Sambany ny KostaRikàna monina any ivelany (am-pielezana) no afaka nifidy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena [1]. Nampiasa Twitter ireo Kostarikàna manerantany mba hitatitra ny fandatsaham-baton'izy ireo.
Esta vez los ticos 15,000 en el extranjero somos claves, nuestros votos pueden evitar una segunda ronda..#EleccionesCR [2] #votoCR [3] #vivomivoto [4]
— carolina palma (@Carolpalma54) February 2, 2014 [5]
Tamin'ity fotoana ity, izahay, Costa Rikàna 15 000 monina any ivelany no vahaolana, mety hanakana ny fisian'ny fihodinana faharoa ny latsa-batonay.
Avy amin'ireo Kostarikàna monina ao Aostralia, izay voalohany nandatsa-bato, hoan'ireo monina ao Japàna, Frantsa, Etazonia sy ny sisa hafa, nitatitra momba ny latsa-baton'izy ireo miaraka amin'ny fanehoan-kevitra feno fientanam-po ireo olom-pirenena.
Tatitra avy amin'i Stephanie avy ao Washington:
#VivoMiVoto [6] @ Washington, DC pic.twitter.com/eftYI5MXGR [7]
— Stephanie (@stephbrealey) February 2, 2014 [8]
Alefako mivantana ny latsa-batoko ao Washington, DC.
Niala tao Boston ho any New York i Francisco mba hamita ny adidiny hifidy.
#VivoMiVoto [6] Francisco Delgado estudia en Boston y viajó a Nueva York para votar pic.twitter.com/qcxQh6WPiI [9]
— ameliarueda (@ameliarueda) February 2, 2014 [10]
Mianatra ao Boston i Francisco Delgado ary nankany Nex York mba hifidy.
Avy ao Etazonia ihany, Diego Rivera nizara ity sary ity:
Yo ya voté!! #VivoMiVoto [6] #Voto2014 [11] (Consulado de Costa Rica en Miami!) pic.twitter.com/FEt8Uq7Zzk [12]
— Diego Rivera (@driverag) February 2, 2014 [13]
Avy nifidy aho!!! (Masoivoho an'i Costa Rica ao Miami)
Avy ao Brussels, Silvia Muñoz sy Alexander Molina nankalaza ny latsa-baton'izy ireo:
#VivoMiVoto [6] En Bruselas, la capital administrativa de Europa, votaron Silvia Muñoz Solano y Alexander Molina López pic.twitter.com/pMW5SJa5im [14]
— ameliarueda (@ameliarueda) February 2, 2014 [15]
Tao Bruxelles, renivohi-panjakana ao Eoropa no nandatsa-bato i Silvia Muñoz Solano sy Alexander Molina Lópezi.
Hatrany Shina, tovovavy iray avy ao Cartago nitatitra momba ny latsa-batony:
#VivoMiVoto [6] Sofía Hernández, de Cartago, votó en China. Ya la mesa de Beijing cerró la jornada (vía @maviru [16]) pic.twitter.com/I1nFYyrKmE [17]
— ameliarueda (@ameliarueda) February 2, 2014 [18]
Nandatsa-bato tao Shina i Sofía Hernández, avy ao Cartago. Efa nikatona sahady ny biraom-pifidianana ao Beijing.
Nitatitra avy any La Haye, Holandy kosa i Adolfo Chaves:
Mi voto en La Haya #EleccionesCR [2] #VotoExteriorCR [19] pic.twitter.com/DUETPV6GYe [20]
— Adolfo Chaves J. (@adolfochaves) February 2, 2014 [21]
Latsa-batoko ao La Haye.
Maro ireo Sary sy vaovao azo jerena ao amin'ny diezy Twitter #VotoExteriorCR [19] [latsa-bato ivelan'i Costa Rica], #EleccionesCR [2] [fifidianana Costa Rica] sy #VivoMiVoto [6] [mandefa ny latsa-batoko mivantana aho].