
Mpanao fihetsiketsehana manampy manosika fiara iray anaty arabe. Sary avy amin'i Olha Harbovska. Nahazoan-dalana.
Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana ao Okraina #Euromaidan ity.
Niteraka fifandonana mahery vaika teo amin'ny polisy ny ireo mpanao fihetsiketseham-panoherana ny governemanta nanomboka tamin'ny 19 Janoary 2014 ny fandaniana niserana vetivety ny lalàna mametra ny fihetsiketsehana milamina. Niely sy nampitolagaga izao tontolo izao ireo sary miharihary misy ny fifandonana mahery vaika, matetika rakotra setroka mainty avy amin'ireo fiara nodorana teo akaiky.
Ny sary tsy mba mahazo avara-patana amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra, na izany aza, dia mampiseho ny lain'ny mahaolombelona ao anatin'ity fihetsiketsehana Euromaiden lava sady mahery vaika ity, araka ny ahafantarana azy, ahitana azy ireo an-tsary any amin'ny tambanjotra sosialy sy ny kaontin-tsarin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanao gazety teny ifotony.
Ireto sary ireto no mampiseho ny fifanampian'ireo mpanao fihetsiketsehana hiainana araka izay tratra ny fiainana tsotra araka izay tratra, ka miezaka manongana ny governemanta mpanao kolikoly sy tsy mahomby. Ankoatran'ny fifampiarovan'ny tsirairay sy ny fitazonana hafanana, matetika ireo mpanao fihetsiketsehana no manampy ireo mandalo eo ka mampiapita azy ireo anivon'ny vahoaka maro ao anatin'ny maripàna miiba mamirifiry amin'ny ririnin'i Okraina. Misy ihany koa ireo mpilatsaka an-tsitrapo manome fitsaboana maimai-poana hoan'ny andaniny sy ny ankilan'ny fihetsiketseham-panoherana.

Mpikambana mpilatsaka an-tsitrapo manome fitsaboana ao Kyiv. Sary avy amin'ilay mpanangana ny pejy Facebook “Maidaners”. Nahazoan-dalana.

Vehivavy zokiolona mandraraka dite mafana ho an'ny mpanao fihetsiketsehana. Saripikan'i Olha Harbovska. Nahazoana alalana.
Mitsangana vonjimaika eny rehetra eny, ao Kyiv sy ny tanàna hafa, ny lakozia sy ny fisotroana dite hanome hanina sy hampafana ny mpanao fihetsiketsehana. Misy ihany koa ireo mpanolotena manala ny ranomandry sy ny fako eny amin'ny toerana hanaovana fihetsiketsehana

Lehilahy manome sandwiches ho an'ny mpanao fihetsiketsehana. Saripikan'i Hanna Hrabarska. Nahazoana alalana.

Toera-pizarana dite hafa ho fanafanàna ny mpanao fihetsiketsehana. Saripikan'ny mpisera Clashdot Volye101. Nahazoana alalana.

Vehivavy manolotena ho amin'ny fanadiovana ny kianjan'ny fihetsiketseham-panoherana ao Kyiv. Saripikan'ny mpanangana ny pejy Facebook “Maidaners”. Nahazoana alalana.

Lehilahy iray mikarakara vilanin-tsakafo maromaro ho an'ny mpanao fihetsiketsehana, manao izay tsy hahamay ny sakafo. Saripikan'ny mpisera Clashdot Volye101. Nahazoana alalana.
Mahavariana, ary porofo fanampiny fa voary ara-piarahamonina sy mahavita zavatra ao anatin'ny toe-javatra rehetra ny olombelona, nanana anjara toerana lehibe ho fitazonana ny maoraly mandritra ny fivorian'ny Euromaidan manokana ny fialamboly sy ny mozika. Nihetsi-po i Sean Lennon, zanaka lahin'ilay mpihira nanana ny tantarany John Lennon, rehefa nahita ny fandefasana mivantana ilay hita malazan'ny rainy mitondra ny lohateny hoe “Imagine” nandritra ny Euromaidan ho fandefasana ny hafatry ny famoretana mitandro ny filaminana ho fanoherana ny rafitra any Okraina, milaza azy ho “mahafinaritra” ao amin'ny Facebook-ny. Zava-pahita mandritra ny fivorian'ny Euromaidan manerana ny firenena ny fihirana sy fitendrena mozika mivantana, ary ohatra iray amin'izany ity aseho eto ambany ity:

Lehilahy iray mitendry lokangaamin'ny mpanao fihetsiketsehana iray ao aminn'y lalana ambanin'ny tany ao Kyiv. Saripikan'i Olha Harbovska. Nahazoana alalana.
Maro ihany koa ny famoronana mahafinaritra ny maso, amin'ny famoronan'ny mpanao fihetsiketsehana afisy, fandokoana satroby, na tranolay, sns.

Vehivavy iray mandoko tranolay eo amin'ny tokotany lehiben'ny fanaovana fihetsiketseham-panoherana ao Kyiv. Saripikan'ny mpanangana ny pejy Facebook “Maidaners”. Nahazoana alalana.
Na dia eo aza ny fifandonana amin'ny polisy sy ny famoretana tsy mitsahatra ataon'ny polisy amin'ny fihetsiketseham-panoehrana, ka nisian'ny sivily enina maty hatramin'izao sy an'arivony maratra, dia miresaka sy mifampitafatafa amin'ny polisy ihany matetika ny mpanao fihetsiketsehana, ka mahatonga teny na kianja iraisana izany indraindray. Eto ambany ny sarin'ny polisy okraniana iray manao ny asany mandritra ny fotoam-pihetsiketsehana, izay toa faly rehefa nahavita fifanarahana tamin'ny mpanao fihetsiketsehana hitandroana ny filaminana sy tsy hampiasana hery:

Polisy iray mitsiky. Vao avy nampanantena izy ny tsy hampiasa hery amin'ny mpanao fihetsiketsehana. Saripikan'i Hanna Hrabarska. Nahazoana alalana.

Mpanolotena hisahana ny fiarovana ny kianjan'ny fihetsiketsehana ao Kyiv izay nanangana ny rojon'olombelona manelanelana ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy hisorohana ny fihantsiana sy ny herisetra. Saripikan'ny mpanangana ny pejy Facebook “Maidaners”. Nahazoana alalana.