Nisafoaka Noho Ny Fitsidihana An'i Assad-n'i Syria Ireo Mpomba Ny WikiLeaks
Maro ireo mpomba ny WikiLeaks no tsy nanampò raha nihaona tamin'ny filohan'i Syria Bachar al-Assad ireo mpikambana ao amin'ny Antoko Wikileaks tamin'ny volana Desambra.
Ahitàna ny filohan'ny antoko, John Shipton, rain'ny mpanorina ny Antoko, Julian Assange, miaraka amin'ireo solontenan'ny vondron'ny mpandresy lahatra (lobbying) ao Sydney, Hands off Syria (Avoahy ny tanana), ireo solontena vitsy Aostraliana nankany Syria. Nitatitra ilay mpanao gazety Chris Ray, izay tao an'efitra nanaovana ny fivoriana naharitra 45 minitra fa “mitsipaka ny fanohanan'ny miaramila vahiny ireo mpikomy Syriana” ny roa tonta ary mandroso vahaolana ara-politika hamahana ny krizy.”
Avy hatrany ny sehatra Wikileaks dia nihataka tamin'izany fisantaran'andraikitra izany tao amin'ny Twitter.
@WikiLeaksSForum @WikiLeaksParty Peace brokering a good idea, but obvious meeting would be spun without care. Did not know or approve.
— WikiLeaks (@wikileaks) December 31, 2013
Hevitra tsara ny mitady filaminana, saingy natao tsy am-piheverena ny fivoriana an-karihary. Tsy nahafantatra na mankatò.
Nanameloka ny fivoriana ny ankamaroan'ireo antoko politika Aostralianina. Tamin'ny valinteny somary mahavariana, nandrahona hitory ny Praiministra Tony Abbot sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Julie Bishop noho ny fanalàm-baraka i Shipton, noho ny tsikera nataon'izy ireo tao amin'ny gazety nasionaly mikasika ny fitsidihana tany Syria. Notaterin'ny Australian Broadcasting Corporation ho niteny toy izao i Bishop,
It's an extraordinarily reckless thing for an organisation registered as a political party in Australia to try and insert itself in the appalling conflict in Syria for their own political ends.
Fahadisoana andraikitra goavana avy amin'ny fikambanana misoratra anarana ho antoko politika ao Aostralia no miezaka sy misisika anaty ady mampivarahontsana ao Syria noho ny tanjona politikan”izy ireo manokana
Raha vao nivoaka tao amin'ny Aterineto ny vaovao momba ny fivoriana, nazava fa tsy dia nahalala zavatra firy momba ny antoko nitsidika an'i Syria ireo mpomban'ny habaky ny fangaraharana WikiLeaks. Natsangana tamin'ny 2013 ho fanohanana ny filatsahan'i Julian Assange hofidiana tao amin'ny Antenimieran-doholona Aostraliana ny antoko WikiLeaks, na dia misaraka ara-dalàna amin'ny habaka aza. Nandritra ny fifidianana federaly tamin'ny Septambra, nitarika vondrona kandidà hofidiana loholona tao New South Wales i Assange, miaraka amin'ireo mpikambana sasantsany ao amin'ny Antoko Wikileaks mijoro any amin'ny fanjakana hafa. Montsana tanteraka tamin'ny fifidianana i Assange sy ny antokony, nahazo vato latsaky ny 1,0% tamin'ny fifidianana loholona.
Nandritra ny fampielezan-kevitra, miaraka amin'ny endriny mipetaka eo amin'ny ambasady Ekoateriana ao Londra, niharitra fivakisana goavana teo amin'ireo mpikambana ny antoko. Nametra-pialàna ny kandidà iray sy ny mpikambana hafa tao amin'ny antoko hiaraka amin'ireo antoko noho ny filazana fironan-tsafidy mankany amin'ny antokon'ny ankavanana . Habaka ara-teknolojia Aostraliana Delimiter naneho hevitra hoe:
Is the party purely a vehicle for WikiLeaks founder Julian Assange to get elected to the Federal Senate, and thus c? Or is it a legitimate new political movement in Australia, which will achieve legitimacy beyond Assange personally?
Fitaovan'ilay mpanorina ny Wikileaks Julian Assange hahavoafidy azy Antenimieran-doholona federaly fotsiny ve ny antoko? Sa hetsika politika vaovao ara-dalàna ao Aostralia, izay hahatratra ny maha-ara-dalàna azy mihoatra an'i Assange manokana?
Angamba ny fandehanana tany Syria dia fiezahana hanitarana ny mombamomba ny antoko politika. Araka ny nampidirina farany tao amin'ny Wikipedia hoan'ny Antoko Wikileaks :
Shipton subsequently stated that the meeting with al-Assad was “just a matter of good manners”, and that the delegation had also met with members of the Syrian opposition.
Nilaza avy eo i Shipton fa “resaka fahalalam-pomba” fotsiny ny fivoriana niaraka tamin'i Assad, ary nihaona tamin'ireo mpikambana avy ao amin'ny mpanohitra Syriana ihany koa ny delegasionina.
Na dia nilaza aza i John Shipton sy ny Wikipedia fa nihaona tamin'ny mpanohitra Syriana ny delegasiona, dia mbola tsy vonona ny antsipirahan'ny fihaonana. Tsy nilaza izany fihaonana izany tao amin'ny lahatsorany ilay mpanao gazety Chris Ray nanara-dia tany . Tamin'ny famaliana ny sioka voalohany nalefan'ny Wikileaks, nisioka ny Filankevi-pirenen'ny Antoko Wikileaks, Kellie Tranter fa tsy nahafantatra mialoha mikasika ny fivoriana ihany koa izy.
Nitarika fanontaniana maro mikasika ny hoavin'ny antoko izany:
@KellieTranter Does your membership of @wikileaksparty & candidacy for election on their behalf remain solid after Syria trip? @wikileaks
— Richard Crowden (@ScaredyCat44) January 6, 2014
Mbola mijoro tsara ve ny maha-mpikambana anao ao amin'ny antoko Wikileaks sy ny firotsahana hofidiana amin'ny fifidianana amin'ny anaran'ny antoko taorian'ny dia tany Syria?
Mpaneho hevitra malaza ao Afovoany-Atsinanana, Antony Loewenstein, naneho ny fahadisoam-panantenany tamin'ny antoko, izay notohanany:
Wikileaks Party meets Syria's Assad and ignores reality of country: It's the first day of 2014 and… http://t.co/haXOaSTCNN
— Antony Loewenstein (@antloewenstein) January 1, 2014
Nihaona tamin'i Assa-n'i Syria ny Antoko Wikileaks ary tsy mahafantatra ny zava-misy ao amin'ny firenena. Andro voalohan'ny taona 2014 izany ary …
Nahazo fijery mifanohitra marobe ny sioka sy ny rohy niaraka taminy. Nanazava bebe kokoa mikasika ny ahiahiny tao amin'ny bilaoginy i Loewenstein :
As a Wikileaks supporter since 2006, right from the beginning (and I remain a public backer of the organisation), it’s tragic to see the Wikileaks Party in Australia, after a disastrous 2013 election campaign, descend into political grandstanding.
Amin'ny maha-mpanohana ny Wikileaks ahy hatramin'ny 2006, hatramin'ny fiandohany (ary mitoetra ho mpanohana avy amin'ny vahoaka io fikambanana aho), mampalahelo ny mahita ny Antoko Wikileaks ao Aostralia, taorian'ny fampielezan-kevi-pifidianana nandamoka tanteraka tamin'ny 2013, midina any amin'ny adilahy politika.
Lasa iadian-kevitra ny Forum Mpanohana ny Wikileaks. Navitrika dia navitrika tamin'ny fandraisana anjara ilay mpanao gazety Jess Hill. Niha-nafàna ny resaka :
@jessradio A one-sided anti-Assad view = misrepresentation of a complex situation involving many violent factions @wikileaks @WikiLeaksParty
— WikiLeaks_Supp_Forum (@WikiLeaksSForum) December 31, 2013
Fijery tokana manohitra an'i Assad = fanambarana diso mikasika ny toe-java-sarotra mandringotra ireo antoko maherisetra maro
@WikiLeaksSForum @wikileaks @WikiLeaksParty That aside, Assad targets hospitals & schools, tortures/detains en masse. Denying that is absurd
— Jess Hill (@jessradio) December 31, 2013
Ankoatra izany, mikendry ireo hopitaly sy sekoly, mampijaly/managadra ny maro i Assad. Mitsipaka fa fahadalàna izany
Tokony horaisina ho toy ny fampitandremana hoan'ny tontolon'ny twitter ity sioka ity:
@WikiLeaksSForum @wikileaks @WikiLeaksParty If you think you can assess someone's viewpoint from a few tweets, you're simplistic.
— Jess Hill (@jessradio) December 31, 2013
Raha mihevitra ianao fa afaka manombana na mitsara ny fijerin'ny hafa avy amin'ny sioka vitsivitsy, dia badobado ianao.
Fanontaniana marobe no miandry an'i Doubtless, Shipton ary ireo mpikambana hafa ao amin'ny delegasiona rehefa tafaverina aty Aostralia izy ireo.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 3 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...