- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Mivantana Avy Any Amin'ny Fihaonan'ireo Arabo Bilaogera #AB14

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Face

Ao anatin'ity famoahana manokan'ny GV Face ity, ireo bekotro maroholatry ny GV sy ny mpiara-miasa aminy dia hiaraka aminay ao Amman, Jordana, izay eo ho eo amin'ny bilaogera 80 sy mpikatroka mafàna fo avy amin'ny tontolo arabo no tonga niaraka tamin'ity herinandro ity hanatrika ny Fihaonambe Fahaefatry ny Arabo Bilaogera. Taorian'ny fiofanana nandritry ny andro efatra ary fifanakalozan-dresaka teo amin'ireo bilaogera, mpikatroka mafàna fo, mpiangaly mozika, mpiangaly gadona ‘rap'n mpampianatra ary ireo avy eny amin'ny anjerimanontolo manerana ny faritra, betsaka ny zavatra ho resahana. 

Hisham Almiraat talen'ny GVers Advox, Amira Al Hussaini tonian-dahatsoratry ho an'ny faritra GV MENA , Mohammed Najem tale lefitra ao amin'ny SMEX ary Dalia Othman, mpiara-miasa ao amin'ny Berkman Fellow no mizara amintsika ny fahitan'izy ireo avy amin'ity hetsika miavaka loatra ity. 

Fantatro mismisy kokoa ny mikasika ilay fihaonambe ary vakio ireo lahatsoratra am-bilaogy tamin'ny herinandro (amin'ny fiteny Anglisy sy Arabo) ao amin'ny tranonkalan'ny  #AB14 [1]https://ab14.globalvoicesonline.org/ [2]