- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanalàna Azy Nataon'ireo Libane Bilaogera Mikasika Ny Fandinihana Ny Fitafim-Behivavy Any Afovoany Atsinanana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Ejipta, Libanona, Pakistana, Tiorkia, Tonizia, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

Nitarika fanalàna azy naha-toran'ny hehy tety anaty serasera ny fanontaniana avy amin'ny Anjerimanontolon'i Michigan [1] hoe “Ahoana no Tokony ho Fitafim-behivavy ao Afovoany Atsinanana Rehefa Imasom-Bahoaka”. Manankarena raha samy votoaty ilay izy ka nahatonga ny filàna lahatsoratra iray ho fanampin'ilay iray voalohany [2] navoakanay.

Rehefa nizara [3] ilay sary niandohana tao amin'ny Twitter i Max Fisher avy ao amin'ny Washington Post, tsy nanampo io valintenin'i Tom Gara, bilaogera ao amin'ny WSJ io :

Manana ny fahavalo faran'izay mahatsikaiky aho, ry akàmako isany. Mahay mamorona ry leròny!

Saingy ny fanalàna azy tena nahasarika betsaka ny saina dia tsy isalasalàna fa ny KarlreMarks an'i Karl Sharro :

Nampanao ity fitsapankevitra iray ity momba izay akanjo mendrika hitafian'ireo vehivavy Amerikana eny imasom-bahoaka ny anjerimanontolo Arabo iray.

Nampiresahana tao amin'ny PRI [9], nanazava izay nanosika azy izy :

“Toy ny fametrahana ny vehivavy Miozolmana eo ambony maridrefy iray hatramin'ny 6 ilay izy, miainga avy amin'ny hoe mirakotra manontolo mankany amin'ny miboridana tanteraka, izay heveriko fa tena manakaiky ny hadalàna tsotra izao.