Novambra 2010. Nanapa-kevitra ny hivoaka isan'andro sy haka sary ireo olon-tsy fantatra eny an-dàlam-ben'i New York ny lehilahy iray antsoina hoe Brandon Stanton. Ny hahafantatra azy ireny, hametra-panontaniana vitsivitsy amin'izy ireny ary ny hizara amin'ny aterineto izay tantarainy no tiany hatao. Telo taona aty aoriana, tonga zava-dehibe iray amin'ny aterineto ny saripika amin'ny bilaogy ” Humans of New York” (Ireo Olon'i New York ). Miaraka amin'ireo mpikirakira Facebook maherin'ny 2 tapitrisa, dia nisongadina ho azy ho toy ny tranga mahaliana tokony harahina izany.
Fa tsy nijanona tao New York fotsiny ny hetsika “Olon'ny”. Nalaza sy nandrakotra ny planetanintsika isan-tanàna hatrany India ka hatrany Amerika Latina nandalo an'i Eoropa sy Aostralia. Tsy navahana tamin'izany ny faritra misy anay, ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.
Ity manaraka ity ny jery ankapobeny ny pejin'ny ” Olon'ny” ao amin'ny faritra misy anay.
Ireo Olon'i Kairo
Natombok'i Salma Hegab, mpitoraka bilaogy sy mpanao gazety sy mpikirakira “multimédia”, 22 taona, nivoaka tao amin'ny Oniversite Amerikana ao Kairo ny Humans of Cairo ( Olon'i Kairo). Voaforona tamin'ny Novambra 2012 ary efa miisa 3.500 mahery izao ny mpanao “tiako”, ny hanehoana ny maha-samy hafa ny mponina ao Kairo no tanjony. Izao ny nambarany momba izany :
“Inoako fa tanàna velona i Kairo. Na dia tsy tiako loatra aza ny mipetraka ao, heveriko fa ny fanombohana tetikasa iray tahaka izao no hanampy ahy hisaina ny momba ny tanàna amin'ny alàlan'ny masoko, ary hanome vintana ny tanàna mba hivoaka av amin'ny fakantsariko ! Ny nampiasako fakantsary natao ho an'ny matihanina nandritra ny roa taona tsy mandà ny hoe mbola MARO no tsy maintsy HIANARAKO, ary mino aho fa vintana lehibe ho ahy hampivoatra ny fahaizako maka sary izany.”
Azonao jerena eto ny resadresaka nifanaovany tamin'i Ta3beer.
Noforoninà mpaka sary tsy fantatra anarana ( hatramin'izao) tamin'ny 2012 ny Olon'i Ejipta. Tsy misy zavatra betsaka voalaza ary efa am-bolana maro izany no tsy nisy fanavaozana. Nefa mendrika ho topaza-maso izany. Tahaka ny tany Ejypta ihany ny “Olon'i Mansoura“.
Ireo Olon'i Teheran
Nanomboka tamin'ny 9 May 2012 ary efa misy mpanaraka maherin'ny 100.000 amin'izao fotoana izao ny Olon'i Tehran, ka mahatonga azy ho pejin'ny “Olon'i ” malaza be indrindra ao amin'ny faritr'i MENA. Izao no nolazain'ny mpanapika sary momba izany :
“Tsy lavitra araka ny hieritreretanareo azy akory i Teheran. Ningain'ny “Olon'i New York”, ity pejy ity dia maneho ho hita maso ny fiainana an-davan'andron'ny Iraniana ao amin'ny renivohiny feno vovoka, harafesina maha-te-ho tia .”
Avy ao Iran ihany koa ny “Olon'i Esfahan“, “Olon'iTabriz“, “Olon'i Shiraz“, “Olon'i Ahvaz” ary “Olon'i Kermanshah“
Olon'i Istanbul
Noforonina tamin'ny 2012 tamin'ny alàlan'ny fifaninànana sary tany Istambul ny Olon'i Istanbul. Ankehitriny maherin'ny 2.200 ny mpanaraka izany. Izao no nolazain'i Shawn Ryan, ilay mpamorona azy, momba ny tetikasany :
“Hanapika sary ny maha-olona any Istambul, tanàn-dehibe feno olona avy amin'izao tontolo izao, sady manan-karena kolontsaina, fomba nentim-paharazana, tantara, fiteny, fandraisana olona. Maka ny sarin'ireo olona mahafinaritra ato amin'ity tanàna mahafinaritra ity no tetikasa, ary ny sary tsirairay dia mitantara tantaran'olona iray.”
Avy ao Tiorkia ihany koa ny “Olon'i Ankara“, “Olon'i Izmir” ary “Olon'i Antalya“
Olon'i Tel Aviv
Afaka mirehareha noho ny amin'ireo mpankafy azy maherin'ny 20.000 ny Olon'i Tel Aviv. Pejy noforonin'i Erez Kaganovitz tamin'ny 7 Aprily 2012 ary mampifaly ireo vondronà mpankafy mahatoky. Nahoana no misy izy io ? izao no navalin'i Kaganovitz izany : “Isan'ny toerana mahaliana indrindra eto an-tany i Tel Aviv. Tongava ary mifaneraserà amin'ireo olona izay mahatonga azy ho mahaliana.”
Olon'i Palestina
Niorina tamin'ny 2012 niaraka tamin'ity fanasàna ity : ‘ Tongava ary mifaneraserà amin'ireo olona izay mahatonga an'i Palestina ho mahaliana fatratra’ ny Olon'i Palestina. Miresaha, miaraha miaina amin-dry zareo.” Avy ao Palestina ihany koa ny “Olon'i Nablus“.
Olon'i Jeddah
Mbola vao haingana ny Olon'i Jeddah – Arabia Saodita. Vao iray volana izay, vokatry ny fiaraha-miasan'ny mpaka sary roa, i Helmy Alsagaff sy i Sharifa Lee Abdulrahman, izay ” te hizara amin'izao tontolo izao ireo karazan'olona maro samy hafa mahafinaritra ao an-tanàna.”
Avy ao Arabia Saodita ihany koa ny “Olon'i Riyadh”.
Olon'i Libanona
Nanomboka tamin'ny fiaraha-miasanay sy i Mher Krikorian, mpaka sary Libane-Armeniana izay nalaza noho ny fandraisany anjara tamin'ny Beirut Street Photographers (BSP ; Mpaka Sary teny an-dàlam-ben'i Beyrouth) ny Olon'i Libanona. Tato aoriana dia nanatevina ny laharanay i Karim Sakr, mpikambana ao amin'ny BSP ihany koa. Toy ny pejy “Olon'i” rehetra, ny tanjon'ny Olon'i Libanona dia ny ” hankalazana ny fahasamihafana ao Libanona amin'ny alàlan'ny fanehoana ny mponina ao aminy.”
Jereo ny pejin'ny “Olon'i LAU” nataon'i Noura Andrea Nassar raha te-hahalala bebe kokoa momba ireo mpianatra any Libanona ianao. Noura, mpianatra ao amin'ny Oniversite Amerikana Libane izay tafahaona tamin'i Brandon Stanton tany New York raha ny marina no manan-ko lazaina momba ny tetikasany :
“Mankasitraka mandrakariva ny Olon'i New York aho. Mampianatra anao tsy hitsara olona satria samy manana ny fanaovany zavatra ny tsirairay. Naniry hatrany ny ho mpikambana ao amin'ny Olon'i Libanona aho saingy tsy mahay miteny arabo tsara ary sarotra ho ahy ny mifanerasera. Avy eo nifanena tamin'i Brandon tany New York aho, ary nisy vokany tamiko izany : naniry hamorona pejy tahaka izao aho fa saingy kelikely kokoa, izany no nahatonga ahy namorona ny pejin'ny Olon'i LAU. Olona hitanao isan'andro ireo, saingy tsy mbola niresahanao mihitsy ary dia mirona amin'ny fitsarana azy ianao.”
Misolo tena ny Olon'i Tripoli sy Olon'i Beirut ihany koa i Libanona.
Olon'i Amman
Herintaona lasa izay no natombok'i Ali Alhasani ny Olon'i Amman. Tetikasanà saripika ” izay mikendry ny haneho ny endriky ny olona manodidina an'i Amman, Jordana fa tsy mijery ny maha-lahy na maha-vavy, ny karazana na ny volon-koditra mba hanaparitahana ny hevitry ny firaisankiana eo amin'ny fiaraha-monina Jordaniana. Noho izany dia nisy mpaka sary hafa nandray anjara tamin'ilay tetikasa .”
Olon'i Kôety
Vao haingana ihany koa no nanampy ny fianakavian'ny “Olon'i” , toy izao ny tantaran'ny Olon'ny tanànan'i Koweït :
” Bryan no anarako, ary tamin'ny ririnina 2013 no nanombohako ny Olon'ny Koety niteraka ny HOK. Ny haneho an-tsary ireo 5.000 mponin'ny tanàna no tanjoko, noho izany dia naka sary an'i Koety araka izay ahitako azy aho. Koa satria miroborobo ny mpankafy dia haneho ny fiainana andavan'andron'ny vahiny any Koety ho an'ny olona maneran-tany ny HOK.”
Olon'i Tunisia
Noforonina volana vitsy lasa izay ” ho an'ireo Olon'i Tonizia izay verin'ny fitadiavana andavan'andro ary tsy manam-potoana hisitrahana izany” ny Olon'i Tonizia.
Avy ao Tonizia ihany koa ny pejin'ny “Olon'i Tunis” noforonin'i Akram Lahouel, Houssem Lamti ary Samar Ouadhani. Efa manana bilaogy ry zareo ‘reo. Fa tsy izay ihany fa azonao jerena ihany koa ny “Olon'i Sfax“.
Olon'i Khartoum
“Fanomezam-boninahitra kely ny mponin'i Khartoum, Sodàna, sary nalaina teny an-‘arabe taminà fotoana iray” ny Olon'i Khartoum.
Olon'i Baghdad
I Nasser Billah AlNasseri, mpitsabo sady mpanao gazety tao amin'ny sampan-draharaha fanaovan-gazety frantsay teo aloha, no namorona ny Olon'i Baghdad. Voatery nandao an'i Baghdad izy rehefa natetika nahazo fandrahonana amin'ny maha-mpanao gazety azy.
Olon'i Syria
Vao andro vitsivitsy izay no niandohan'ny Olon'i Syria. Tsy nitonona anarana ilay mpaka sary fa izao no ambarany momba ilay pejy : “Syria, mba hamoahana ny eritreritra miafina ao am-po izay tsy voalaza amin'ny maso, ary voatanan'ny ranomaso very any ankoatry ny tabataban'ny ady. Mba ho velona indray.”
Olon'i Dubai sy Olon'i Abu Dhabi
Noforoninà mpaka sary Frantsay antsoina hoe Isabelle izay miaina any Dubai nandritra ny 9 taona lasa teo ny Olon'i Dubai.
Avy any UAE ihany koa ny “Olon'i Abu Dhabi“.
Olon'i Tripoli
Noforonina toy ny hoe ” ezaka hamoronana fanisàna sarin'i T-town, izay tsy misy na inona na inona atolotra afa-tsy ny hatsaran'ny tontolo” ny Olon'i Tripoli
Avy ao Libya ihany koa ny “Olon'i Benghazi“.
Olon'i Casablanca
Vao volana vitsy izay no niforonan'ny Olon'i Casablanca. Iza ireo mpaka sary ao ambadik'io tetikasa io ? Araka ny tenin-ndry zareo, ” Izahay dia izay mino fa ny hany làlan-tokana ahitantsika ny marina miafina ao anatintsika dia ny fandehanana manatona ny olona, mampitaha ny lasantsika ary maka lesona avy amin'ny traikefan-dry zareo.”
Olon'i Alger
Voaforona volana vitsivitsy lasa ho toy ny toerana ” ahatsiarovana tantara iray isan'andro ho tantaraina amin'ny vahoakan'i Alger” ny Olon'i Alger