- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Zavatra itiavako An'i Sodana Atsimo

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna Atsimo, Ady & Fifandirana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta

Na eo aza ny fahantrana amin'ny maha-olombelona sy ny fahasarotam-piainana [1] tsy maintsy sedrain'ireo Sodaney Tatsimo raha mbola mitohy hatrany ny tolona ho an'io firenena tanora indrindra eto an-tany io [2], naka ny Twitter mba hizaràna ny fitiavany ny fireneny amin'ny fampiasàny ny tenifototra #ThingILoveaboutSouthSudan [3] ry zareo Sodane Tatsimo sy ny sakaizany.

Tanaty ady i Sodana Atsimo hatramin'ny 16 Desambra 2013 taorian'ny andrana fanonganam-panjakana nataon'ny filoha lefitra taloha Riek Machar [4].

A South Sudanese girl at independence festivities [5]

Ankizivavy kely Sodane iray nandritry ny fetin'ny fahaleovantena. Sary ho an'ny sehatry ny daholobe – sary niandohana: an'i Jonathan Morgenstein / USAID tao amin'ny flickr

 

Ireto no zavatra tian'ny olona mikasika an'i Sodana Atsimo :

Rehefa injay lasa farihy ny toeram-piantsonan'ny fiaramanidiko “natao ho an'ny vanim-potoana rehetra” (iray amin'ireo tsara indrindra aty amin'ny faritra)

Ny tandrok'ireo ombivavin-dry zareo #ThingsILoveAboutSouthSudan [9] ( fantatro fa tsy dia mahagaga, fa mba marina kosa tsy mampino ry zareo an ) pic.twitter.com/iYCcok7aOo [10]

Ity zazavavy miarahaba ahy “Tratra soa ny maraina! Tratra soa ny maraina” ity, na amin'ny firy na amin'ny firy #thingsiloveaboutSouthSudan [6] #SouthSudan [12] pic.twitter.com/afe7rD55B3 [13]

Ombivavy manan-tandroka miendrika ‘lyre’ (zava-maneno fitendry). Hazo miravaka hodi-kazo miloko toy ny ‘koi’ (karazan-trondro mena midorehitra). Scrabble vita tamin'ny boatin'afokasoka #thingsiloveaboutSouthSudan [6]

Ireo foko 64 #ThingsILoveAboutSouthSudan [9]

Fitiavana havoana. Avo = Feno hatsaràna. Izay olona rehetra latsaky ny 5'10 dia atao hoe fohy daholo (isany aho)

#thingsiloveaboutsouthsudan [19] ny iray tanàna manontolo no indray miara-mivoaka raha sanatria vaky kodiarana ianao pic.twitter.com/Q8SB70tluY [20]

#ThingsILoveAboutSouthSudan [9]: fifindràna trano pic.twitter.com/cQgm15GlU0 [22]

Ity ranamana ity izay mankafy ny seza ao amin'ny biraony ka dia mitaingina eo amboniny foana na handeha hiasa na hody #ThingsILoveAboutSouthSudan [9] pic.twitter.com/PGAUDZtSyY [24]

#thingsiloveaboutsouthsudan [19] tolotra (café) nokarakaraina miaraka amin'ny zava-manitra, nomasahana tamin-ny afon-kitay, asiana siramamy 4 sotro fihinanana!

#ThingsIloveaboutSouthSudan ny fomba fiarahabàna – Manolotra tànana no sady mitehina kely amin'ny sorok'ilay olona arahabaina. Tokana an-tany

Fitafy nentin-drazana #ThingsILoveAboutSouthSudan ! ! ! !

#thingsiloveaboutSouthSudan : Tsy manontany izay anarako (fa aleony manome ahy iray vaovao)

#thingsiloveaboutSouthSudan : Ny vehivavy feno hatsaràna, manja, ary mahafatifaty sy matanjaka eto amin'ity planeta ity. Manakatra ny lanitra ireo vehivavin'i #SodanaAtsimo.

#ThingsIloveaboutSouthSudan Ny fianakaviana Yei misy ahy { nampiantrano ahy nandritry ny 7 taona } ny alina maro nanaovana tafo lanitra, ireo bozaka lava atopatopan'ny rivotra, vahoaka iray manana ny fahalehibeazany sy ny fahamendrehany izay mitombo hatrany hatrany

Ny lehilahy Dinka efa mandray ny fomba maoderina miala amin'ny fitondràna kavina vita amin'ny volom-borona mavokely. #thingsiloveaboutSouthSudan