Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Aitezaz Hasan, Tanora Maherifon'i Pakistana Nanao Sorona Ny Ainy.

Tribute to Aitzaz Hassan's bravery that saves dozens lives in Hangu, KPK at Karachi press club.  Image by Ayub Mohammad. Copyright Demotix (11/1/2014)

Fanomezam-boninahitra an'i Aitezaz Hassan noho ny herim-pony tamin'ny namonjeny ireo aina am-polony tao Hangu, KPK ao amin'ny klioba gazety Karachi . Sary avy amin'i Ayub Mohammad. Copyright Demotix (11/1/2014)

Mpianatra taona fahasivy, Aitezaz Hasan no lasa tanora maherifon'i Pakistana rehefa avy nanao sorona ny ainy manokana tamin'ny fanakanana kamikazy [mpanao vivery ny ainy] hanapoaka baomba tsy hiditra ao an-tsekoliny ao amin'ny distrikan'i Hangu, ao Avaratra andrefan'i Pakistan.

Nitsangana tao ivelan'ny vavahadin-tsekoly i Aitezaz raha nahita lehilahy mitafy salotra (gilet) famonoan-tena feno baomba. Nanatona tamin-kerimpo an'ilay kamikazy izy ary nanakana azy tsy hiditra ao an-tsekoly ao Ibrahimzai, faritra mahamaro an'isa ny Shiita ao Hangu. Napoakan'ilay kamikazy avy eo ny baomba, ka namoy ny ainy i Aitezaz sy ilay kamikazy.

Araka ny tatitra tamin'ny fampahalalam-baovao, mpianatra teo amin'ny 1 000 teo no tao an-tsekoly tamin'ny fotoana nitrangan'ny fanafihana .

Nosaloran'ny governemantam-paritany anarana “maherifon'ny firenena” i Aitezaz. Misy ny hetsika amin'ny media sosialy ho fanomezana azy Nishan-e-HAider (mari-boninahitra miaramila ambony indrindra) noho ny herim-pony tao amin'ny firenena. Nangataka ny hanomezana azy Sitara -e- Shujat, mari-boninahitra ambony indrindra hoan'ny sivily maherifon'ny firenena ny Praiminisitra Pakistaney Mohamad Nawaz Sharif. Azo omena izany vantany vao manaiky izany ny filoha.

Nampiasa diezy twitter #onemillionaitzaz sy #AitzazBraveheart ireo mpiserasera ho fanomezam-boninahitra azy.

Nasim Zehra, mpanao gazety amin'ny fahitalavitra nisioka hoe: 

Mihevitra Andriamatoa Praiminisitra sy ny olom-pirenena fa tokony hanome mari-boninahitra Nishan-i-Haider hoan'ilay zanakalahy maherifon'i Pakistana Shaheed Aitezaz ny Fanjakan'i Pakistan

Samar Minallah Khan, mpandalina momba ny olombelona sady mpaka sarimihetsika fanadihadiana avy ao amin'ny faritra avaratra-andrefan'i Pakistana nisioka hoe:

Aitzaz Shaheed, Tena fahafoizan-tena goavana no vitanao! Maherifo tsy misy fitaka ianao!

Sherry Rehman, Ambasaderan'i Pakistana tao Etazonia taloha nisioka momba ny sarin'ny sekolin'i Hasan:

 Mampihetsi-po: napetrak'ireo mpiara-mianatra amin'i Aitzaz Hussain teo amin'ny toerany tao an-dakilasy ny sariny

Miara-dalana amin'ny fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana an'i Hasan, nanontany mikasika ny tsy fahombiazan'ny governemanta hanonona anarana mivantana ireo mpamono olona sy manameloka ny fanaovana kamikazy ao amin'ny faritra ireo mpisera Twiter vitsivitsy. Nikendry ireo moskea sy faritra shiita matetitetika ireo talibana tato ho ato. Ny Pakistan Tehreek-i-Insaaf na PTI no mitantana ny govermentan'ny faritany avaratra-andrefan'i KPK. Na dia eo aza ireo fanafihan'ny talibana, dia voatosika hifampiresaka amin'ny talibana izy ireo.

Saman Jafri , mpanao politika mpikambana ao amin'ny antoko MQM sy mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Pakistana nisioka hoe: 

  Hiampanga mivantana an'ireo mpamono an'i Aitzaz sy ny namany (Talibana) ary hampitsahatra ny fitadiavana hifampiresakaamin'izy ireo ve ny governemanta #onemillionAitzaz

Manontany ny antony mahatonga ny governemanta federaly tsy miampanga ny Tehreek-e-Taliban Pakistan (TTP) tamin'ny famonoana an'i Aitezaz i Salman Sikandar, na dia niampanga ity fikambanana ity vao haingana tamin'ny famonoana an'i Choudhary Aslam, fantatra amin'ny maha-polisy henjana indrindra azy ao Pakistana aza ny governemantam-paritany Sindh:

Ry namana NawazSharif / Imran Khan sy ny namany, Iza no tompon'andraikitra tamin'ny famonoana an'i  Aitzaz Hasan”, kanefa niampanga ankarihary ny TTP tamin'ny raharaha Ch Aslam ny Governemanta Sindh.

Tao amin'ny bilaoginy, manontany i Mona Nasir avy ao Peshawar hoe maharitra hafiriana no hanaovan'ireo zanatsika sorona ny ainy: 

When I read this unprecedented story of this young boy courage , or for that matter anyone who loses their life in this losing war, I say to myself another one bites the dust. More than 60,000 have lost their lives, and more than million displaced through operations in areas which we hold responsible for all the mayhem, but we are still not sure where the root of the evil lie actually there, is it our war or not or how to deal with it.

 Raha namaky ity tantara tsy mbola fahita mikasika ilay tovolahy maherifo ity aho, na koa olona namoy ny ainy amin'ity ady mitondra mankany amin'ny faharesena ity, niteny tamiko aho fa nisy iray hafa nihinambovoka indray. Maherin'ny 60 000 ireo namoy ny ainy, ary maherin'ny tapitrisa ireo nifindra toerana tamin'ny alalan'ny bemidina maro tao amin'ireo faritra izay tompon'andraikitra tamin'ny korontana rehetra izao, saingy mbola tsy matoky isika hoe aiza moa no isika hoe aiza tokoa ny fototry ny ratsy, adintsika ve izy ity sa tsia sa ahoana no hiatrehana izany.

Zarrar Khurro, nanoratra tao amin'ny gazety mpivoaka isan'andro amin'ny teny anglisy, Dawn “Mendrika an'i Aitzaz Husain ve isika?”

We don’t need more Aitzazs’. Not one or one million. What we need is to be worthy of the one we lost. What we need is for those who claim to lead us to show the courage that this boy did. Perhaps, that is too much to ask from those who roll out apologies and obfuscations with such unerring regularity, but stammer and shake when it comes to naming those responsible for mass murder.

 Tsy mila Aitzazs maro hafa intsony isika. Na tokana na iray tapitrisa. Ny tokony ataontsika dia ny mendrika hoan'izay nandao antsika. Ny ilaintsika dia hoan'ireo izay milaza fa mitarika antsika hampiseho herim-po tahaka ny nataon'ity tovolahy ity. Angamba, be loatra ny fitakiana ho an'ireo izay mirona amin'ny fanaovana fialan-tsiny sy fialam-pondro tsy misy hokianina mihitsy, saingy miambakavaka sy mihivingivina rehefa hanondro ireo tompon'andraikitra tamin'ny famonoan'olona marobe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.