- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ratsy Vintana Ny Mariazin'ilay Rosiana Biraokraty Miliaridera

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Estonia, Rosia, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Akon'ny RuNet
Alexey Navalny and his amazing netizen deductions. Images mixed by Kevin Rothrock.

Alexey Navalny sy ny fombafiheviny amin'ny maha-mpiserasera azy mahatalanjona. Navalny nosoritana hitovy tahaka an'i Sherlock Holmes, eo ankavia, sy i Maxim Liksutov, eo ankavanana. Sary nafangaron'i Kevin Rothrock.

Nahatonga adihevitra indray tamin'ny alalan'ny asany an-tserasera [1] [ru], randra-tarihan-teny hamelezany an'i Maxim Liksutov [2] [ru], izay mpanapitrisa lehiben'ny departemantan'ny fitaterana sy ny fifamoivozana ao Moskoa, ilay bilaogera mpitari-dalana amin'ny fanoherana ny kolikoly ao Rosia antsoina hoe Alexey Navalny. Navoakan'i Navalny ny fandraketana manondro ny fivarotan'i Liksutovs ho an'ny vadiny ny taratasim-mpampiasambolany hialany amin'ny fandrarana federaly manohitra ny fananana petrabola any ivelany. Nilaza ihany koa Navalny fa ny renivola sasantsasany an'i Liksutovs, tahaka ny Transgroup Invest AS [3], dia avy amin'ny orinasa manana tombontsoa eo amin'ny resaka fitaterana, izay miteraka adin-tombotsoa. Nandà ny filazana ho nanitsakitsaka ny lalàna i Liksutov, ary navoitrany fa efa nisaraka izy sy ny vadiny tamin'ny 26 Jiona 2013, filazana izay nohamafisin'ny biraon'ny Ben'ny Tanànan'i Moskoa amin'izao fotoana izao.

Namaly [ [4]ru] am-pihantsiana ireo fiampangan'i Navalny an'i Liksutov i Maxim Katz, olona to-tenin'ny fitaterana sady miasa fakan-kevitry ny tanànan'i Moskoa matetika. Ny mahavariana dia talen'ny fampielezan-kevitr'i Nalvany tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna tamin'ny fotoanan'ny mhintsan-dravina farany teo i Katz, izay nahazoan'ity lehilahy ity traikefa ho azy mirahalahy. Tamin'ny lahatsoratry ny LiveJournal nivoaka tamin'ny 16 Janoary 2014, nitsipaka izay rehetra fanoavany an'i  Liksutov i Katz, saingy nilaza koa izy fa mbola tsy resy lahatra amin'ireo nambaran'i Navalny. Tamin'ny fisisihany nilazany fa “fahadalana” ilay lalàna resahana, dia notsipahan'i Katz ny fisian'ireo fikafika maro isan-karazany mombamomba ireo taratasim-pampiasambolan'i Liksutovs .

Alexandre Vinokourov, mpandraharaha Rosiana hafa manankarembe sy tompon'ireo fampahalalam-baovao liberaly tahaka ny TV Rain, Slon.ru, ary ny gazetiboky Bolchoï Gorod, namerina ity fihetseham-po ity tao amin'ny ​​Twitter:

Tsoriko fa tsy hitako ny fahadisoana raha manana kaonty, petra-bola na trano any ivelany ireo biraokratintsika ireo. Ny olan'i Liksutov dia miaraka amin'ny adin-tombotsoa ihany. Ary misy olana koa ao amin'ny Douma, izay manaiky ireo lalàna ireo ka manery ny olona hisara-panambadiana.

Eo amin'ny resaka adin-tombotsoa (izay avoitran'i Navalny ihany koa, amin'izao fotoana izao, manoloana ny filazana fa misy fisaraha-panambadiana), dia niaiky i Katz fa vala mankany amin'ny fanesorana an'i Liksutov izany kolikoly izany, saingy nilaza kosa ny fitanana an-tsoratra fa tsy nanome vahana ny orinasany ho azy samirery hahazo fifampiraharahana mampiahiahy i Liksutov. Marina fa efa nametraka tolo-barotra [7] [ru] iray tamin'ny sombin-drenivolany i Liksutov, ny Transmashholding, hamokarana fiarandalamby an-tanàna (tramway) hoan'ny tanànan'i Moskoa tamin'ny volana Desambra 2012 saingy lasan'ny mpanana renivola hafa izany.

Raha tompon'andraikitra tokoa tamin'ny famoahana am-baovao an'i Liksutov (izay mety hamarana ny ny fitarihany ny departemantan'ny fitaterana atsy ho atsy) tamin'ity herinandro ity i Navalny sy ny kaontiny LiveJournal, dia efa nikotrika tao anatin'ny volana vitsivitsy kosa ny olan'ilay miliaridera. Notondroin'ny mpanao gazety ho ny vehivavy manankarena indrindra ao Estonia, [8] iorenan'ny Transgroup Invest AS, ny vadin'i Liksutov, Tatiana, tamin'ny faran'ny volana Septambra 2013. Niteraka fitodihana tany amin'ny famindram-pananan'amin'ireo mpivady ireo ny toe-draharaha, raha mbola tsy nisy nilaza fa efa nisara-panambadiana izy roa. Ny zavanisy, tamin'ny 30 Septambra 2013, dia nahatsikaritra tamin'ny lahatsoratra Facebook [9] [ru] ny mpanadihady ara-politika rosiana Alexander Pozhalov fa ny fanambaràna nataon'ny Estoniana no nanosika ny mpanao gazety Rosiana hamakafaka fandrao nandika lalàna i Liksutov.

Hatramin'ity herinandro ity, tafiditra ao anatin'ny radara ny momba an'i Liksutov. Saingy fantatry ny tsirairay ao Rosia, fa izay trangan-kolikoly ataon'ny olona ambony amin'ny fanjakana tsy taterin'ny fampahalalam-baovao, dia efa vonona i Alexey Navalny hitatitra izany.