- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olona 30 Tao Gresy Nahazo Asa Vaovao Tamin'ny Alalan'ny Diezy Twitter

Sokajy: Gresy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara
Graffiti in Greek reads, "I don't hope anything, I am not afraid of anything, I am unemployed." [1]

Soratsoratra amin'ny teny grika mivaky hoe: “Tsy manantena na inona na inona aho, tsy matahotra na inona na inona aho, tsy an'asa aho”, famerenana indray ilay fomba fiteny malaza an'ilay mpanoratra Grika iray. Sary avy amin'i SpirosK photography via Flickr. CC BY-NC-ND 2.0

Tamin'ny fotoana izay nahatratra 27 isan-jato ny tahan'ny tsy fananan'asa tao Gresy, nanampy olona 30 tamin'ny fahitana asa ny diezy (hashtag na tenifototra) Twitter tao amin'ny firenena.

Noforonin'ilay mpisera Twitter @dimitrischrid [2] tamin'ny fiandohan'ny volana Oktobra ny diezy #aggeliesergasias (jobadverts (filazanaasa) ) mba hanampiana ireo mpisera media sosialy hizara vaovao mikasika izay asa azo atao ao Gresy sy any ivelany. Tamin'ny 11 Desambra, lohahevitra malaza nandritra ny 11 ora tao amin'ny Twitter Grika ny diezy, noho ny fampiasan'ireo mpisera Twitter azy sy noho ireo fitaka sy lainga amin'ny vavahadin-tserasera sasany momba ny asa. 

Fantatrao ve fa lohahevitra malaza tamin'ny Alarobia 11 nandritra ny 11 ora tao Gresy ny #aggeliesergasias [3]

Nanjary mariky ny firaisankina tao amin'ny Aterineto ho fanoherana ny olan'ny tsy fananan'asa tsy mitsaha-mitombo ao amin'ny firenena izany. Fampahalalam-baovao maromaro tao Gresy no niresaka momba ity fisantaran'andraikitra ity, nanasokajy izany ho tsotra, maranitra ary mahomby. Bilaogy Keep Talking Greece [7], natokana hizarana ny tantaran'ireo “tena” Grika niharan'ny krizy, nanoratra hoe:

Within a few days, the hell broke out: Twitter users started to post job offers they knew or heard about, while job seekers started to post their request. ReTweets and Favorites added quickly to the success of this modern, social media way to get to see a job offered in Athens or Xanthi, in London or Preveza, in Cete or in Geneva. 

Tao anatin'ny andro vitsivitsy, nipoaka ny helo: nanomboka nandefa tolotr'asa izay fantany na reny ireo mpisera Twitter, raha toa kosa ka nandefa izay asa tadiaviny ireo mpitady asa. Ny fizarana sioka sy ny fampakarana izany ho favori nonahahaingana ny fahombiazan'ity fomba maoderina, amin'ny alalan'ny fitaovam-piseraseram-piarahamoina ity hitadiavana tolotr'asa mivoaka any Athènes na Xanthi, any London na Preveza, any Cete na any Geneva.

Ny Mpanangana @dimitrischrid [2] nanazava tamin'ny tranonkalam-baovao Protagon [8] ny fiantraikan'ilay diezy (hashtag) hatramin'izao: 

Μέχρι τώρα, που είναι ακόμα πολύ νωρίς και πολλοί δεν γνωρίζουν προς το παρόν αυτόν τον τρόπο εύρεσης εργασίας, μου έχουν στείλει περίπου 30 άτομα μήνυμα που μου είπαν ότι προσλήφθηκαν και θέλησαν να με ευχαριστήσουν για το καλό που τους έκανα. […] Ο καθένας από εμάς μπορεί να φτιάξει ένα hashtag, δεν υπάρχει τρόπος να πληρωθείς ποτέ την επιτυχία του, αλλά η ηθική ανταμοιβή που παίρνω καθημερινά, αξίζει όλα τα λεφτά του κόσμου».

Hatramin'izao fotoana izao, ary mbola lasa aloha loatra sady mbola maro no tsy mahafantatra ity fomba fitadiavana asa ity, manodidina ny 30 no efa nandefa hafatra nilaza tamiko fa nisy nandray ho mpiasa izy ireo ary te-hisaotra ahy noho izany fahazoana asa izany. […] Afa-manao diezy avokoa ny tsirairay amintsika, tsy misy fomba handraisam-bola hahatrarana ny fahombiazana, saingy ny valisoa mendrika (mifanaraka amin'ny mety) azoko isan'andro dia mbola manan-danja noho ny vola misy manerana izao tontolo izao

Niitatra tao amin'ny  Facebook [9] ihany koa ity ezaka ity.