Uruguay Anatin'ny Toerana Andehanana 10 Tsara Indrindra In'Efatra Taona Misesy

Foto publicada por Brennan Paezold en Flickr, bajo licencia Creative Commons (CC BY-SA 2.0)

Saripika navoakan'ny Brennan Paezold ao amin'ny Flickr, nampiasaina noho ny alalana Creative Commons license (CC BY-SA 2.0)

Araka ny famoaham-boky tsara laza Ethical Traveler, dia tafiditra faninefany misesy ho ao anatin'ny toerana andehanana folo tsara fitondratena indrindra manerantany i Uruguay.

Isan-taona ny ekipan'ny Ethical Traveler, aorian'ny fikarohana lalina, no misafidy ny firenena folo tsara tsidihana indrindra any amin'ny tontolo andalam-pandrosoana, mifantina ny toerana tsara talaky maso sy kolontsaina. Ireo firenena ireo ihany koa dia efa nanaporofo ny famitany ny adidiny amin'ny fiarovana sy ny fitehirizana ny harenany ara-boajanahary. Ny fifantenana noho izany dia nokendrena ho fampaherezana sy fankatoavana ny ezak'ireo firenena ireo sy mba handrisihana ny firenena manodidina azy hanaraka ny ezaka ataony.

Ny fizahantany no iray amin'ny vondron'orinasa lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao, saingy mety miteraka fiantraikany ratsy eo amin'ny fiarahamonina mpandray mpizaha tany sy ny tontolo voajanahariny koa izy io, izany no nananganan'ny World Tourism Organization (Fikambanan'ny Fizahantanin'Izao Tontolo izao) ny fitsipiky ny Fepetra Manerantany Ho amin'ny Fizahantany, lisitry ny “tokony sy tsy tokony atao” izay mikendry ny fanatsarana ny fiainana sy fiarovana ny planeta amin'ny alalan'ny fizahantany manana andraikitra.

Maro amin'ireo firenena ireo no nanaiky io fitsipi-pifehezana io amin'ny alalan'ireo tour operators (mpandraharahan'ny fizahantany) ao aminy, ka mitari-dalana ny fahazaran'ny indostrian'ny fizahantany hiantoka ny fahafinaretan'ny mpitsidika, ny fiaraha-monina mpandray vahiny, ny mpiasan'ny fizahantany ary ny tontolo iainana.

Iray amin'ny firenena nampirona ny fizahantaniny ho amin'izany lalana izany i Uruguay ka nahazo fankatoavana (valisoa) faninefany taona misesy izao. Izany no nametraka azy ho ao anatin'ny toerana fitsidika tsara fitondratena folo tsara indrindra eto amin'izao tontolo izao tamin'ny 2011, 2012, 2013 ary 2014.

Izany fanavahana izany dia heverina ko loka noho ny ezaka ataon'ny mpandray anjara ao amin'ny indostrian'ny fizahantany Orogoayana izay naka adidy nanasonia hiditra ao anatin'ny fitsipi-pifehezan'ny Fikambanan'ny Fizahantanin'Izao Tontolo Izao, araka ny nomarihan'ny vavahadin-tranonkalan'ny Viaje a Uruguay [es].

Mandritra izany fotoana izany ny vaovaodia voaray sy navoaka tamin'ny alalan'ny lahatsoratra fohy ao amin'ny tranonkalan'ny  Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Fanatanjahantena [es].

Ny ambin'ny firenena voafidy ho amin'ny taona 2014 dia i Bahamas, Barbados, Cape Verde, Chile, Dominika, Letonia, Lithuania, Maorisy ary Palau.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.