‘Hetsika Pensilihazo Mena’ Mitaky Fahalalahan-gazety Ao Malezia

Journalists shouted 'Free The Media' and 'Free The Heat' during the 'Red Pencil' protest in Kuala Lumpur. Photo by Sam Ruslan, Copyright @Demotix (1/4/2014)

Mpanao gazety miantsoantso hoe ‘Omeo Fahalalahana Ny Media’ sy ‘Omeo Fahalalahana ny gazetiboky “The Heat” nandritra ny ‘Hetsika Pensililazo Mena’ tao Kuala Lumpur. Sary avy amin'i Sam Ruslan, Copyright @Demotix (1/4/2014)

Nivondrona ireo mpanao gazety sy mpikatroka Maleziana ary nikarakara fihetsiketsehana “Pensilihazo Mena” tamin'ny fiandohan'ity volana ity ho setrin'ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny Atitany nampiato ny gazetibokim-baovao mpivoaka isan-kerinandro The Heat mandritra ny fotoana tsy voafetra. Nampangain'ireo mpanao fihetsiketsehana ho nampiato ny The Heat ny manampahefana ho valifatin'ilay lahatsoratra mitantara momba ny fandaniana mahazatra an'ny Praiministra sy ny vadiny.

Olona maherin'ny 200 no nivondrona mba hanao fihetsiketsehana ao an-tanàndehibe Kuala Lumpur, renivohi-pirenena. Avy ao amin'ny Gerakan médias Marah (Geramm) na Hetsiky ny Media Tezitra, firaisankinan’ireo mpanao gazety izay natsangana hampiroboroboana ny fahalalahana bebe kokoa ny media ao amin'ny firenena.

Nandritra ny fihetsiketsehana, notapahana ny penina mena mba hanehoana ny herisetra mihatra amin'ny fampahalalam-baovao. Fathi Aris Omar, mpitondra tenin'ny Geramm sady tonian-dahatsoratra ao amin'ny tranokalam-baovao antserasera Malaysiakini, nanazava bebe kokoa ny dikan'ny hoe penina mena:

The red pencil represents journalists who were injured (in the past, by the authorities) and a culture of control by the powers that be.

Listen to the breaking sound. That is the suffering of journalists and the media when it is ‘broken’.

Ny penina mena dia misolo-tena ireo mpanao gazety izay noratrain’ ireo manampahefana (taloha) sy ny kolontsaim-panarahamaso ataon'ny fitondrana misy.

Henoy ny feo tapatapaka. Izany no fijalian'ireo mpanao gazety sy ny fampahalalam-baovao rehefa “potehana(tapahana)” izy.

Manana fitakiana valo ho atolotra hoan'ny governemanta ny Geramm. Ankoatra ny fitakiana fanafoanana ny baiko fampiatoana ny “The Heat”, mitaky fanamavainana ny fitsipika mangeja mifehy ny media ao amin'ny firenena ihany koa ny tambajotra. Ahitana ireto manaraka ireto ireo fitakiana hafa:

Abolish the publication permit which is made mandatory under the Printing Presses and Publications Act (PPPA) 1984.

Allow all media practitioners to cover government events and access to public buildings for news gathering purposes.

Apologise to media practitioners for any breach of media freedom and rights.

Fanafoanana ny fahazoan-dalana hamoaka lahatsoratra izay tsy maintsy atao araka ny Lalàna mifehy ny gazety sy ny Famoahan-dahatsoratra (PPPA) 1984.

Avela malalaka hamoaka vaovaon'ny zavatra ataon'ny governemanta sy hiditra eny amin'ny tranobem-panjakana ireo matihanin'ny fampahalalam-baovao mba ho afaka hanangom-baovao.

Fialan-tsiny hoan'ireo matihanin'ny fampahalalam-baovao raha misy ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny media sy ireo zony.

Nolazain'ny governemanta ilay PPPA mampisy adihevitra raha nampiato ny “The Heat” izy. Mitaky ny fanafoanana ny lalàna ireo mpanao gazety sy mpikatroka Maleziana, izay nambaran'izy ireo fa mametraka ho andrim-panjakana ny fanampenam-bava amin'ny fampahalalam-baovao ao amin'ny firenena.

Nahazo fanohanana avy amin'i Christopher Leong, filohan'ny holafitry ny mpisolovava maleziana ny antso handinihana indray ny lalàna:

It is an archaic piece of legislation that no longer holds any relevance in a modern democracy. The Act has been used and abused to influence, bully, intimidate, threaten and punish the press. Such legislative and governmental control of the press, including licensing regimes, should end.

Karazan-dalàna tranainy izany izay tsy mifanaraka intsony ao anatin'ny demaokrasia maoderina. Nampiasaina sy nohararaotina ny lalàna mba hanerena, hampitahorana, handrahonana ary hanasaziana gazety. Tokony hitsahatra ity fanaraha-maso ataon'ny governemanta amin'ny gazety ity, anisan'izany ny fanomezana fahazoan-dalana (vao mivoaka ny lahatsoratra).

Red pencils were broken in half to symbolize media violence in Malaysia. Photo by Sam Ruslan, Copyright @Demotix (1/4/2014)

Notapahana roa ny penina mena mba hanehoana ny herisetra mihatra amin'ny media ao Malezia. Sary avy amin'i Sam Ruslan, Copyright @Demotix (1/4/2014)

Nanatrika ny fihetsiketsehana ilay mpikatroka malaza sady mpanorina ny Bersih (madio) Ambiga Sreenavasan ary nanamarika ny maha-zavadehibe ny hetsika:

This is one of the first times I have seen journalists come together fighting for this very important fight. I know you are not just fighting for online or specific media, you’re fighting for all journalists. For me, this is about your self-worth and integrity as journalists.

Sambany aho nahita mpanao gazety niara-nanao fihetsiketsehana mba hitolona amin'ity ady tena goavana ity. Fantatro fa tsy mitolona hoan'ny media antserasera na media manokana fotsiny ianareo, fa mitolona hoan'ireo mpanao gazety rehetra ihany koa. Ho ahy, momba ny fahamendrehanareo sy ny fahamarinanareo amin'ny maha-mpanao gazety izany.

Nanangana ny Bersih i Ambiga taona vitsy lasa izay mba hanosika ny amin'ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana.

Nandritra izany, mpanao gazety Eric Loo nitsikera ireo fahalalam-baovao mahazatra ho mandefitra amin'ny sivana ao amin'ny firenena. Nangataka tamin'ireo mpiserasera Maleziana sy media hafa izy mba hisisika hitati-baovao momba ny zava-misy marina hatrany:

Let’s refuse to buy their interpretation of political realities, their version of history. It’s time we tell our own stories and circulate online what we know to be true, stories that reflect today’s political realities than those framed by the mainstream media.

Aza ekena ny fividianana ny fijerin'izy ireo ny zava-misy ara-politika, ny fijerin'izy ny tantara. Fotoana izao hilazantsika ny vaovaontsika manokana sy hanaparitahana an-tserasera izay fantatsika fa marina, vaovao izay maneho taratra ny zava-misy ara-politika fa tsy tahaka ireo tantarain'ny media mahazatra.

Fahitalavitra Maleziana mirazotra KiniTV nitatitra momba ny fihetsiketsehana “penina mena”. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.