- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Orampanala Ao Iran: 500.000 Tsy Mahazo Herinaratra, Entona Fandrehitra Ary Rano

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana
Snow in Mazandaran. Source: Mehr. Photographer: Pejman Marzi.

Ranomandry ao Mazandaran. Loharano: Sampan-draharaham-baovao Mehr. Mpaka sary: Pejman Marzi.

Olona 500.000 no voalaza fa voafandrika any an-tanànakely any tsy manana herinaratra, entona fandrehitra ary rano [1] taorian'ny tafiotran-dranomandry tany amin'ny faritany avaratr'i Iran, Gilan [2] sy Mazandaran [3].

Nilaza ny manampahefana iray tao an-toerana fa iny no firotsahan-dranomandry mavesatra indrindra tao anatin'ny 50 taona [4]. An'arivony ireo novonjena sy nampidirina tanaty fialofana vonjimaika na nampidirina hopitaly.

Nisioka [5] i ZA1-1RA :

Tsy manahy ny ho an'ny fianakaviako aho, manana tahirim-bary am-bolana ry zareo.

Nisioka [9] i Farshad Faryabi :

Tsy hody any Soeda ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Soedoà, Carl Blidt, [izay manohy ny dia eto Iran] fa betsaka kokoa ny ranomandry eto Iran.

Nisioka [14] i Soheila Sadegh:

Nisy sekoly ravan'ny ranomandry tao Gilan.

Nisioka [25] i Maysam Bizar :

Niakatra in'efatra ny vidin'ny rano nandritra ny firotsahan'ny ranomandry. Raha tsy mamindra fo eo amin'ny samy isika isika, inona no antenaintsika avy amin'ny fahavalo?

Nisioka [28] i Mozdeh A:

Izay fitahiana ho an'ny hafa, dia ozona ho antsika.

Saham Borghani nizara [30] sarin'ny dite sy ranomandrin'ny volana lasa (10 Janoary).