Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mpiantsehatra Malaza Ao Rosia Mitaky An'i Putin Hanameloka Ny ‘Sodomia’

Ivan Okhlobystin, interview from June 2013, screenshot from YouTube.

Ivan Okhlobystin, tafatafa tamin'ny Jona 2013, dikasary avy ao amin'ny  YouTube

Rosiana iray mpiantsehatra malaza i Ivan Okhlobystin, nameno ireo lohatenin-gazety noho ny fihetsiny mankahala olona mitovy taovam-pananahana nefa mifanambady: taratasy iray misokatra [ru] no nalefany ho an'i Vladimir Putin, mitaky ny Filoha hanameloka ny ‘sodomia’ ao Rosia. Okhlobystin, izay raha ny mombamomba ny fiainany ahitàna firotsahana an-tsehatra, fanatontosàna, ary hatraminà nanaovany asa maha-pretra Ortodoksa ampolo taonany, dia nigagàna [ru] tamin'ny nanaovany ireo fanambaràna manafintohina ho an'ny daholobe, mazàna no fanoherana ireo lehilahy mifanambady. Ohatra fotsiny tamin'ny volana lasa, ny Desambra 2013, nilaza tamin'ireo olona marobe tao Novosibirirsk i Okhlobystin fa hanisi-kevitra izy ny handoroana anaty memy ireo lehilahy mifanambady [ru], miaraka amin'ireo rantsa-mangaikan'ny asa fanaovana gazety ao Maosko izay nampangainy ho miombom-panahy amin'ny “fomba tsy matianina” amin'ireo lehilahy mifanambady.

Notakian'i [ru] Okhlobystin ihany koa ny handraràna ny fisoloana vaika ny fitondràna vohoka (ampitoviany amin'ny fivarotantena), ampitahainy [ru] amin'ny firaisana amam-paty sy amin'ny biby ny fifanambadian'ny samy lehilahy, ary nanome toky koa izy fa hamono na iza na iza amin'ireo zanany vavy raha sanatria misy amin'izy ireo latsa-pitia aminà lehilahy afrikana. (Na mbola tsy nanao fialantsiny velively noho ireo fanamarihany momba ny lehilahy mifanambady aza izy, niezaka i Okhlobystin hitondra fanazavàna [ru] ny fisainany feno fanavakavahana tao anaty lahatsorany am-bilaogy ho an'ny Snob.ru, izay nialàny taty aoriana kely, tamin'ny nanakianany ny [ru] tonian-dahatsorara, Masha Gessen, ho “manao fampielezankevitra ho an'ny fifankatiavan'ireo mitovy taovam-pananahana sy ny vehivavy mifanambady.”)

Raha toa ny kiribiby mafy ataon'i Okhlobystin ka tonga amin'ny fara-tampony amin'ny maha-seho azy, marobe ireo ao amin'ny RuNet no maneho ahiahy [ru] hoe tena loza be ity mpisehatra ity. Anaty lahatsoratra iray [ru] ao amin'ny Facebook izay nahazo “fankafizana” maherin'ny 500, nanoratra i Eduard Boyakov, mpamokatra seho an-tsehatra, fa efa natsahany ny fiheverana an'i Okhlobystin ho “adala” sy “mpanao hatsikana” ary nitohy niaina amin'ny fahitàna azy ho toy ny fasista hita vatana. Tahaka izany ihany, i Ksenia Larina, mpanao gazety, dia nanely io fahatsapana io tanaty lahatsoratra iray [ru] hafa tao amin'ny Facebook , nahazo fankafizana efa ho 400.

Ireo hafa mpisera ety anaty aternieto dia nionona tamin'ny fanaovana vazivazy mikasika ilay taratasin'i Okhlobystin ho an'i Putin. Tamin'ny fampitahàna azy io amin'ireo fanehoankevitr'i Novosibirsk, nanesoeso i Aleksandr Zaborovsky :

Nangatahan'i Okhlobystin i Putin mba hamerina ny fanamelohana ny ‘sodomia’. Saingy iray volana lasa izay, Nanoso-kevitra ny handoroana anaty memy ireo lehilahy mifanambady i Ivan. Lasa nalefaka lery.

Okhlobystin (center) and the cast of "Interns," the hospital comedy television show that's made Okhlobystin a household name in Russia. Screenshot from YouTube.

Okhlobystin (afovoany) sy ny andianà “Mpiofana,” seho fanalàna azy momba ny hopitaly ao amin'ny fahitalavitra izay nahatonga ny anarana Okhlobystin ho nalaza tao Rosia . Dikasary YouTube

Na eo aza ireo hagaigena tafahoatra iavahany amin'ny rehetra, mijanona hatrany ao anatin'ny holafitr'ireo pretra Ortodoksa nandray hosotra i Okhlobystin, saingy mihantona mandritra ny fotoana tsy voafetra, taorian'ny fanapahan-kevitra iray [ru] noraisin'ny Patriarch Kirill tamin'ny Febroary 2010, rehefa neken'ny filoham-piangonana ny fangatahan'i Okhlobystin hiverina ao anatin'ny tontolon'ny fampialàna voly. Raha efa tsy mahazo mitarika fotoana intsony sy mitafy ny rebareba ary ireo fitafy hafa maha-pretra izy, mbola raisina an-tànan-droa ihany kosa i Okhlobystin hiditra ao amin'ny asa fisoronana amin'ny fotoana itiavany azy.

Tamin'ny Septambra 2011, naneho ny fifamatorany mafy tamin'ny Fiangonana izy tamin'ny nialàny tampoka tamin'ny fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana filoha [ru], taorian'ny fanambaràna iray [ru] nataon'ny Mpitantsoratry ny Gazetim-piangonana fa hoe voaràra tsy hiditra amin'ny resaka politika ireo mpitondra fivavahana. (Raha ny marina dia efa ho 14 taona io fandraràna io, voapetraka tsara ao anatin'ny “Fototry ny Rafi-pisainana Sosialin'ny” Fiangonana tamin'ny 2000.)

Any ivelan'ny Fiangonana, manana namana hafa mitàna toerana ambony i Okhlobystin. Andrei Ilnitsky, Lefitry ny lehiben'ny governemanta Oblast ao Maosko dia nibitsika ho fanohanany ilay taratasy nalefa ho an'i Putin, tamin'ny fanoratana hoe :

Niteny tsy niolakolaka ny zavatra efa nosainin'ny ankamaroan'ny olona nandritry ny fotoana ela, saingy tsy sahiny nolazaina noho ny antony samihafa, i Okhlobystin

Ankoatra izay, ny antson'i Okhlobystin “hampidirana ireo lehilahy mifanambady ho any anaty memy” dia misy fitoviana betsaka amin'ny kabarin'i Dmitry Kiselyov tao amin'ny fahitalavitra tamin'ny Aprily 2012, izay nilazàny fa tokony hodorana na halevina eny an-dalambe ny fon'ireo lehilahy mifanambady maty taminà lozam-piarakodia. Andro maro talohan'ny fanamarihan'i Okhlobystin tao amin'ny Novosibirsk, notendren'i Vladimir Putin i Kisleyov ho lehiben'ny fikambanana media iray vaovao hisahana ny fanatsaràna ny endrik'i Rosia any ivelany

Ny herisetra tsy miato misy ankehitriny atao an'ireo olona mitovy taovam-pananahana nefa mifanambady ao Rosia dia tsy nanatsara velively ny fijerin'ny any ivelany an'ity firenena ity. Ny 5 Janoary 2014, ohatra (andro telo nialoha ny niantsoan'i Okhlobystin fanamelohana indray ny ‘sodomia’), vondrona samihafa miisa 20, mpiaro ny zon'ireo LGBT (mitovy taovam-pananahana fa mifanambady) no namoaka ny taratasy misokatra avy amin'izy ireo manokana ho an'ny Tale mpanatanteraka ao amin'ny Apple, Tim Cook, nitakiany an'ity vondron'orinasa namorona ny iPhone ity mba hamerina hijery ny fiarahany miasa amin'ilay Rosiana mpaninjara Euroset, izay itànan'i Okhlobystin ny toeran'ny talen'ny famoronana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.