Arahabaina Ny Lalàm-Panorenana Vaovao Ao Tonizia!

Nanome voninahitra ny nandaniana ny lalàm-panorenana vaovao tao Tonizia ireo bilaogera nanerana ny faritra, taona telo taorian'ny nanonganana ilay mpanao jadona Zeine el Abidin Ben Ali.

Amin'ny làlana tsara ny firenena hoy izy ireo, izay voalohany niditra tamin'ny atao hoe Lohataona Arabo.

Miarahaba ireo Toniziana ilay Yemenita bilaogera, Noon Arabia:

Lanin'ny maro an'isa tao amin'ny Antenimieram-pirenen'i #Tonizia ny lalàm-panorenana. Arahaba ry Tonizia, dingana iray mandroso any aloha & ohatra mahabe fanantenana ho an'ny Lohataona Arabo

Manaraka ny onjany eo ilay Alzeriana Megari Larbi :

Faly ho an'i Tonizia manana lalàm-panorenana vaovao. Dingana goavana be mankany amin'ny fahamarinan-toerana. Mirary soa ry rahalahy.

Avy any Ejipta, mitsetra ny zava-misy ao an-tanindrazany i Mohamed El Dahshan :

MANANA LALAM-PANORENANA ISIKA ! Oh , azafady, Eo am-panaovana fety miaraka amin'ireo namako avy any #Tonizia aho izao. Tsy ambony noho ny taratast fifirana akory ny lalàm-panorenana Ejiptiana.

Mitohy ny fampitahàna.

Borzou Daragahi mibitsika hoe :

Tsy mampino : #Tonizia miaraka mankalaza ny laika sy ny islamista raha novakiana tamin'ny feo avo ny lalàm-panorenana ; mifangarika be amin'i #Ejipta

Ary ilay Israeliana Elizabeth Tsurkov nitefoka ny hoe :

Faran'izay faly ho an'i Tonizia. Manana ny lalàm-panorenana faran'izay tena demaokratika ry zareo ankehitriny aty MENA. Izany rehetra izany dia noho ireo vahoaka Toniziana manam-pahasahiana.

Manampy i Carl Bildt , minisitry ny raharaham-bahiny ao Soeda :

Taona telo taorian'ny dingana ho amin'ny fanovàna ato anatin'ny tontolo Arabo, mankatoa ny lalàm-panorenana demaokratikany vaovao i Tonizia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.