20 Taonan'ny Fananganana Indray Taorian'ny Vanim-Potoana Sovietika : Tranomboky any Kazakhstan

An opening ceremony for an online center supported by the Pushkin Library.

Lanonam-panokafana ivon-toerana an-tserasera tohanan'ny Tranomboky Pushkin.

Rehefa nisamatsamaka tamin'ny fomba ofisialy ny Firaisana Sovietika tamin'ny 1991, tafiditra ho vokatr'izany toe-javatra izany ny fahaleovantena ary eo ihany koa ny fitotonganana “mahatsiravina” eo amin'ny fari-piainana tany amin'ny firenena taorian'ny vanim-potoana sovietika, izay nanjavonan'ny fitatazan'ny kidoro malemilemy amin'ny toe-karena.

Ny Tranomboky Pushkin dia miorina any Kazakhstan. Rehefa rava i URSS dia maro ny tranomboky nikatona, ary 30% sisa no niverina niasa amin'izao fotoana izao, hoy ilay mpitana tranomboky Zarina Karimova.

Computer literacy courses in a yurt, for expatriates from China

Computer literacy courses in a yurt, for expatriates from China

Niresaka momba ny toerana misy ny tranomboky any Kazakhstan tamin'i Karimova sy ny talen'ny Tranomboky Pushkin Bibigul Zhambylovna aho, sy ny anjara andraikitr'izy ireo amin'ny maha-tetikasa fitaratra azy ireo, mijery ny vita sy tsy vitan'ny fandaharan-dry zareo amin'ny toe-draharaha manokana.

Vao haingana izay ny tranomboky no nahazo loka vatsy avy amin'ny fikambanana isan-karazany, indrindra fa eo amin'ny fahaiza-mamaky teny amin'ny solosaina. Tamin'izany fanampiana izany ry zareo no nahavita nanatsara ny fidirana amin'ny aterineto ao amin'ny fiaraha-monina misy an-dry zareo, fanazarana fototra amiin'ny solosaina, sy ny e-fianarana mbamin'ny fianarana mifototra amin'ny Skype. Vaao haingana izay ny UNDP (PNUD) no nanampy azy ireo hividy fitaovana sasantsasany hahatonga ny tanàna ambanivohitra ho tafiditra an-tserasera, mifantoka amin'ny fanatsarana ny fandraharahana. Nahatonga fametrahana ivon-toerana an-tserasera 32 tao amin'ny faritra izany ary nanafaingana kokoa ny fihisatry ny aterineto.

A map of Kazakhstan, with China to the North and Russia to the East. From Wikimedia commons CC BY 3.0

Sarintanin'i Kazakhstan, ahitana an'i Shina eo atsinanana sy Rosia eo avaratra. Avy amin'ny Wikimedia commons CC BY 3.0

Mihamazava ny zava-dehibe rehefa mahafantatra ny jeografia ara-paritry ny mponina – sy ny hakitroky ny mponina ambany dia ambany ao aminy. Amin'ny fananany mponina 17 tapitrisa (tombana 2013), Kazakhstan no laharana faha-62 be mponina indrindra manerantany, na dia miaty latsaky ny olona 6 isaky ny kilometatra toradroa aza ny hakitroky ny mponina. Midika izany fa sarotra dia sarotra indrindra ny hahazoana serasera ary ambany ny famantarana aterineto, ary vokatr'izany, ambany dia ambany ny fahaizana solosaina. 

Noho ny fahafantarana izany ao an-tsaina, dia nanomana fandaharana manokana ho an'ny mpianatra ihany koa ny tranomboky, ka anatin'izany ny fanazarana ny TIC, atrikasa momba ny fakantsaripika nomerika sy ny fanaovan-gazety, fianarana teny anglisy, ary ny maro hafa – ao anatin'ny Programam-panavaozana ny Tranombokim-Panjakana tontosain'ny EiFL, ONG miasa miaraka amin'ny tranomboky any amin'ny firenena andalam-pandrosoana.

Ny Tranomboky Pushkin dia miasa miaraka amin'ny Libraries Without Borders [tranomboky tsy voasakan-tsisintany] hanangana programa ho an'ny sembana. Manantena izy ireo hampiditra ny sembana ao amin'ny fikambanana (fiaraha-monina) ao an-toerana.

English media lessons by Skype at the Pushkin library.

Fianarana anglisy amin'ny alalan'ny Skype ao amin'ny tranomboky Pushkin.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.