- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Ny Media Sosialy Sy Ny Fisongadinan'ny Antoko Aam Aadmi

Sokajy: Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Face

Mihantsy ireo antoko lehibe mahazatra ao India [1]ny Antoko Aadmi Aam (AAP ) – na Antokon'Olon-tsotra – tarihin'ilay mpikatroka miady amin'ny kolikoly Arvind Kejriwal.

Nahazo vato marobe ny AAP tamin'ny latsa-bato farany tao amin'ny Antenimieran'i Delhi ary nanatontosa fiaraha-miasa niaraka tamin'ny antokon'ny Kongresy mba hanorina governemanta ao Delhi [2]miaraka amin'i Kejriwal ho lehiben'ny minisitra.

   STOI : Fanoharana ny fialàna an-daharan'ny sosialy midadasika ny fandresen'ny PAA. Ary marika fa mitaky fandraisan'andraikitra ny Indiana ankehitriny

Antoko roa no manjakazaka amin'ny politika ao India: ny antoko Kongresy, izay nitondra ny firenena nandritra ny fe-potoam-piasana (mandat) roa niaraka tamin'ny fivondronan'ireo mpiara-miombon'antoka aminy ary miankina amin'ireo mpifidy tambanivohitra, sy ny Antoko Bharatiya Janata, vondrona nasionalista Hindou izay nitondra farany ny firenena tamin'ny 2004. Hanakorontona ireo antoko politika nanjakazaka efa ela tao India ve ny AAP amin'ny fifidianana hoavy amin'ny volana Mey?

Amin'ity Zoma ity, hiresaka momba ny andraikitry ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra manoloana ny fisidinan'ny antoko AAP avo dia avo aho [6] miaraka amin'ireo mpanoratra ao amin'ny GV, Chirag Sutar ary Manasi Gopalakrishnan.

Mpiavy avy ao India i Chirag [7] (@sutarcv [8]), saingy monina ao Holandy ankehitriny izay nahavitany ny masters momba ny Fampahalalam-baovao tao amin'ny Oniversiten'i Rotterdam. Niasa ho mpanao gazety nandritra ny telo taona India.

Manasi Gopalakrishnan [9] kosa dia mpanao gazety mahaleotena ao amin'ny fampielezam-peo iraisampirenena Alemàna, DW ao Bonn, Alemaina. Manoratra sy mamoaka bilaogy ao amin'ny www.womentalkonline.com izy ary miasa hoan'ny DW amin'ny teny Hindi ihany koa.

 

Hajian-tsary: Fankalazana teo an-tokotanin'ny foiben-toeran'ny AAP ao New Delhi taorian'ny fandresena tamin'ny vokatry ny latsa-bato. Sary avy amin'i Louis Dowse. Zon'ny mpamorona Demotix ( 12/08/2013 )