- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fenitra Any Tibet Sy Ny Faritr'i Uyghur Ny Fahatapahan'ny Aterineto

Sokajy: Shina, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Student-led protest in Chabcha county, Tibetan Autonomous Prefecture. Photo by Students for a Free Tibet via Flickr (CC BY 2.0) [1]

Fihetsiketsehana tarihin'ireo mpianatra ao fari-piadidian'i Chabcha, Prefektiora mizakatena ao Tibet. Sary nalain'ny “Students for a Free Tibet – Mpianatra mitaky Tibet Malalaka, tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

… Arakaraka ny nanatonanay ny Fari-piadidian'i Aba, niova ny toe-javatra. Nitsahatra ny fandraisako hafatra avy ao amin'ny WeChat sy ny QQ, ireo fitaovam-pifandraisana be mpampiasa indrindra ao Shina… Raha nanandrana nisintona mailaka aho, dia hadisoana no nipoitra: “Tsy azo amarinina ny fahamarinan'ny rakitry ny tambajotranà finday: tsy fahombiazan'ny fanamarinana ny PDP”. Mbola mahazo tambajotra  kely ihany aho – teo ilay 3G kely sy ny zavatra rehetra. Kanefa toa tsy nahitàna rakitra akory tao anatin'ilay famantarana.

Matetika ny tantaran'ny sivana ao Shina no mifantoka amin'ny fanaraha-maso sy ny fanivanana mediam-bahoaka, ny fomba fanao izay manitsakitsana ny zo halalaka maneho hevitra ary ny fiainana manokan'ireo rehetra mpampiasa azy ao amin'ny tanibe Shina. Kanefa haizina bebe koa no atrehan'ireo miaina any amin'ny toerana lavitra, ireo faritra misy foko vitsy an'isa miady amin'ny fiainana raha vao ny fampiasàna aterineto no resahana.

Lasa zavatra mateti-pitranga ny faharetan'ny fikatsoan'ny tambajotra ao Uyghur sy any amin'ireo faritra Tibetana vitsy an'isa any Andrefan'i Shina, araka ny fitanisàn'i Christopher Beam tao amin'ny lahatsoratry ny New Republic [2] voalaza etsy ambony. Mino ny fanjakana Shinoa fa ireo hery vahiny, toy ny Governemanta Tibetan any an-tsesintany [3] sy ny Kaongresin'ny Uyghur Erantany [4] dia tafiditra ao anatin'ny fikarakaràna hetsika fitakiana fisintahana ao Shina. Mba ho fikatsahana ny hifehezana ireo korontana sy tsy hafaliana any amin'ireo faritra misy fifandirana dia nanery ny fanakatonana ny aterineto ny fanjakana, manakana ny olona tsy hianoka ny zony hifanerasera ety amin'ny aterineto. Aminà tranga somary henjana kokoa dia tonga hatramin'ny fikatonan'ny tambajotranà finday ao an-toerana ny fanakatsoana.

Tany amin'ireo Prefektiora Mizaka tena ao Tibet no nanomboka ity karazana “sazy  ara-politika [5] ity, niaraka tamin'ny korontana politika tao Lhasa tamin'ny taona 2008. Nikatona tamin'ny volana Martsa 2008 ny aterineto, ary niverina kely fotsiny ny volana Desambra 2008, ka tapaka indray afaka volana vitsivitsy taty aoriana rehefa nitranga voalohany ny hetsi-panoherana tamin'ny alalan'ny fandoroana tena. [6]Tsy marin-toerana intsony mihitsy ny fidirana aterineto tamin'io faritra io nanomboka teo.

Araka ny filazan'ny bilaogin'i Woeser, Tibetana mpanoratra sady mpanohitra [7], dia tapaka tsy nifandray tamin'ny Aterineto erantany ny fahazoana aterineto sy ny SMS amin'ny finday ho an'ireo tanàna maherin'ny 18 avy ao Garze, Prefektira Mizakatena ao Tibet,  nandritry ny telo volana farafahakeliny nanomboka ny Febroary 2009. Toerana maro tao amin'ny Prefektioran'i Aba, izay Tibetana no betsaka ao aminy, no niaritra ny mafy mitovy amin'izany. Lasa fenitra ankehitriny ny fahatapatapahan'ny fahazoana aterineto any amin'ny toerana misy fifandirana izay matetika ahitàna hetsi-panoherana amin'ny alàlan'ny fandoroana tena sy fanehoan-kevitra manohitra ny governemanta. Vao haingana no nisy fanakatonana tambajotra tao amin'ny fari-piadidian'i Dirut [8], taorian'ny hetsi-panoherana ny politika iray mitaky ny tsy maintsy ametahan'ireo Tibetana amin'ny tanàna iray ao an-toerana hametraka ny sainam-pirenena Shinoa teny ambony tafon-tranony.

Natrika fanamby mitovy amin'izany ny faritr'i Xinjiang, izay vondrona Silamo Uyghur vitsy an'isa no tena monina ao. Tao anatin'ieo hetsi-panoheran tamin'ny taona 2009 no niatrehan'ny mponina ny fikatonana lavarenin'ny aterineto naharitra efa ho taona iray ary tonga hatramin'ny tsy fahafahana miantso an-taroby nandritry herinandro izany arakaraka ny tsy fandriam-pahalemana. Hatramin'io no nahatapatapaka kely eny ny tambajotra nandritry ny vanim-potoana saropady ara-politika. Ny volana Martsa 2013, nipoaka ny hetsi-bahoaka rehefa matinny tsindrona antsy nataonà Shinoa iray avy any Han tao amin'ny fari-piadidian'i Piqan, prefektioran'i Turpann ny zazalahy Uyghur iray fito taona, nitondra nakany amin'ny fampikatsoana ny aterineto nandritry ny telo andro. Nikatona vonjimaika [9]indray ny aterineto tao Urumqi [9]ny faraparan'ny volana Jona mba hanakànana  ny fielezan'ny tsaho nifandray tamin'ny fandravàna an-terisetra tao amin'ny fari-piadidian'i Piqan — olona miisa 27 no namoy ny ainy [10] [zh] tamin'ny fifanandrinana feno herisetra teo amin'ny mpanao fihetsikesehana sy ireo polisy nanodidina ireo fandravàna.

Nanitsakitsaka ny zon'ny olom-pirenena hifanerasera sy haneho hevitra ireny fanakatsoana isankarazany ireny ary nanakana azy ireo tsy hahazo torohay, tolotra sy tinady tamin'ny alalan'ny aterineto.  Nanome ampihimamba amin'ny torohay ho an'ny manampahefana tao an-toerana ihany koa izy ireny — ny fifehezana ny vaovao sy ny fanadihadiana ireo korontana isam-paritra ireo ankehitriny dia mipetraka mazava eo am-pela-tànanan'ny governemanta.

Ny hetsi-panoherana ny fandravàna tao aminny fari-piadidian'i Piqan notanisaina etsy ambony ohatra dia nosokajian'ny fampahalalam-baovaom-panjakana ho toy ny “fanafihana miharo fampihorohoroana” [11]. Rehefa nanandrana ny hitatitra momba ilay raharaha ny vondrom-piarahamonina Uyghur, tamin'ny fanaparitahana hevitra hafa momba ilay tantara [10] tamin'ny alalan'ny Sina Weibo, dia niely hatrany amin'ny fari-piadidian'i Piqan ka hatrany Urumqi, tanàn-dehibe ngeza indrindra ao Xinjiang, ny fampikatsoana ny aterineto. Niatrika raharaha mitovitovy amin'izany ireo olon-tsotra mpanao gazety tao amin'ny fari-piadidian'i Bachu tamin'ny volana lasa, rehefa samy nalaky tamin'ny fanondroana ireo korontana ho toy ny fanafihana miharo fampihorohoroana ny manampahefana tao an-toerana sy ny haino amn-jerim-panjakana, ka nentina nanamarina ny fanagiazana ny vaovao.  Maro tamin'ireo Sinoa Han no nanaraka ny fanambarana tamin'ny fomba ofisialy ny fanazavana ny korontana tao Xinjiang ka nanakiana mihitsy ireo vondron'olona aza hoe tsy nahay nankasitraka ireo politikam-panavahana ny resaka foko, toy ny tsy fanerena hanaraka ny politikan'ny Zaza Tokana [12]na ny didy manakana tsy hiterahana afa-tsy zanaka tokana ihany. Satria ireo Shinoa Han no tena mameno ny tontolon'ny aterinetom-bahoaka, dia nandeha lavidavitra kokoa tamin'ny fanaovana anjorom-bàla ny vondrom-piarahamonina any amin'ireo faritra tsy mandry fahalemana ny fanehoan-kevitry ny fampahalalam-baovaom-panjakana mahazatra.

Tsy nijanona tany amin'ireo faritra nisy fifandirana ara-poko ihany ny fikatsoan'ny Aterineto. Ny volana Jona 2009, dia nakatso nandritry ny andro vitsy ny Aterineto  [13] tao Hubei tanàn-dehiben'ny faritanin'i Shishou [13] taorian'ireo korontana nateraky ny filazana ho famonoana tovovavy iray miasa tao aminà trano fandraisam-bahiny tao an-toerana. Kanefa i Shishou dia mifandray amin'ireo tanàn-dehibe hafa — niely nanerana ny mediam-bahoaka Shinoa ny vaovao momba ny zava-nitranga sy ny fampikatsoana ary nadika [14] tamin'ny fiteny Anglisy mihitsy aza ho an'ny mpamaky manerana izao tontolo izao. Rehefa tena dinihana anefa dia tsy nampikatso ny tanàna ilay fampikatsoana aterineto raha nety ho any Xinjiang na Tibet.

Maro no nametra-panontaniana ny amin'ny lanjan'ity fifehezana “henjana” ny ara-tsosialy ity tao anatin'ny Antoko Kaominista Shinoa. Nisy fomba firesaka malefadefaka kokoa nampiasaina tany amin'ny firenena maro ary hita fa nahomby, saingy tsy nampiharina izy ireny tany amin'ny sisiny Andrefana izay efa lasa tandra vadin-koditra ny korontana. Niaraka tamin'ny fametrahan'ny manampahefam-panjakana nilaza fa mety hisy hifandraisany amin'ny fikambanana mpampihorohoro ireo vondrom-piaraha-monina vitsy an'isa, nohamarinan-dry zareo ireo paika mafimafy kokoa teny ankianja fa hoe zava-doza ho an'ny fiarovam-pirenena ireny vondrona ireny.

Hatramin'izao, dia natao ho anà faritra ireo fikatsoan'ny Aterineto ireo ary nikendry toerana voafaritra manokana tsy mandry fahalemana, ankoatry ny iray ihany — nandritry ny ora iray ihany tamin'ny volana Avrily 2012 no tsy nahafahan'ireo mpampiasa aterineto tao amin'ny tanibe Shina  nitsidika tranokala tany ivelany ary tsy nahazo niditra tamin'ny tambajotra Shinoa ny IPs vahiny. Maro no nieritreritra fa ny fananvaozana natao tamin'ny “Chinese Great Firewall” no anton'ny fahatapahana. Mampiseho ity tranga ity fa hain'ny fanjakana Shinoa tsara ny manapaka ny tambajotra ao an-toerana raha / rehefa ilaina.

Maro dia maro tokoa ny firenena nanomboka nirona amin'ny fanakatsoana ny Aterineto rehefa miatrika hetsi-bahoaka. Nandritry ny Lohataona Arabo, na ny fitondrana Mubarak tao Ejipta, na ny fitondrana Assad tao Syria dia samy nanapaka ny Aterineto avokoa mba ho ezaka hifehezana ireo hetsi-panoherana. Nisy tsy fahazoana aterineto nanerana ny firenena hita tao Sodana taorian'ny nipoahan'ny hetsi-panoherana tao Avaratr'i Khartoum ny volana Septambra 2013. Saingy rehefa naharitra andro vitsivitsy ny fikatsoana teo amin'ny sasan-tsasany tamin'ireny tranga ireny, dia nahazo lesona isan-karazany ireo faritra vitsy an'isa tany Shina. Mampitombo ny fanaovana an-jorom-bàla ireo olom-pirenena vitsy an'isa ny fanakatsoana maharitra ny aterineto. Tapaka tanteraka ara-bakiteny tsy afaka mifandray amin'ny ambiny eo amin'ny firenena ireny vondrom-piarahamonina ireny ary tavela eny amin'ny sisiny tsy tokony hisy azy ao anatin'izay toa fivakisana dizitaly tsy mitsaha-mitombo.