Mpikatroka Ejipsiana Nahazo Sazy Mihantona Herintaona An-tranomaizina
Nahazo sazy mihantona herintaona an-tranomaizina ilay mpikatroka Ejipsiana malaza Alaa Abd El Fattah, sy ny anabaviny Mona Seif, ary folo hafa tamin'ny 5 Janoary noho ilay raharaha naha-voarohirohy azy ireo ho nandoro ny foiben'ny kandidà ho filoham-pirenena teo aloha Ahmed Shafiq. Iray amin'ireo raharaha marobe izay niahiahian'ireo fiarahamonin'ny mpikatroka Ejipsiana sy iraisam-pirenena momba ny valifaty miharihary ataon'ny governemanta amin'ireo mavitrika tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny revolisiona 25 Janoary tao Ejipta tamin'ny 2011 izany.
ﻓﺮﺍﺷﺔ ﺍﻟﺜﻮﺭﺓ ﻣﻌﺎﻧﺎ 🙂 @Monasosh pic.twitter.com/IXtSkS5L3z
— Rasha Abdulla (@RashaAbdulla) January 5, 2014
Sioka mampiseho an'i Mona Seif mivoaka ny efi-pitsarana rehefa avy nampahafantarina fotsiny ilay sazy mihantona herintaona an-tranomaizina izy.
Tsy nanatrika ny fotoam-pitsarana i Alaa. Notànana nanomboka tamin'ny 28 Novambra izy rehefa voampanga ho nikarakara fihetsiketsehana tsy nahazoan-dalana teo anoloan'ny Filan-kevitra Shura (Antenimieran-doholona Ejipsiana). Roa andro alohan'ny fihetsiketsehana, nandany lalàna mitaky amin'ireo mpikarakara fihetsiketsehana mba hanome vaovaom-pikarakarana any amin'ny Minisiteran'ny Atitany momba izay fihetsiketsehana kasaina atao ireo mpanao lalàna. Araka ilay lalàna vaovao, manan-jo hitaky (tsy manam-pahataperana) ny fanovana ny fikarakarana ara-pitaovana ny minisitera. Raha tsorina dia hahafahan'ny minisitera hanakana fihetsiketsehana tsy ho tontosa izany, araka izay mety aminy.
Ny vondrona Tsy Manaiky Ny Fitsarana Miaramila Hoan'ny Sivily, hetsika natsangan'i Mona Seif saingy tsy mpikambana amin'izany ny anadahiny Alaa, no nikarakara izany fihetsiketsehana izany. Namoaka fanambarana an-gazety ny vondrona amin'ny filazany ny fiandraiketana ny fikarakarana ny fihetsiketsehana. Nametraka tatitra tao amin'ny mpampanoa lalàna ihany koa ireo mpikambana hilaza ny mahatompon'andraikitra azy ireo amin'ny hetsika. Ny fihetsiketsehana izay natao tamin'ny 26 Novambra dia mitaky ny fanafoanana ny fitsarana ara-miaramila hoan'ireo sivily izay voalazan'ny lalàmpanorenana vaovao izay hofidian'ny Ejypta amin'ity volana ity.
Naparitaky ny polisy tamin-kerisetra ny fihetsiketsehana atsasakadiny teo ho eo taorian'ny nanombohany. Vehivavy 11 no notànanan'ny polisy, izay mpikambana ao amin'ny vondrona “Tsy manaiky ny Fitsarana Ara-miaramila Hoan'ny Sivily” ny ankamaroany, sy lehilahy 24. Notànana nandritra ny ora maromaro ireo vehivavy izay voadaroka avokoa izy rehetra ary ny sasany niharan'ny faohintohinana ara-pananahana nandritra ny nihazonana azy ireo. Noterena hiditra tao anaty fiaran'ny polisy izy ireo ary natsipy tany an-tanihay taorian'ny misasakalin.a Notànana nandritra ny herinandro mahery kosa ireo lehilahy ary efa navotsotra ankehitriny, afa-tsy, Ahmed Abdel Rahman, izay mbola miandry atao famotorana. Nosamborina i Alaa raha niditra an-keriny tao an-tranony ny polisy roa andro taorian'ny fihetsiketsehana ary niampanga azy ho nikarakara ity fihetsiketsehana ity. Nilatsaka izany filazana izany na dia niandry tao ivelan'ny biraon'ny polisy nandritra ny nitànan'ny polisy ny anabaviny nandritra ny folakandron'ny 26 Novambra aza i Alaa mandrapaha-tongan'ireo namany haka ny anabaviny sy ny namany natsipin'ny polisy tany an-tanihay. Na dia nogadraina aza i Alaa sy Ahmed Abdel Rahman nandritra ny iray volana mahery ary mbola miandry atao famotorana, mbola tsy fantatra hatrany ny daty hanaovana ny fotoa-pitsarana mikasika ny raharaha.
Tokony ho fotoanan'ny fisedrana hoan'ireo mpikatroka ny sazy mihantona, fa tsy fotoana any am-ponja, saingy mila manaja kosa ny lalàna mandritra izany fotoana izany izy ireo. .
Tsy ireo raharaha roa fanenjehana mpikatroka malaza ao Ejipta ireo ihany no misy ankehitriny. Vao haingana i Ahmed Maher, Ahmed Douma ary Mohamed Adel no nahazo sazy henjana 3 taona asa anterivozona amin'ny raharaha hafa, izay voampanga ho nikarakara fihetsiketsehana tsy nahazoan-dalana ihany koa. Maher no mpanorina ny vondron'ny tanora 6 Aprily, ary i Adel kosa no mpitondra tenin'ny vondrona. Nasaina nandòa onitra 50 000 EGP ($ 7000) tsirairay ihany koa ireo mpikatroka telo ireo, ary hiditra anaty fisedrana (sazy mihantona) mandritra ny telo taona hafa raha fantatra fa meloka. Nampiakatra ny fitsarana eny anivon'ny fitsarana ambony ireo mpikatroka, saingy mbola any am-ponja izy ireo amin'izao fotoana izao.
Ao Alexandria, mpikatroka ela nitolomana Mahinour El Masri sy Hassan Mostafa, miaraka amin'ny efatra hafa no fantatra fa voampanga ho nikarakara fihetsiketsehana tsy nahazoan-dalana, ka nahazo sazy an-tranomaizina roa taona sy mandòa onitra 50.000 EGP ( $ 7000 ) tsirairay. Vao avy navotsotra tany am-ponja i Hassan Mostafa tamin'ny Novambra rehefa nahanton'ny mpampanoa lalàna ny sazy herintaona azony noho izy namelaka tahamaina mpampanoa lalàna iray tamin'izy nametraka fitoriana noho ny fampijaliana gadra.
Mihevitra ireo mpikatroka ao Ejipta fa noho ny antony ara-politika no nananganana ireo raharaha sy ny zavatra hafa ireo, ary natao hanagadrana ireo mpikatroka malazasy handrahonana ny hafa tsy hidikiditra amin'ny raharaha politika. Nandany ny Lalàna momba ny Fihetsiketsehana ny governemanta tamin'ny volana Novambra izay milaza fa ilaina ny mifehy ny korontana ateraky ny fifandonan'ny ankamaroan'ireo mpomba ny Mpirahalahy Miozolomana amin'nyamin'ny mpitandro ny filaminana izay matetika nivadika herisetra. Nanomboka tamin'ny fampiharana ny lalàna, nampiasaina ny lalàna mba hamoretana ireo karazam-panoherana, anisan'izany ireo mpanao fihetsiketsehana milamina, olo-tsotra sy vondrona izay niara-niasa akaiky tamin'ny revolisiona 25 Janoary sy ny taorian'izany.
Atombohy ny resaka

Sokajy
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Janoary 2021 23 Lahatsoratra
- Desambra 2020 44 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...