Manado juga banjir parah! Bukan cuma Jakarta! :'( #PrayForManado http://t.co/53YOMKPgvm pic.twitter.com/Ptb0ETx19a — Lintas(dot)ME (@LintasME) January 15, 2014
Niaina ny tondra-drano mahatsiravina ihany koa i Manado! Fa tsy Jakarta ihany
Namely ny tanànan'i Manado tao Indonezia ny ranon-trambo sy ny fihotsaky ny tany mahery vaika ary nampifindra mponina maherin'ny 40.000.
Niteraka fihotsahan'ny tany ka nandrakotra fiara am-polony sy ireo mpandeha tao anatiny ny rivotra sy orana matevina naharitra ny andro maromaro. Voalaza ihany koa fa potika ny arabe mampitohy an'i Manado sy Tomohon noho ny fihotsaky ny tany.
Nameno ny Twitter tamin'ny alalan'ireo diezy Twitter #prayformanado, #GodSaveManado, ary #prayforsulut ny sary, sy vaovao farany momba ny loza avy eny ampotony, ary ny hafa-piraisankina.
What a night! Badai berlanjut gempa, berlanjut mati lampu. Satu harapan saya malam ini, tidur nyenyak dan bangun besok #GodSaveManado
— Mawar Sharon Pantow (@mawarsharons) June 13, 2011
Alina koa izany! Tafio-rivotra narahana fihovitry ny tany, niteraka fahatapahan-jiro. Ny hany fanantenako androany alina, torimaso mangina sy fifohazana rahampitso. # GodSaveManado (Hanavotra an'i Manado anie Andriamanitra)
Ya Tuhan, tolong mudahkan distribusi bantuan dan evakuasi, untuk saudara-saudara kami.. #PrayForManado pic.twitter.com/LZJgBf5MZU
— Mahasiswa Yogyakarta (@JogjaStudent) January 16, 2014
Andriamanitra ô! Amoray ny fizarana fanampiana sy famindrana toerana ireo rahalahy sy anabavy azafady. #prayformanado (mivavaha hoan'i Manado)
Ombak Laut setinggi 3 m, jln Boulevard Kota Manado. #PrayManado pic.twitter.com/ap7TLDSm2b — Info Banyuwangi (@InfoBWIRaya) January 16, 2014
3 metatra ny haavon'ny onjan-dranomasina ao amin'ny arabe Boulevard, Manado.
doa terbaik utk teman2 & saudara2 di Manado dan sekitarnya. semoga musibah banjir yg dialami bisa diatasi secepatnya. — sarah sechan (@sarseh) January 16, 2014
vavaka tsara indrindra hoan'ireo namana sy havana ao Manado sy ny manodidina azy. antenaina fa ho voavaha haingana indrindra ny tondra-drano.
Heard a tragic news of the flood in Sulut, Manado. Let's pray for our brothers and sisters in there #prayforSulut pic.twitter.com/plTfudzL4e
— Grace Sharon (@grace_sha) January 15, 2014
Nahare vaovao mahatsiravina mikasika ny tondra-drano tao Sulut, Manado. Mivavaha hoan'ireo rahalahy sy anabavy any an-toerana
Nampiasaina araka izay tratra ny Twitter mba handrindrana ireo asam-panavotana:
Tweepos mohon bantuannya RT, ini teman sy di Manado Alex bth bantuan tim SAR terimakasih yg se bsr”nya pic.twitter.com/kxVhArA1Ja
— armand maulana (@armandmaulana) January 15, 2014
Ry mpiserasera, ampio amin'ny fampitàna indray ny sioka (RT) azafady, mila fanampiana avy amin'ny ekipa SAR ny namako Alex ao Manado. Misaotra Indrindra.
Tao amin'ny Facebook, manome vaovao farany sy vaovao mikasika ny fandehan'ny asam-panavotana mandritra loza ireo pejim-pikambanana sy vondrona am-pielezana Sulawesi avaratra.
Naneho fankasitrahana tamin'ireo namana tao amin'ny Facebook izay nanampy tamin'ny fanavotana ny zanaka lahin'ny ny mpiray tampo aminy tao amin'ny tanàna tondraky ny rano i Ferix Sonanda:
Terima Kasih atas bantuannya kawan2…. Seluruh anggota kantor ponakan saya telah dievakuasi skitar 30 mnt yg lewat…
Misaotra tamin'ny fanampianareo, ry namana. Vao avy nafindra toerana ireo mpiasa tao amin'ny birao izay hiasàn'ny zanaky ny mpiray tampo amiko, 30 minitra lasa izay.
Nandritra izany, nanoro hevitra ireo mpiserasera ny pejin'ny vondro-piarahamonin'ny pejy Facebook Manado ny mba tsy hanapariahana vaovao tsy voamarina izay mety hiteraka korontana ao anatin'ny fihazohazoana.
Nampanantena ny Minisitry ny sosialim-bahoaka Salim Al Segaf Jufri fa efa vonona hozaraina ny fanampiana hoan'ireo niharam-boina. Efa nilaza mialoha ny mety hisian'ny fitondrahan'ny rano hatrany ny sampana mpamantatra ny toe-trandro sy ny Zeofizika ao Manado (Manado BMKG).
Ankilan'i Manado, misy ihany koa ireo tanandehibe hafa izay ravan'ny tondra-drano tahaka ny ao amin'ny fanjakana Minahasa Avaratra, Tomohon, Minahasa, Minahasa Atsimo ary ny vondronosy Sangihe.
Misy mitatitra ihany koa ny momba ny voina nateraky ny oram-batravatra henjana dia henjana any amin'ny faritra maro ao Indonezia, ka tratra ihany koa ny ao an-drenivohitra Jakarta.