo hiverina any an-tsekoly. Ny hiverina any an-tsekoly no nofinofin'ireo ankizy ary izany ihany koa ny anay.

Zaatari children painting, exhibited in Amman, January 16-17. Source: Colors of the Zaatari Camp´s facebook page

Sary hosodoko ataon'ireo ankizy ao Zaatari nampirantiana tany Amman  tamin'ny 16-17 Janoary. Loharano pejy facebook-n'ny  Zaatari Camp

 

Teraka taorian'ny nahitan'ilay mpitolona mafana fo Mahmoud Sadaka ny sary marobe nataon'ireo ankizy tao amin'ny toby ilay hevitra. ” Tsara ireo sary, misy hery ary manambara ny tsy hita sady heveriko fa henatra raha toa ka ajanona ao amin'ny toby tsy hisy mpahita izy zareo” hoy ny nolazainy tamin'ny Syria Untold. 

Ny fiaraha-miasan'ny “Ho an'i Syria” sy ireo Siriana sasany mpanao gazety ary ireo mpitolona mafana fo toa an-dry Milia Aidamouni, no nanapahana hevitra hanasongadinana ireo talenta Siriana avy amin'ny asa famoronana ataon'ireto ankizy ireto. Nangonin-dry zareo izay asa tsara indrindra ary nikarakara ny fampirantiana voalohany tany Amman izy ireo ny 16 sy 17 Janoary 2013. Asa tànana miisa 60, nohenjanina tsara niaraka tamin'ny fanampian'ilay mpanankanto Lina Mohamid no naranty.

Niarahana namoaka tamin'ny  Syria Untold [1] ity lahatsoratra ity .