LAHATSARY: Fahatsiarovana Ny Fandroahana Tamin-Kerisetra Ny Vondrom-Piarahamonina Pinheirinho Tao Brezila

Captura de ecrã do website somostodosofilme.com

Dikasary avy amin'ny tranonkala SomosTodosOFilme.com

Roa taona taorian'ny fandroahana tamin-kerisetra ny vondrom-piarahamonina Pinheirinho tao an-tanànan'i São José dos Campos ao amin'ny fanjakan'i São Paulo, Brezila, navoaka tety anaty aterineto ny fanadihadiana fohy “Somos Todos“(Isika no Rehetra), izay manangona ireo fijoroana vavolombelona avy amin'ireo mpikatroka mafàna fo tafiditra ao anatin'ilay hetsika no sady koa niharany. Nanjary fantatra tamin'ny anarana hoe Massacre of Pinheirinho / Vonomoka tao Pinheirinho ilay fandroahana.

Ny famintinana ilay lahatsary ao amin'ny YouTube dia mivaky toy izao :

Eram seis horas da manhã, em janeiro de 2012, quando oito mil pessoas, assustadas, começaram a chorar. Pinheirinho dali em diante não seria mais o lar que construíram há cerca de oito anos. Somos Todos dá rosto aos Pinheirenses e voz a dor de quem até hoje espera solução para uma reintegração de posse repleta de contradições judiciais e humanas.

Tamin'ny enina ora maraina tamin'izay, Janoary 2012, fony nanomboka nitomany ireo olona 8.000 raiki-tahotra. Tsy ho toeram-ponenana intsony ho an'ireo izay nanorina azy valo taona lasa izay i Pinheirinho. Manome endrika ireo  Pinheirenses ny Somos Todos  sady manome feo ny hirifirin'ireo izay mbola miandry vahaolana hatramin'ny anio, mikasika ny ho famerenana ny fananany, izay feno zava-mifanohitra tanteraka amin'ny lalàna sy ny maha-olona.

Taona iray taorian'ilay fandroahana dia nalefa nojerena tao Recife ilay fanadihadiana tamin'ny Janoary 2013, ary im-betsaka nahazo maripankasitrahana taminà fetibe samihafa, isan'ireny ny Visões Periférias tao Rio de Janeiro tao anatin'ny sokajy Sisintany Tsy Hita Maso (Imaginary Borders) sy ny “Porta Curtas”, loka avy amin'ny mpitsara. Azo jerena amin'ny endriny feno ankehitriny ny “Somos Todos” ao amin'ny YouTube na ny tranonkalan'ilay tetikasa.

Araka ny tenin'i Bruna Monteiro sy Nathália Dielú, mpanatontosa sy mpamokatra ilay horonantsary :

Sobre nós, muito mudou depois do Pinheirinho. Crescemos tanto depois de ouvir os pinheirenses, depois de sentí-los. Hoje, olhamos para o lado com muito mais força, muito mais vontade de transformar. Olhamos também para as nossas lutas pessoais de um jeito diferente, mais maduro. As casas do Pinheirinho foram destruídas. Os sonhos dos Pinheirenses, não. E para que haveríamos de nos emudecer, se os sonhos, tão grandes, transformam a vida, o mundo? Nós, Bruna Monteiro e Nathália e Dielú, escrevemos cada um dos textos que vocês acabaram de ler. Nós, fizemos as entrevistas nos abrigos, na associação. Nós seguimos nessa direção pelo simples e enorme desejo de fazê-lo nos acompanhar. Não só no Pinheirinho de São José dos Campos, mas nos tantos que estão muito perto dos nossos olhos. Nós só conseguimos porque pessoas especiais nos ajudaram nessa missão. Esse site é resultado de um sonho, o de inspirar pessoas, o de lembrar o Pinheirinho como um episódio triste, que não pode ser abandonado. Nem por você, nem por nós.

Betsaka ny zavatra niova taorian'i Pinheirinho, mikasika anay. Nitombo nalaky be izahay taorian'ny nihainoanay ireo Pinheirenses, taorian'ny nahatsapanay azy. Ankehitriny, mijery ny manodidina anay amin-kery izahay, amin'ny finiavana misimisy kokoa hanova zavatra. Mijery ny tolonay manokana amin'ny fomba fijery hafa, matotra kokoa ihany koa izahay. Rava ireo trano tao Pinheirinho. Tsy toy izany ny nofinofin'ireo Pinheirenses. Ary ahoana moa izahay no hampangiana ny tenanay raha toa manova fiainana ireo nofinofy goavana, manova ny tontolo? Izahay, Bruna Monteiro sy Nathália Dielú, dia samy nanoratra ireo lahatsoratra izay vao avy novakianao teo. Tsy nanao tafatafa tany anatin'ireny trano fialofana ireny izahay, na tany aminà fikambanana. Izany zotra izany no arahanay dia noho ny faniriana tsotra sy mitambesatra te-hanatanteraka azy manjohy anay. Tsy ao Pinheirinho any São José dos Campos irery ihany, fa any amin'ny hafa maro izay akaiky sy tratry ny masonay. Nahomby fotsiny izao izahay satria misy ireo olona tena miavaka nanampy anay  tamin'ity iraka iray ity. Teraka avy amin'ny nofinofy ity tranonkala ity, iray izay hanaitra ny fanahin'ny olona, hahatsiahy an'i Pinheirinho ho toy ny ampahan-tantara ratsy tsy azo avela fotsiny amin'izao. Tsy ho ianao, na ho izahay

Topazo maso ny lahatsary fampahafantarana azy eto ambany:

Jereo koa ny fandrakofana manokana an'ilay fandroahana, tatitra nataon'ny Global Voices, amin'ny teny Anglisy: 

22 Jan, 2012 – Brazil: Occupation dwellers surprised by violent illegal eviction
25 Jan, 2012 – Brazil: “Massacre of Pinheirinho” Causes an Uproar
27 Jan, 2012 – Brazil: Military Police Asks “Understanding” on Pinheirinho Eviction by E-mail
27 Jan, 2012 – Brazil: A View from Aboard on Pinheirinho Eviction
03 Feb, 2012 – Brazil: Pinheirinho Videos ‘Cover-Up’ Leads Activist to Hunger Strike
10 Feb, 2012 – Brazil: “We Are All Pinheirinho” Spreads Around the World
22 Feb, 2012 – Brazil: “Massacre of Pinheirinho”, One Month Later
22 Feb, 2012 – Brazil: Global Act “We Are All Pinheirinho”
19 Mar, 2012 – Brazil: Should Pinheirinho Eviction go to the International Criminal Court?
25 Jan, 2013 – Brazil: Families Evicted from Pinheirinho Still Without a Proper Home
28 Jan, 2013 – Brazil: “Massacre of Pinheirinho”, One Year Later

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.