Andro mialoha ny Krismasy, vondro-nosy maromaro tao Karaiba Atsinanana, tahaka an'i Dominika, Santa-Lucia, Saint-Vincent sy Grenadines, no niharan'ny tafio-drifotra izay niafara tamin'ny rotsak'orana naharitra ora maromaro, sy tondra-drano goavana ka am-polony mahery ireo namoy ny ainy.
Maro ireo olona voafandrika sy tafahitsoka satria mbola tao anatin'ny fanomanana minitra farany amin'ny fankalazana ny krismasy.
Saint Lucia, izay mbola tsy tafarina akory tamin'ny tafio-drivotra Tomas tamin'ny 2010 dia niharan'ny tondra-drano goavana sy fahasimbana tetezana maromaro tao atsimo-atsinanan'ny vondro-nosy, ka nampitoka-monina ireo tanànakely sasantsany. Farafahakeliny dimy no fantatra fa maty ka polisy manam-pahefana no iray tamin'izany izay namoy ny ainy teo am-panatontosana asa fanavotana.
Tao amin'ny vondrona an-tserasera St. Lucians Aiming for Progress (St. Lucia Mikendry Fampandrosoana), olona maro, indrindra ny avy amin'ny am-pielezana no nikarakara hetsika fanampiana hoan'ireo niharam-boina. Maro ireo nanontany mikasika ny fampahafantarana hoan'ny vahoaka (na ny tsy fisian'izany) navoakan'ny Sampan-draharaham-pirenena misahana ny Vonjy Taitra sy ny Biraon'ny Sampana Famantarana ny Toetr'andro talohan'ny tafio-drivotra.
Nitsikera mafy ny fitantanana ny vonjy taitra tao Saint Lucia i Wayne Vitalis
Martinique's Met Office denies radar malfunction; St. Lucia's Met Office denies radar malfunction …….. But some Lucians deny incompetence. The Lord cannot help us with that! NEMO must answer for what they told the nation, not to mention the chaotic/non-response to guiding and coordinating the nation's response to the disaster.
Nolavin'ny Biraon'ny Famantarana Toetr'andro ao Martinika ny tsy fandehanan'ny radara; Nolavin'ny Biraon'ny Famantarana Toetr'andro ao St. Lucia ny tsy fahatomombanan'ny radara….Saingy nolavin'ireo mponina tao St.Lucia ny tsy fahaizana. Tsy afaka hanampy antsika amin'izany ny Tompo! Tokony hamaly izay nolazainy tamin'ny firenena ny NEMO, tsy lazaina intsony ny tsy fahombiazana/sy ny tsy fanarahana ny torolalana sy ny tsy fisian'ny fandrindrana ny valin'ny nataon'ny firenena manoloana ny voina.
Manontany i Ananias Verneuil raha misy afaka manazava ny hoe tonga ivelan'ny vanim-potoanan'ny rivodoza ve (Jiona hatramin'ny Novambra) ity tafio-drivotra ity :
In my opinion this system came after normal hurricane season and therefore it was not considered to be cyclonic. In this regard, we all were caught with our pants down. It was a trough that contained unusual amount of rainfall that could not have been estimated before the down pour.
Raha ny hevitro, tonga taorian'ny vanim-potoanan'ny tafiodrivotra mahazatra ity zavatra ity ka heverina ho tsy rivodoza. Raha amin'izay fijery izay dia tratran'ny tsy nampoizina avokoa isika rehetra. Tamin'ny alalan'ity rotsak'orana betsaka tsy mahazavatra ity no tsy nahafaha-nanombana azy talohan'ny nirotsahany.
Namaly am-piesoesoana i Minerva Ward fa tsy rariny ny manantena ny sampan-draharahan'ny vonjy taitra (NEMO) hiasa mandritra ny vanim-potoanan'ny Krismasy:
Now I beginning to find yall real rude and outta place to expect NEMO and the Met Office to be working on Christmas Eve! Don't you'll know Christmas week everyting in government shut down. Yall actually expect government employees to be working?? The ppl must have been out on their shopping day you'll deh stressing the ppl with a stupid little upper level trough. Yall really expecting a lot!! So what if the whole country washes out to sea, it's Christmas and u dun know how tings run in St Lucia.
Ankehitriny, hitako fa tsy rariny sady tafahoatra ny ataonareo manantena ny NEMO sy ny Biraon'ny Sampan-draharahan'ny Famantarana Toetr'andro hiasa ny andro alohan'ny Krismasy! Tsy fantatrao ve fa mikatona daholo ny zava-drehetra an'ny fanjakana mandritra ny herinandron'ny Krismasy. Nanantena ireo mpiasam-panjakana hiasa tokoa ve ianareo? Tokony mba nivoaka niantsena ny olona saingy tsy afaka noho ny fiakaran'ny rano. Nanantena be loatra ianareo! Ahoana raha hisasa amin'ny ranomasina ny firenena manontolo, Krismasy ny andro kanefa tsy fantatrao izay fandehan-javatrao eto St Lucia.
Nihevitra i Fred Walcott fa tsara raha fantarina izay nitranga tao amin'ireo vondro-nosy rahavavy mikasika ny fanairana na filazana loza momba ny tafiodrivotra:
How did the other islands fare? Did they receive adequate notification? Were they prepared? What, if any, was the impact if they did receive adequate notice? This not an attempt to absolve NEMO or any other agency responsible for alerting the public. With enough notice people in flood prone areas can be persuaded to move to higher ground, companies can elevate their sensitive gear above known flood levels and cover same with damp-proof material. etc, etc. pre- Disaster mitigation procedures can be initiated. Like the island all utilities should have a disaster plan and execute regular disaster drills.
Ahoana ny nataon'ireo vondro-nosy hafa? Nahazo fampilazana araka ny fotoana mety ve ry zareo? Niomana ve izy ireo? Inona no niseho (raha nisy) raha nahazo fampilazana mialoha araka ny tokony ho izy ry ireo? Tsy fikasana hanadio ny NEMO na tompon'andraikitra hafa amin'ny fanairana ny vahoaka akory izany. Raha nisy ny fampilazana ampy natao mialoha, mety resy lahatra hifindra toerana avoavo kokoa ireo olona ao amin'ny faritra mety hiharan'ny tondra-drano, mety nanala ny fitaovany saro-pady mety ho tratran'ny rano ary nandrakotra izany tamin'ny fitaovana tsy laitran'ny hamandoana, sns ireo orinasa. Tokony natomboka ireo fepetra fiarovana amin'ny loza. Tahaka ny vondro-nosy, tokony manana drafitrasa momba ny loza sy mampihatra ireo fepetra fisorohana ny loza ny sampan-draharaham-panjakana rehetra.
Raha nisy tondra-drano tao Dominika, nosy nanambara-tena fa tompon'ny tany misy renirano 365, tsy nisy ny tatitra mikasika ireo niharam-boina. Na dia izany aza, notombanan'ny Praiminisitra Roosevelt Skerrit ho eo amin'ny EC45 tapitrisa dolara eo ny tetibidin'ny asa fanarenana.
Nilaza ny tatitra tany am-boalohany fa olona valo no namoy ny ainy (anisan'izany ireo ankizy) tao St. Vincent taorian'ny tafio-drivotra, ary mbola misy ireo olona tsy hita popoka. Goavana ny fahasimbana nateraky ny tafio-drivotra indrindra tao amin'ny faritra Avaratry ny vondronosy. Araka ny tatitra tamin'ny fampahalalam-baovao, diboky ny rano ny Seranam-piaramanidina E.T Joshua sy ny Hopitaly Milton Cato Memorial. Tsy dia niharam-boina goavana kosa ireo mponina Grenadines
Nahazoan-dalana avy amin'i Tamiko Sabrina, Johnson Jkube James, Linus Cauzabon, Natalia Bhajan, ary Yukanka Daniel ireo sary rehetra eo ambony