- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olon'ny Tantara An-Tsary ‘Meena’ Nanova Ny Fomba Fijery ny Zazavavy Tao Azia Atsimo

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Fanabeazana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora, Vaovao Mafana, Vaovao Tsara, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
Screenshot from the cover of Meena Comic Book. Courtesy Unicef [1]

Pikantsary avy amin'ny fonom-boky tantara an-tsarin'i Meena. Sary nampindramin'ny UNICEF

Roapolo taona monja izay, ratsy ny toerana misy ny vehivavy any amin'ny firenena sasantsasany ao Azia atsimo. Maro ny zazavavy any amin'ny faritra ambanivohitra no tsy avela mianatra. Lasa manambady aloha araka ny itomboany noho izany ny zazavavy, koa inona moa ny tombontsoan'ny mianatra? Ny zazalahy no hahazo ny ampahany be amin'ny sakafo ao an-tokantrano ary ny sisany ihany no avela ho an'ny zazavavy.

Saingy efa nisy fiovana be izany fombam-pisainam-panavakavahana izany, ary anisany nandray anjara tamin'izany ny mpandray anjara fototra [2] iray tao amin'ny boky tantara an-tsary. 

Tsy zoviana amin'ny ankizin'i Azia atsimo ihany koa ilay fandaharana amin'ny fahitalavitra ho an'ny kilonga ahitana ity mpandray anjara fototry ny tantara foronina mitondra ny anarana hoe Meena ity. Malaza tokoa ao amin'ny renim-paritra i Meena [3] sy ny fandaharana fahitalavitra izay samy apariahan'ny UNICEF [4] ity. Najoron'ny UNICEF ny tetikasa Meena Communication Initiative (MCI) [5] ho tetikasa ho an'ny daholobe mikendry ny hanova ny fomba fijery sy ny fomba fihetsika manakana ny fiavotana, fiarovana ary ny fivelaran'ny  zazavavy ao Azia atsimo. 

Bangladesh no firenena voalohany nahita an'i Meena [6] Meena rehefa nandeha tamin'ny fahitalavi-pirenena (BTV) tamin'ny 1993 ny tolony hianatra ho any an-tsekoly. Ahitana mpandray anjara hafa ihany koa ao amin'ny tantara ka ao anatin'izany ny anadahin'i Meena antsoina hoe Raju sy ny bolokiny antsoina hoe Mithu.

Meet Meena. Image courtesy Wikimedia [7]

Indro i Meena. Sary avy amin'n Wikimedia

Araka ny tatitra efa ela nataon'ny UNICEF [4]:

Since her inception 14 years ago she has shown millions of women and girls what can be achieved. She has delivered messages on issues as far reaching as solving the problem of bullying through to challenging the stigma of HIV/AIDS through to girls’ right to play sport. The Meena stories are highly entertaining and fun, but also reflect, at their core, the realities of girls’ lives in South Asia.

Hatramin'ny nanombohany 14 taona lasa izay dia nasehony tamin'ny zazavavy an-tapitrisany maro ny zavatra azo tontosaina hatramin'ny farany. Efa nandefa hafatra maro tonga hatrany amin'ny fanoherana ny fandrebirebena, mandalo ny amin'ny fanilikilihana ateraky ny takaitran'ny VIH/SIDA, ka hatramin'ny zon'ny zazavavy hanao fanatanjahantena izy. Manala voly sy mampihomehy tokoa ny tantaran'i Meena, nefa mitaratra ihany koa, ao amin'ny ivon-tantara, ny zavamisim-piainan'ny zazavavy any Azia Atsimo.

Nandefa ny hafatra hampitsaharana ny fampanambadiana ny ankizy sy ny ftondran'ny zazavavy harena rehefa hanambady i Meena ary nampiroborobo ny fampiasana kabone ara-pahasalamana, ny fandefasana ny kilongavavy any an-tsekoly, ny fitovian'ny zazalahy sy ny zazavavy ary ny zon'ny mpiasa an-trano hahazo fanabeazana. Asongadin'ny tantarany ny mety ho vitan'ny zazavavy eo anivon'ny fiaraha-monina rehefa omena anjara toerana mitovy amin'ny hafa.

Ahoana moa no hafatra alefan'ny zazavavy kely amin'ny tantara an-tsary toy izao no manome hery tahaka izany ka nanampy tosika tamin'ny fanovana hatramin'ny fakany ny fiaraha-monina? Renim-pianakaviana Naznin Rahman no niteny tamin'ny gazety mivoaka isan'andro Daily Prothom Alo [8] [bn]:

আমার মা জোহরা বেগম তাঁর দুই ছেলের বিয়েতে যৌতুক নিয়েছেন। তখনো টিভিতে মীনা দেখাতে শুরু করেনি। তারপর যেই তিনি মীনা দেখতে শুরু করলেন, তাঁর চরিত্রে মেয়েদের প্রতি আলাদাভাবে একটা সহানুভূতি কাজ করতে লাগল। তারপর যখন তাঁর ছোট ছেলের বিয়ে দিলেন, তখনই আমরা বুঝতে পারলাম তিনি মীনার দ্বারা কতটা প্রভাবিত। আম্মা আমার ছোট ভাইয়ের বিয়েতে যৌতুক নেননি।

Nandray ny harena fandoan'ny zazavavy amin'ny horafozaniny ho an'ny zananilahy roa voalohany ny reniko Zohra. Mbola tsy nandeha i Meena tamin'izany fotoana izany. Rehefa nijery an'i Meena dia nivelatra tao aminy ny famindram-po manokana ho an'ny zazavavy. Rehefa nanambady ny zanany faralahy, dia tsapanay ny fiantraikan'i Meena taminy. Tsy nandray harena fandoan'ny zazavavy avy amin'ny faralahinay mihitsy izy.

Shuvo Ankur [9] nanoratra tao amin'ny pejy natokana ho an'ny ankizy ao amin'ny BDNews24.com momba ny fiovana tsara naterak'i Meena:

প্রচার হবার পর থেকেই মীনা পেয়ে যায় দারুন জনপ্রিয়তা। এবং এর ফলে আসতে থাকে বেশ কিছু পরিবর্তন। আগে গ্রামাঞ্চলে মেয়ে শিশুদেরকে স্কুলে যেতে না দিয়ে বাড়ির কাজ করানো হতো। মীনা কার্টুন প্রচার হবার পর থেকে আস্তে আস্তে ঘটতে থাকে পরিবর্তন। কারণ মীনা কার্টুনেও দেখানো হয়েছে যে তাকে স্কুলে যেতে দেয়া হতো না। কিন্তু কিছু ঘটনার পরে তাকে স্কুলে যেতে দেয়া হয়। এবং মীনা বিভিন্ন বুদ্ধিমত্তার পরিচয় রাখতে থাকে। সে লেখাপড়া শিখে তার বাবাকে ঠকে যাবার হাত থেকে রক্ষা করে। আবার বাড়ির গরু চুরি ঠেকায়। এমনি সব কাজের জন্য মীনা হয়ে যায় সবার জনপ্রিয় এবং সার্কভুক্ত দেশগুলোতে মেয়ে শিশুদেরকে অবহেলাও কমে যেতে থাকে।

Nalaza hatrany am-boalohany i Meena. Hita vetivety taty aoriana ny fiovana maro. Taloha ny zazavavy mpianatra any amin'ny faritra ambanivohitra niala an-tsekoly ary lasa miasa ho mpanampy an-trano . Saingy niovany toe-draharaha rehefa nandeha ny tantaran'i Meena. Tamin'ny fahitalavitra, tsy navela hianatra an-tsekoly ihany koa i Meena. Saingy nanova ny anjarany izy ka navela hianatra an-tsekoly. Ny hakingan-tsainy sy ny herim-pony no nahafahan'i Meena nanisa sy hanana fahalalana hafa nilaina hanavotana ny rainy tsy hohararaotin'ny hafa. Nanavotra ny ombiny tamin'ny mpangalatra izy. Lasa nalaza ny hakingan-tsainy, ary nihananjavona tsikelikely ny tsi-firaharahiana ny zazavavy tany amin'ny firenen'i Azia Atsimo.

Sohanur Rahman [10] [bn] nanoratra tao amin'ny Kishorebarta fa maro ny lesona azo tsoahina avy amin'ilay tantara an-tsary :

[…] মীনার কাছ থেকে আমরা অনেক কিছুই শিখেছি। সেই ৯০ দশক থেকে আজকের দিন প্রযন্ত প্রায় ১৭ বছর ধরে মীনা আমাদের সমাজের প্রতিটি মানুষের মনের মনিকোঠায় একটি উজ্জ্বল চরিত্র হিসেবে স্থান দখল করে নিয়েছে।

Nahay zavatra maro avy amin'i Meena izahay. Hatramin'ny taona '90s ka mandraka ankehitriny, lasa olo-malaza sy fanta-daza ao amin'ny firenenay izy.

Nalefa tamin'ny radio ihany koa i Meena. Niteny tamin'i The Daily Star [11] i Farzana Islam Tithi, 24 taona, maka ny toeran'i Meena ao amin'ny tantara :

Everyone loved Meena from their childhood and everyone, regardless of age, watched the cartoon eagerly. I also used to watch it. May be Meena’s accent struck to my mind since then and I believe that feeling helped me in my voice over for Meena.

Tia an'i Meena hatramin'ny fahakeliny ny rehetra ary mazoto hijery ny tantara an-tsarimiaina avokoa, tsy misy anavahan-taona, ny rehetra. Angamba ny firokin'i Meena no nanaitra ny saiko hatramin'izay ka mino aho fa izay fahatsapana izay no nanampy ahy hanao ny feon'i Meena

Nanambaa ny mpisera Twitter Bengalithings [12] fa maodely i Meena:

Raha tsorina, iray amin'ny maodelim-piainako tamin'ny fahazazana i Meena tao amin'ny tantara an-tsary.

Nampahatsiahy ny kaonty Twitter UNICEF Bangladesh (@UNICEFBD [17]) fa :

mbola manana ny ambaindainy ao amin'ny fiainan'ny ankizy hatrany i Meena ary manaisotra ny fomba fijery diso ao amin'ny fiaraha-monina

Isaky ny faha-24 ny volana Oktobra no hajaina ao Bangladesh ny “Meena Day [20]” [Andron'i Meena] ho fampiroboroboana ny fanentanana hampidirana an-tsekoly ny 100%-n'ny kilonga, hisorohana ny fialana an-daharana an-tsekoly ary hiantohana ny hisian'ny fanabeazana mendrika.

Araka ny tatitra [21] [bn], lasa malaza ivelan'ny renim-paritr'i Azia Atsimo ihany koa i Meena. Voadika amin'ny tenim-pirenena mihoatra ny 30 tahaka ny Arabo, Birmana ary Shinoa ihany koa izy. Azonao atao ny mitroka maimaipoana ny boky tantara an-tsarin'i Meena ato [22]