Saharawi Voice: Tantara Avy Amin'ny Zanatany Farany Afrikana

Nanangona “tantara avy amin'ireo olona nohadinoina tao Afrika zanatany farany i Saharawi Voice, mba hitondra ireo fihetseham-po mikasika ny fiainana andavanandro ao Sahara Andrefana sy ny fahasarotam-piainana ao amin'ny sisintany bodoina.

Sahara Adrefana dia sisintany niadiana tao amin'ny faritr'i Maghreb ao Afrika Avaratra, ary iray amin'ireo toerana vitsy mponina indrindra manerantany, bahanan'ny tany lemaka be karankaina indrindra. Eo amin'ny 40% n'ny mponina dia monina ao El Aaiún, tanàna lehibe indrindra ao Sahara Andrefana.

Sahara Occidental

Zazalahy avy ao Sahara Andrefana. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr Alvaro León Rodríguez (CC BY-NC-ND 2.0).

Nobodoin'i Espaina nanomboka tamin'ny fiafaran'ny taonjato faha-19 i Sahara, ary tamin'ny 1975, navelany ny fitantanana ny sisintany ary natolony hotantanin'i Maraoka sy Maoritania. Nipoaka ny ady teo amn'ireo firenena roa tonta ireo ary nanambara ny fijoroan'ny Repoblika Arabo Sahrawi Demaokratika (SADR) miaraka amin'ny governemanta an-tsesintany any Tindouf, Alzeria ny hetsi-pahafaham-pirenena Sahrawi, Antoko Polisario. Niala i Maoritania tamin'ny 1979, ka i Maraoka sisa no nifehy tanteraka ny ankamaroan'ny sisintany.

Nandritra izay taom-polo roa farany izay, nekena sy noesorina araka ny fiovaovan-kevitry ny iraisam-pirenena ny fankatoavana.

Amin'ny voambolan'i Saharawi Voice, manantena izy ireo mba:

[…] to be a voice for those who lost theirs. […] We want to offer our readers knowledge about the other side of the Saharawi life. Besides their longing for freedom, the culture, music, daily life in the refugee camps.

ho feon'ireo izay tsy afaka maneho izany. […] Te hanolotra fahalalàna momba ny ambadiky ny fiainana Saharawi hoan'ireo mpamaky anay izahay. Ankoatra ny fanirian'izy ireo hanana fahalalahana, kolontsaina, mozika, fiainana andavanandro ao amin'ireo tobim-pialokalofana

Ahitana bilaogy, vaovao ary lahatsary ny habaka izay ireo tanora Saharawi monina ao amin'ireo tobim-pialokalofana no tena nanatontosa betsaka tamin'izany. Hoy izy ireo:

It's also a space for Saharawis who are living in the refugee camps, in the occupied territories and in Spain to connect, exchange ideas and share their points of view about the collective destiny.

Sehatra hoan'ireo Saharawis monina ao amin'ireo tobim-pialokalofana, ao amin'ireo sisintany nobodoina sy ao Espaina ihany koa izany mba hifaneraserana sy hifanakalozan-kevitra ary hizarana ny fijerin'izy ireo momba ny lahatra (anjara) iombonana.

Ny tranonkala dia mitantara indray ireo fijoroana vavolombelona mivantana (tsy misy mpanelanelana) mikasika ireo zava-niainana manokana, tahaka ny valinteny nomen'ilay atleta Saharawi, Salah Amidan raha nanontaniana ny antony nihazakazahany hisolo-tena an'i Frantsa fa tsy ny fireneny manokana:

Simply, 'till we have an independent country, we will have to
represent [another country] if we want to participate in international competitions.

Tsotra fotsiny, mandrapahazoanay firenena mahaleotena, mila misolo-tena [firenen-kafa] izahay raha te-handray anjara amin'ny fifaninanana iraisam-pirenena.

Olana hafa noresahana tao amin'ny bilaogy ihany koa ny fampianarana. Teratany Saharawi Agaila Abba Hemieda nizara momba ny fanapaha-kevitra sarotra noraisiny tamin'ny fahazazany:

[…] my life took a turn in a new direction when [at ten] I was selected for a special program that takes children who lost their fathers in the war to spend the summer with a Spanish host-family away from the hardship and the heat of the refugee camps.

[…] I made the decision to stay in Spain to begin my education. It was not an easy decision to make after leaving behind my most beloved ones for the next twelve years.

     […] Nivily nankany amin'ny lalam-baovao hafa ny fiainako [tamin'izaho folo taona] raha voafantina tamin'ny fandaharam-pianarana manokana izay mandray ankizy namoy ray nandritra ny ady aho, ka niara-hipetraka tamin'ny fianakaviana Espaniola mandritra ny vanim-potoanan'ny andro mafana izay lavitry ny fahantrana sy ny hafanana ao amin'ireo tobim-pialokalofana.

     […] Noraisiko ny fanapaha-kevitra hijanona ao Espaina mba hanombohako ny fianarako. Tsy mora ny nandray ny fanapaha-kevitra taorian'ny fandaozana ireo namana aman-tsakaizako indrindra mandritra ny 12 taona hoavy.

Mpandray anjara Aseria Mohamed Taleb nizara ny heviny mikasika ny dikan'ny fanontaniana hoe “Inona no atao hoe trano aminao” amin'ny olona izay “ireo tobim-pialokalofana fotsiny no mba fahitany”. Nilaza izy fa tsy maintsy mamaly ity fanontanina ity isan'andro.

‘Sahara zaina’ (Sahara the beautiful) my grandmother once said while we were sat listening to our national radio. The difference between my grandmother and I is that she knew what our homeland looked like and I do not because I have only seen these refugee camps.

     «Sahara zaina» (Sahara ilay mahafatifaty) hoy ny renibeko indray mandeha raha nipetraka nihaino ny onjam-peom-pirenenay izahay. Ny maha-samihafa ahy amin'ny renibeko dia fantany hoe tahaka ny ahoana ny tanindrazanay ary izaho kosa tsy mahafantatra, ireo tobim-pialokalofana ireo ihany no mba hitako.

Nisioka tamin'ny teny anglisy ihany koa ny Sahawari Voice, izay nanehoan'ireo mpikambana ao amin'ny vondrona tsindraindray ny fikasany hody:

#Saharaandrefana: «Tsy ho tranonay mandrakizay ireo toby ireo, te-hiverina any an-tanindrazanay izahay… Rehefa nisy mpanao gazety mpaka sary…

Toerana hizarana ireo fomba nentim-paharazana tao amin'ny firenena ihany koa izany, tahaka ny hira ohatra:

Hirany firenena voalohany sy netim-paharazana Saharawi, avy amin'i Tarba Bueibu

Saingy na dia eo aza ireo fahasarotana rehetra, misy hatrany ny toerana ho an'ny fanentanana :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.