- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olona 4 Nosamborina Tamin'ny Nanipazana Vovoka Fotsy Ny Filoha Lefitra Goatemalteka

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
Roxana_Baldetti [1]

Saripika avy amin'i Surizar avy amin'ny Creative Commons Attribution License

Mpianatry ny anjerimanontolo efatra no nosamborina tany Guatemala City rehefa nanipy vovoka fotsy tsy fantatra anarana tamin'ny Filoha Lefitra Roxana Baldetti [2] tamin'ny fotoana nandaozany ny Theatra Nasionaly (Tantara Tsangana Nasionaly) , toerana nanaovan'ny Filoha Otto Perez Molina ny kabariny momba ny toe-draharaham-pirenena, ny iray tamin'izy ireo.

Nizara ny video [3] Youtube ny zava-nitranga ny Prensa Libre:

Nokarohin'ny fampitam-baovao tao amin'ny fitaovam-pampitam-baovaon'ny fiaraha-monina avy hatrany ny mombamomba ireo mpianatra voarohirohy, tamin'ny famoahana sary sy fampahafantarana [4][es] ny politika ironany sy ny fianarana akademika ataony amin'izao fotoana izao.

Mandritra izany fotoana izany, raha tokony hiteraka fahatezerana na firaisankina amin'ny Filoha Lefitra na amin'ireo mpianatra ny ilay zava-nitranga, dia lasa niteraka fanehoan-kevitra fanombatombanana teo amin'ny fiarahamonina Twitter Goatemalteka, satria ny “polvo” (voambolana espaniola milaza ny vovony) dia misy fironana ara-pananahana, midika hoe fiarahana indray alina.

Nananihany tamin'ny tsy fahasiahan'ny fanohinana sy ny setriny tafahoatra avy amin'ny manampahefana ihany koa ny mpisera Twitter, satria mety ho voampanga ho mikasa hamono ny Filoha, heloka izay mety handefa azy higadra hatramin'ny 15 taona raha meloka.

Roxana Baldetti tsy misy lafarinina / misy lafarinina

Ny hafa nanolo-kevitra fa tokony hofantenina ho Mpiantsehatra Vavy Tsara indrindra amin'ny Oscars ny Filoha Lefitra na manokatra tarika mpanao theatra ho azy manokana:

Tokony hanangana sekoly fanaovana tantara tsangana i Baldetti

Tamin'ny nanaovany fanambarana voalohany ilay vehivavy nampangaina ho nanipy [ilay vovoka] dia nilaza fa tsy hoe ny halaza no antony nanaovany iny fihetsika iny, fa ny hampiharany ny fahafahany maneho hevitra sy hitsipaka. Tsy noraisin'ny mpisera Twitter Goatemalteka tamim-pahamatorana ihany koa izy, izay nanova ny sary ho amin'ny filazana hoe “Nanao iny aho satria tiako ny ho hita amin'ny mili-pitadiavan'ny Twitter”

Fanambarana hafa nataon'i Sayra Cristal Cottom Florián, izay nanipy vovoka fitsy tamin'ny Filoha Lefitra, Roxana Baldetti.

Nitatitra ny governemanta [10] fa nomelohan'ny sokajin'olona maro iny toe-javatra iny. Saingy ny fahatsapana ankapobeny dia raha misy olona manao zavatra mamely ny olona eo amin'ny fitondrana, dia hisedra ny vokany mampihoron-koditra na fanehoan-kery, tahaka ny nahazo ilay mpanao gazety José Ruben Zamora herinandro vitsivitsy lasa izay raha tsy nahazo nivoaka ny firenena izy ary tsy azony nalaina ny volany any amin'ny banky rehefa nitory azy ny Filoha ho “manao faneriterena, fakana vola tsy ara-drainy, fampandoavana vola raha tsy izany alaina baraka, fandikana ny Lalampanorenana ary fanivaivana,” araka ny notaterin'ny [11] [Ivotoeram-Pianarana Fanaovan-Gazety] Knight Center for Journalism any amin'ny kaontinanta Amerikana. Raha olona eo amin'ny fitondrana anefa no toriana, dia toa lalàna hafa no mihatra, araka ny nandrenesan'izao tontolo izao azy tamin'ny didim-pitsarana [12] natao tamin'ilay mpanao didy jadona teo aloha Efrain Rios Montt izay nambara ho nofoanana ary averina tamin'ny 2015 ny fotoam-pitsarana [13].

Raha tsy jerena ny nanao ilay fihetsika sy ny antony nanaovany azy, ny fanehoan-kevitry ny Goatemalteka dia mampiseho fijotoson'ny fanohanana [14] [es] ny governemanta, fihenan'ny fitokisana ny governemanta, ary ny fisalasalana raha mijery ny zava-bitan'ny governemanta nandritra ny roa taona nahateo amin'ny fitondrana azy.