Tantara tamin'ny 21 Janoary 2014
Mpiadin'ny Toetrandro Ao Pasifika: “Tsy Dobo An-drano izahay, Mbola Mitolona izahay”
Misy fanentanana iray mikatsaka ny hanova ny sarin'ireo mponin'ny Nosy any Pasifika hiala amin'ny hoe traboina tsy mahefa na inona na inona ho lasa mpiady am-pilaminana manohitra ny fiovaovan'ny teotrandro
Nisafoaka Noho Ny Fitsidihana An'i Assad-n'i Syria Ireo Mpomba Ny WikiLeaks

Maro ireo mpomba ny WikiLeaks no tsy nanampò raha nihaona tamin'ny filohan'ny Syriana Bachar al-Assad ireo mpikambana ao amin'ny Antoko Wikileaks tamin'ny fiafaran'ny volana Desambra
Zokiolona Koreana Manao Ankivy Ny McDonald Ary Maka Ny McResolution
Lohateny lehibe tamin'ny gazety tao New York City ireo Koreana Zokiolona noho izy ireo mitoko-zihitra isanandro ao amin'ny McDonald's, manomboka ny maraina be ka mandra-pahamaizin'ny andro - zavatra iray tsy mahagaga ny Koreana Tatsimo intsony
Indoneziana Mpiasa An-trano Milaza Ho Voadaroka, Nomena Sakafo Ambany Foitra, Nodorana Tao Hong Kong
Tranga iray mampivalaketraka miresaka fanararaotana natao taminà mpiasa an-trano iray no niseho masoandro tao Hong Kong tsy ela akory izay. Miasa miaraka mba hamongotra io rafitra fanandevozan'ny andro maoderina io ireo vondronà mpikatroka mafàna fo
Afaka Hiaina Mandra-Pahoviana Ao Amin'i Vkontakte i Pavel Durov, ilay Zuckerberg-n'i Rosia, ?

Androany, namoaka lahatsoratra iray [ru] ilay gazety fanta-poko fanta-pirenena fa mifamatotra amin'i Kremlin, Izvestia, nilazany fa niala tsy ho mpitantana ny Vkontakte i Durov, ary nitondra ny ankamaroan'ireo mpiara-miasa taminy hiasa manodidina ny tetikasa iray hafa
Iray Tapitrisa Yuan Ny Findramana Sipa Hiarahana Amin'ny Taombaovao Shinoa
"Sahirana loatra amin'ny asako aho, manery ahy hanambady i neny, izany no ikasako tsy misorona hanofa sipa ho entina any an-trano."
Uruguay Anatin'ny Toerana Andehanana 10 Tsara Indrindra In'Efatra Taona Misesy
Isan-taona ny Ethical Traveler no misafidy ny firenena andalam-pandrosoana folo tsara fitsidika indrindra. Tsy maintsy manaporofo ny adidiny amin'ny fiarovana sy fitehirizana ny loharanon-karenany ara-boajanahary ao aminy ireo firenena ireo.