- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ranon-trambo Sy Tany Nihotsaka Namely Tao Sulawesi Avaratra, Indonezia

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina

Niaina ny tondra-drano mahatsiravina ihany koa i Manado! Fa tsy Jakarta ihany

Namely ny tanànan'i Manado tao Indonezia ny ranon-trambo sy ny fihotsaky ny tany mahery vaika ary nampifindra mponina maherin'ny 40.000.

Niteraka fihotsahan'ny tany ka nandrakotra fiara am-polony sy ireo mpandeha tao anatiny ny rivotra sy orana matevina naharitra ny andro maromaro. Voalaza ihany koa fa potika ny arabe mampitohy an'i Manado sy Tomohon noho ny fihotsaky ny tany.

Nameno ny Twitter tamin'ny alalan'ireo diezy Twitter #prayformanado [1], #GodSaveManado [5], ary #prayforsulut [6]ny sary, sy vaovao farany momba ny loza avy eny ampotony, ary ny hafa-piraisankina.

Alina koa izany! Tafio-rivotra narahana fihovitry ny tany, niteraka fahatapahan-jiro. Ny hany fanantenako androany alina, torimaso mangina sy fifohazana rahampitso. # GodSaveManado (Hanavotra an'i Manado anie Andriamanitra)

Andriamanitra ô! Amoray ny fizarana fanampiana sy famindrana toerana ireo rahalahy sy anabavy azafady. #prayformanado (mivavaha hoan'i Manado) 

3 metatra ny haavon'ny onjan-dranomasina ao amin'ny arabe Boulevard, Manado.

vavaka tsara indrindra hoan'ireo namana sy havana ao Manado sy ny manodidina azy. antenaina fa ho voavaha haingana indrindra ny tondra-drano.

Nahare vaovao mahatsiravina mikasika ny tondra-drano tao Sulut, Manado. Mivavaha hoan'ireo rahalahy sy anabavy any an-toerana

Nampiasaina araka izay tratra ny Twitter mba handrindrana ireo asam-panavotana:

Ry mpiserasera, ampio amin'ny fampitàna indray ny sioka (RT) azafady, mila fanampiana avy amin'ny ekipa SAR ny namako Alex ao Manado. Misaotra Indrindra.

Tao amin'ny Facebook, manome vaovao farany sy vaovao mikasika ny fandehan'ny asam-panavotana mandritra loza  ireo pejim-pikambanana sy vondrona am-pielezana Sulawesi avaratra.

Landslide in Paslaten Minsel Village, North Sulawesi. Photo from Facebook page of Manado [19]

Tany nihotsaka tao an-tanàna Paslaten Minsel, Sulawesi Avaratra. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook-n'i Manado.

Naneho [20] fankasitrahana tamin'ireo namana tao amin'ny Facebook izay nanampy tamin'ny fanavotana ny zanaka lahin'ny ny mpiray tampo aminy tao amin'ny tanàna tondraky ny rano i Ferix Sonanda:

Terima Kasih atas bantuannya kawan2…. Seluruh anggota kantor ponakan saya telah dievakuasi skitar 30 mnt yg lewat…

Misaotra tamin'ny fanampianareo, ry namana. Vao avy nafindra toerana ireo mpiasa tao amin'ny birao izay hiasàn'ny zanaky ny mpiray tampo amiko, 30 minitra lasa izay.

Nandritra izany, nanoro hevitra ireo mpiserasera ny pejin'ny vondro-piarahamonin'ny pejy Facebook Manado [21] ny mba tsy hanapariahana vaovao tsy voamarina [21] izay mety hiteraka korontana ao anatin'ny fihazohazoana.

Nampanantena ny Minisitry ny sosialim-bahoaka Salim Al Segaf Jufri fa efa vonona hozaraina ny fanampiana hoan'ireo niharam-boina [22]. Efa nilaza mialoha ny mety hisian'ny fitondrahan'ny rano hatrany [23] ny sampana mpamantatra ny toe-trandro sy ny Zeofizika ao Manado (Manado BMKG).

Ankilan'i Manado, misy ihany koa ireo tanandehibe hafa izay ravan'ny tondra-drano tahaka ny ao amin'ny fanjakana Minahasa Avaratra, Tomohon, Minahasa, Minahasa Atsimo ary ny vondronosy Sangihe.

Misy mitatitra ihany koa ny momba ny voina nateraky ny oram-batravatra henjana dia henjana any amin'ny faritra maro ao Indonezia [24], ka tratra ihany koa ny ao an-drenivohitra Jakarta.