Tantara tamin'ny 18 Janoary 2014
“No” [Tsia], Ilay Fanentanana Mamirapiratra Sy Mijery Lafitsaran-Javatra Nampahavitrika Revolisiona Iray
Inona no azontsika raisina avy amin'ny fanentanana politika taloha? Jery todika amin'ny hetsika izay namarana ny didijadon'i Augusto Pinochet tao Chile.
Yemenita Mpikatroka Mafàna Fo Mahazo Fandrahonana Ho Faty Ao Amin'ny Facebook
Nahazo fandrahonana ho faty tao amin'ny boaty famelàna hafatra ho azy tao amin'ny Facebook i Hani Al-Junid, Yemenita mpikatroka mafàna fo ara-politika manana ny lazany no sady mpanao gazety ihany koa. Ilay fandrahonana, nataon'olona tsy fantatra, dia nampitandrina an'i Al-Junid fa hoe efa akaiky ny "fara-androny".
Fanalàna Azy Nataon'ireo Libane Bilaogera Mikasika Ny Fandinihana Ny Fitafim-Behivavy Any Afovoany Atsinanana
Nitarika fanalàna azy naha-toran'ny hehy tety anaty serasera ny fanontaniana avy amin'ny Anjerimanontolon'i Michigan hoe “Ahoana no Tokony ho Fitafim-behivavy ao Afovoany Atsinanana Rehefa Imasom-Bahoaka”. Manankarena raha samy votoaty ilay izy ka nahatonga ny filàna lahatsoratra iray ho fanampin'ilay iray voalohany navoakanay. Rehefa nizara ilay sary niandohana tao amin'ny Twitter...
“Vaovao Avy Eny An-doharano”: Famerenana Mamoaka Ny Rising Voices Ao Amin'ny Oximity
Nanatevina laharana ny fiaraha-miasan'ny Global Voices amin'ilay tranonkalam-baovao Oximity, mpampita vaovao, ny Rising Voices, ny Oximity izay manangona mivantana ny vaovao avy eny an-doharano, manamora ny ny fanangonana, famoahana ary fizaràna vaovao ataon'ireo mpamaky, sy fanapariahana ny votoatim-baovao amin'ny aterineto
Ejipta: Sampam-pitsikilovan'ny Marionety
Tao Ejipta, voampanga ho nandefa hafatra miafina hoan'ireo mpampihorohoro ny marionety mitovy endrika amin'ny olo-malaza iray. Manazava ny antony mahatonga ilay saribakoly hiakatra fitsarana i Amr Tarek.
Mpikatroka Ejipsiana Nahazo Sazy Mihantona Herintaona An-tranomaizina
Nahazo sazy mihantona herintaona an-tranomaizina ilay mpikatroka Ejipsiana malaza Alaa Abd El Fattah, sy ny anabaviny Mona Seif, ary olona folo hafa.
‘Hetsika Pensilihazo Mena’ Mitaky Fahalalahan-gazety Ao Malezia
Gazetiboky mpivoaka isan-kerinandro naato satria nitantara vaovao momba ny fandaniana mahazatra ataon'ny Praiminitra. Ho setrin'izany, nidina an-dalambe ireo mpanao gazety mba hiampanga ny sivana mihatra amin'ny fampahalalam-baovao.
Fifandonan-Kevitry ny Hetsika #RespectMyVote (Hajao Ny Safidiko) Sy Ny ‘Bangkok Shutdown’ (Fanakatonana an'i Bangkok) Ao Thailand
Koa satria moa miditra amin'ny andro fahadimy ny fanentanana 'Bangkok Shutdown', dia mitaky ny hampanajana ny safidiny sy handray anjara amin'ny fifidianana ny Thailandey avy amin'ny faitra hafa ao amin'ny firenena.