Na eo aza ny fahantrana amin'ny maha-olombelona sy ny fahasarotam-piainana tsy maintsy sedrain'ireo Sodaney Tatsimo raha mbola mitohy hatrany ny tolona ho an'io firenena tanora indrindra eto an-tany io, naka ny Twitter mba hizaràna ny fitiavany ny fireneny amin'ny fampiasàny ny tenifototra #ThingILoveaboutSouthSudan ry zareo Sodane Tatsimo sy ny sakaizany.
Tanaty ady i Sodana Atsimo hatramin'ny 16 Desambra 2013 taorian'ny andrana fanonganam-panjakana nataon'ny filoha lefitra taloha Riek Machar.
Ireto no zavatra tian'ny olona mikasika an'i Sodana Atsimo :
when my “all-season” airstrip (one of the better ones in the region) became a lake. #thingsiloveaboutSouthSudan pic.twitter.com/x51DeBicf7
— viadya (@viadya) January 16, 2014
Rehefa injay lasa farihy ny toeram-piantsonan'ny fiaramanidiko “natao ho an'ny vanim-potoana rehetra” (iray amin'ireo tsara indrindra aty amin'ny faritra)
The horns on their cows #ThingsILoveAboutSouthSudan (unoriginal I know, but seriously, they're amazing) pic.twitter.com/iYCcok7aOo
— John Fenning (@berniefenning) January 15, 2014
Ny tandrok'ireo ombivavin-dry zareo #ThingsILoveAboutSouthSudan ( fantatro fa tsy dia mahagaga, fa mba marina kosa tsy mampino ry zareo an ) pic.twitter.com/iYCcok7aOo
This girl who greets me with “Morning! Morning!” no matter the time of day. #thingsiloveaboutSouthSudan #SouthSudan pic.twitter.com/afe7rD55B3
— Ryan Musser (@gringo_loco) January 15, 2014
Ity zazavavy miarahaba ahy “Tratra soa ny maraina! Tratra soa ny maraina” ity, na amin'ny firy na amin'ny firy #thingsiloveaboutSouthSudan #SouthSudan pic.twitter.com/afe7rD55B3
Cows w horns shaped like lyres. Trees w bark the colour of koi. Scrabble set made of matchboxes #thingsiloveaboutSouthSudan
— Stephanie Nolen (@snolen) January 12, 2014
Ombivavy manan-tandroka miendrika ‘lyre’ (zava-maneno fitendry). Hazo miravaka hodi-kazo miloko toy ny ‘koi’ (karazan-trondro mena midorehitra). Scrabble vita tamin'ny boatin'afokasoka #thingsiloveaboutSouthSudan
The 64 tribes. #ThingsILoveAboutSouthSudan
— Waging Peace. (@modernemeid) January 18, 2014
Ireo foko 64 #ThingsILoveAboutSouthSudan
Appreciation of height. Tall=graceful. Anyone under 5'10 is short (myself included). #thingsiloveaboutSouthSudan pic.twitter.com/Wkk3fYPh7N
— Aguil Lual Blunt (@AguilB) January 15, 2014
Fitiavana havoana. Avo = Feno hatsaràna. Izay olona rehetra latsaky ny 5'10 dia atao hoe fohy daholo (isany aho)
#thingsiloveaboutsouthsudan The entire village comes out when you get a flat tire. pic.twitter.com/Q8SB70tluY
— James Turitto (@Sunday_Jimmy) January 15, 2014
#thingsiloveaboutsouthsudan ny iray tanàna manontolo no indray miara-mivoaka raha sanatria vaky kodiarana ianao pic.twitter.com/Q8SB70tluY
#ThingsILoveAboutSouthSudan: Moving house pic.twitter.com/cQgm15GlU0
— Jonah Leff (@jonahleff) January 17, 2014
#ThingsILoveAboutSouthSudan: fifindràna trano pic.twitter.com/cQgm15GlU0
This guy who likes his office chair so much he rides it to and from work #ThingsILoveAboutSouthSudan pic.twitter.com/PGAUDZtSyY
— John Fenning (@berniefenning) January 15, 2014
Ity ranamana ity izay mankafy ny seza ao amin'ny biraony ka dia mitaingina eo amboniny foana na handeha hiasa na hody #ThingsILoveAboutSouthSudan pic.twitter.com/PGAUDZtSyY
#thingsiloveaboutsouthsudan boon (coffee) made with spices, boiled on charcoal, with 4 spoonfuls of sugar! pic.twitter.com/DiDPVN3tB4
— Sarah Will (@willowwistful) January 11, 2014
#thingsiloveaboutsouthsudan tolotra (café) nokarakaraina miaraka amin'ny zava-manitra, nomasahana tamin-ny afon-kitay, asiana siramamy 4 sotro fihinanana!
#ThingsIloveaboutSouthSudan The Greeting gesture- stretching out one's hand and touching the other persons shoulder. Unique
— Hashim Wasswa M (@Hashim11) January 12, 2014
#ThingsIloveaboutSouthSudan ny fomba fiarahabàna – Manolotra tànana no sady mitehina kely amin'ny sorok'ilay olona arahabaina. Tokana an-tany
#ThingsILoveAboutSouthSudan Traditional costumes!!!!!!!!!!!! pic.twitter.com/T4qJrBnsNv
— إيڤا (@Evalopa) January 11, 2014
Fitafy nentin-drazana #ThingsILoveAboutSouthSudan ! ! ! !
#thingsiloveaboutSouthSudan: Not asking for my name (but rather giving me a new one) http://t.co/mLMWCB0Jyb
— Pernille Bærendtsen (@Dunia_Duara) January 11, 2014
#thingsiloveaboutSouthSudan : Tsy manontany izay anarako (fa aleony manome ahy iray vaovao)
#thingsiloveaboutSouthSudan: The most graceful, elegant, beautiful and strongest women on the planet. #SouthSudan women hold up the sky.
— South Sudan Analyst (@SouthSudanPatri) January 11, 2014
#thingsiloveaboutSouthSudan : Ny vehivavy feno hatsaràna, manja, ary mahafatifaty sy matanjaka eto amin'ity planeta ity. Manakatra ny lanitra ireo vehivavin'i #SodanaAtsimo.
#ThingsIloveaboutSouthSudan My Yei family {home for 7yrs} million star nights, tall grass in the wind, a regal people who rise again & again
— michele perry (@micheleperry) January 14, 2014
#ThingsIloveaboutSouthSudan Ny fianakaviana Yei misy ahy { nampiantrano ahy nandritry ny 7 taona } ny alina maro nanaovana tafo lanitra, ireo bozaka lava atopatopan'ny rivotra, vahoaka iray manana ny fahalehibeazany sy ny fahamendrehany izay mitombo hatrany hatrany
The modern rural Dinka male embrace of pink feather earrings. #thingsiloveaboutSouthSudan
— Ian Cox (@IanECox) January 11, 2014
Ny lehilahy Dinka efa mandray ny fomba maoderina miala amin'ny fitondràna kavina vita amin'ny volom-borona mavokely. #thingsiloveaboutSouthSudan