Songadina #4: 20 Desambra – 10 Janoary

Finaritra 2014! Indreto misy soso-kevitra vitsivitsy hanombohanao ny taona vaovao, henika zava-baovao azo isoratana anarana sy tetikasa azo hakana aingam-panahy…

Avy Amin'ny Bilaogy

Misokatra Ny Fifantenana Ireo Hifaninana Amin'ny (Bloggies Award)  [mg] – misokatrany fisoratana anarana ho amin'ny Lokam-bilaogy 2014! Misokajy ho ara-paritra sy ara-dohahevitra – ary azonao atao ny mampiditra fiteny hafa ankoatra ny teny anglisy. Fanteno ny bilaogy ankafizinao (na ny anao!)

Mapping the Twitter Sphere: Scottish Gaelic, Great Britain and Ireland.

Mametraka an-tsarintany ny tontolon'ny Twitter: Ekaosy, Angletera ary Irlandy.

Mpandray Feo Asongadina: Jigme Tshewang [mg]- Ao anatin'ny tetikasa nokarakarain'ny Foibe Bhutan Hoan'ny Media sy ny Demaokrasia, izay nahazo fanohanana ara-bola avy amin'ny Rising Voices io. Vakio ny eritreritr'i Jigme ao amin'ity endrika fitantarana nomerika ity.

Mametraka an-tsarintany ny tontolon'ny Twitter Seltika- nanao an-tsarintany ny tontolon'ny Twitter manerantany ahitana ny teny seltika (Galoà, Gaelika Ekosey, Gaelika Manx, Cornish ary Breton) i Kevin Scannell avy ao amin'ny Indigenous Tweets ary nampiseho ara-jeografika eo amin'ny sarintany ireo teny iditra.

“Mampintaintaina”! Mahazo ireo Mpanao Tantara ivelan'ny aterineto (sy Miverina ao amin'ny Aterineto Indray) – fitaovana an-tserasera hoan'ny tia mitantara ny Transom, indrindra fa amin'ny fandraisam-peo saingy mitsoraka any amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao an-tsary izay ihany koa. Vao nametraka atrikasa enina herinandro – niankina manontolo amin'ny Facebook – ry zareo ary ahitana fandraisana anjaran'ny mpanoratra maro aoamin'ny Rising Voices.

LAHATSARY: Tantara Avy Ao Amin'ny Foiben-Tantara Porto Naranty Tao Amin'ny “Museu do Resgate” – Tetikasa “hamonjena” ireo lahatsary an-tserasera izay manangona sy manome dika hafa ny fijoroana vavolombelona sy ny zavatra niainan'ny tsirairay amin'ireo nandalo ny ivontoeran'ny tantaran'i Porto.

Fanararaotra

Mamelona MOOC vaovao ny Knight foundation: Tambajotra Sosialy ho an'ny Mpanao Gazety: Ny fototra http://open.journalismcourses.org.

Jigme Tshewang, a participant in the Bhutan Centre for Media and Democracy's audio podcasting project, a  Rising Voices grantee project.

Jigme Tshewang, mpandray anjara amin'ny tetikasa fandraisam-peon'ny Ivotoerana Bhutan Ho amin'ny Media sy ny Demokrasia, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices.

Manasa ireo tsy mitady tombontsoa hifanamby ho asongadina ao amin'ny tranonkalany ny Global Giving – fomba vaovao hanetsehana ny mpanome anao sy izay mety ho vola hafa azo tamin'ny fanoloram-bola hafa! http://j.mp/1cLJ0jv 

Fanombohana ny 2014 amin'ny borsa (vatsy) fanaovan-gazety! Indreto misy 7 azo isoratana anarana amin'izao fotoana izao – avy amin'ny ICFJ http://bit.ly/19LwdxB 

Vehivavy mpitarika avy any Afovoany Atsinanana sy Afrika manana mari-pahazaina eo amin'ny teknolojia, siansa, injeniera, na matematika afa-mangataka hahazo ny programa @TechWomen ao amin'ny http://bit.ly/1efd1Ll 

Fisoratana anarana hahazoana vatsim-pianarana sy mianatra ao amin'ny fanaovan-gazetin'ny Knight 2014-15 hatramin'ny 15 Janoary. Ahoana ny isoratana anarana: http://kng.ht/16ledfm 

Ny Front Line Defenders dia miantso ny fifantenana ho amin'ny Lokan'ny Front Line Defenders [Mpiaro ny Tsipiky ny Sisintany] ho amin'ny Zon'Olombelona 2014 http://tinyurl.com/luhdjlr 

Nominate someone for this year's Weblog awards! 2014.bloggi.es

Mifantena olona amin'ny loka  Weblog amin'ity taona 2014 ity. bloggi.es

Vatsy vonona ho amin'ny fanabeazana ara-panaovan-gazety. Jereo ato bebe kokoa: http://bit.ly/hackcurriculum  #hackcurriculum

Afa-mandray fampianarana maimaipoana amin'ny aterineto avy amin'ny @Learncafe ny mpanao gazety breziliana amin'ny fanoratana ny hosoratana amin'ny radio http://bit.ly/19PWDyu 

Ary Maninona Moa Raha Manandrana Ireto…

“Fahefam-Bahoaka – ahoana ny fomba itateran'ny teknolojia ny herisetra mitam-piadiana” – lahatsoratry ny AOAV

2013 ao amin'ny Lahatsarin'ny Zon'Olombelona – tsipalotra avy amin'ny Witness.org amin'izay nitranga tamin'ny lahatsarin'ny fanaovan-gazetin'olotsotra tamin'io taona io

“Fanavaozana – Solosaina PC velomin'ny Herinaratra avy amin'ny masoandro” tany Mali – avy amin'ny GV

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.