Niteraka safotofoto tao amin'ny RuNet tamin'iny faran'ny herinandro iny ilay Britanika mpilalao an-tsehatra, Hugh Laurie (Gregory House, Bertie Wooster), raha naneho hevitra tamim-pitratrevatrevàna momba ny lahatsoratra iray tao amin'ny Guardian [ru] namaritra ny fomba fijerin'i Vladimir Putin ny resaka fifanambadian'olona mitovy taovam-pananahana sy ny lalao Olaimpika. Nibitsika i Laurie (ary naverin'ny olona nobitsihana in-4.000):
I'd boycott Russian goods if I could think of a single thing they made besides the rest of the world depressed.
— Hugh Laurie (@hughlaurie) January 18, 2014
Hanao ankivy ny vokatra Rosiana aho raha toa heveriko fa misy zavatra tokana monja nataon-dry zareo niaraka tamin'ny sisa teto amin'izao tontolo izao mety ho nitontongana be.
Notohizany ny sangy ratsiny taty aoriana kely, taorian'ny nanomezan'ny sasany tamin'ireo mpampiasa Twitter ny vodka ho ohatra amin'ny vokatra fanondran'i Rosia :
Yes, alright, Russian vodka is ok if you need to clean the oven. For drinking, it must henceforth be Polish.
— Hugh Laurie (@hughlaurie) January 18, 2014
Eny, ekena, ‘ok’ ny vodka rosiana raha toa mila manadio lafaoro ianao. Raha hosotroina, aleo lavitra Poloney
Nanalefaka ny fanambaràny i Laurie, ora roambinifolo taorian'izay:
I retract. Instead, I urge good, kind Russians to stand up to the slab-faced goons who deal in this kind of poison.
— Hugh Laurie (@hughlaurie) January 18, 2014
Sintoniko ny teniko. Ho solony, manentana ireo Rosiana tsara sy maha-te-ho tia aho hijoro hiatrika ireo tava navitrana tsy misy saina izay miketrika io karazana poizina io
Vetivety ireo bitsik'i Laurie dia voadika [ru] ho amin'ny teny Rosiana, ary dia nitsiry teny an-tany lonaka — nandrehitra ny hatezeran'ireo tia tanindrazana, nasionalista sy Rosiana hafa izay mety tsy mankasitraka ny kiana avy any ivelany. Ohatra, nibitsika i Ilya Varlamov, ilay malaza amin'ny fitorahana bolongan-tsary :
Этим твиттом хочу официально отправить нахуй Хью Лорри вместе с его мнением о наших товарах и его планах об их бойкоте — Ilya Varlamov (@varlamov) January 18, 2014
Miaraka amin'ity bitsika ity dia te-hiteny amin'ny fomba ofisialy amin'i Hugh Laurie aho hoe ndeha mahazo any ry ilay f*lahy ity, miaraka amin'ny fomba fahitàny ny vokatra avy aty amintsika sy ny vinavinany hanao ankivy azy ireny.
Ilay solombavambahoaka faran'izay mahatsikaiky ao an-tanàna, Ernest Makarenko dia nitefotefoka niteny, nampifangaro an'i Laurie sy ny Dr. House izay anarana fitondrany eny an-tsehatra:
Как смеет этот докторишка Хью Лори оскорблять страну, в которой родились: Пушкин, Суворов, Путин, Гагарин, Невский, Столыпин, Лобачевский?!
— Эрнест Макаренко (@ErnestMakarenko) January 19, 2014
Ahoana no ahasahian'ity dokotera Hugh Laurie malezolezo ity manazimbazimba ny firenena nahaterahan'i Pushkin, Suvorov, Putin, Gagarin, Nevsky, Stolypin, Lobachevsky?!
Taty aoriana kely i Makarenko nibitsika [ru] nitaky ny handraràna an'i Laurie tsy hahazo miditra ao Rosia, ho fanakanana ny tsy hidiran'ny “lobby sôdômita.” Amin'ny ankapobeny, ny Rosiana sasany mpanohitra ny fifanambadian'olona mitovy taovam-pananahana [ru] dia nandray ny fanambaràn'i Laurie miaro ireo lehilahy mfanambady ao Rosia ho midika hoe izy tenany ihany koa dia lehilahy manambady lahy. Lena Miro, bilaogera iray malaza amin'ny resaka “fitness” aza dia nanoratra lahatsoratra iray lavabe [ru] tamin'ny fanamafisany fa satria i Laurie manana vady “ratsy tarehy”, izay midika fa bandy tia bandy an-katakonana lery
Ny hafa faly nanipika izay hitany ho fihatsaràna velatsihy — nanamarika [ru] ny bilaogera iray fa nanjary nalaza i Laurie tamin'ny nilalaovany ny Bertie Wooster tao amin'ny famokaran'ny BBC ny P.G. Wodehouse Jeeves sy tantara foronina Wooster. Mbola io Wodehouse io ihany, hoy hatrany ilay bilaogera, no nifampiraharaha tamin'ireo Nazi fony izy babo nandritry ny Ady Lehibe Faharoa! Ny hafa nanipika [ru] fa mividy ny gazoala sy ny entona Rosiana i Angeletera, ka araka izany angamba dia ny familiana fiara sy ny fanafanàna ny efitranony no mety hanaovan'i Laurie ankivy.
Mbola tezitra mafy ihany koa ny sasany tamin'ny namelezan'i Laurie ny vodka Rosiana, fa tsy i Rosia irery. Lolita, tanora mpanao gazety sady bilaogera dia nanoratra taratasy lavabe ho an'i Laurie [ru], nanontany tena ny amin'izay antony nanosika azy hanenjika ny zava-pisotro nasionaly Rosiana, sy manàsa azy hitsidika azy any Maosko mba hahafahany mampiseho aminy ny “tena” Rosia. Ilay sarintsarinà kaonty twitter an'i Vladislav Surkov koa dia nibitsika, tamim-bazivazy hoe :
Хью Лори убил не русофобством, а любовью к польской водке… Русофобство – лишь тяжёлый бред, а любовь к польской водке – фатальный диагноз.
— Сурковъ (@SurkovRussia) January 18, 2014
Novonoin'i Hugh Laurie aho tamin'ny nitiavany ny vodka Poloney, fa tsy noho ny fankahalàny rosiana akory… Hadalàna tafahoatra fotsiny ny fankahalàna Rosiana, fa ny fitiavana vodka Poloney – izay no tena fitiliana nahafaty
Io pilina avy amin'i Laurie io angamba no tena sarotra atelina indrindra satria volana vitsy lasa fotsiny izao, raha nanao fitetezana an'i Rosia, dia niteny izy hoe “tia” ny vodka rosiana, tao anaty tafatafa [ru] iray :
Mandritra izany, niditra tamin'ny fandinihan-tena kely ny sasany tamin'ireo mpiserasera, nanontany tena raha toa ka tena namokatra vokatra fanondrana mendrika ny hanaovana ankivy tokoa i Rosia. Nihevitra [ru] ny bilaogera iray fa tsy dia azo sainina loatra ny hoe i Laurie hanao ankivy ny fanondranana fitaovana ara-tafika Rosiana, nefa isan'ny vokatra iray izay azon'ny Rosiana ireharehana ny “Kaspersky Antivirus”. Sahirana nitady ohatra misimisy kokoa ireo mpamaky azy.
Ny niafaràny, taorian'ny “fihemoran'” i Laurie, haingana toy ny nahatongavany koa no nandehanan'ny tafiotran'ireo media, niaraka taminà vazivazy ho toy ny kopakopan-tànana farany:
А депрессию этот ваш Хью Лори бойкотировать, значит, не хочет. Комедиант, ебена матерь.
— Kreutzwald (@Kreutzwald) January 19, 2014
Araka izany, raha ny fahazoako azy, ity Hugh Laurie ity tsy maniry ny hanao ankivy ny fitontongan'ny famokarana. Tena mpanao hatsikana ngezalahy amin'ny t*iny fotsiny