- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misokatra Ny Fifantenana Ireo Hifaninana Amin'ny (Bloggies Award)

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Misokatra hatramin'ny 25 Janoary ny fisoratana anarana amin'ny Loka Bloggies 2014 [1].

Ny sokajy hoan'ireo kandidà voafantina dia mikasika ireto faritra ireto (Azia, Afrika, Eoropa, sns) ary  lohahevitra tahaka ny Fampianarana, LGBT (fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana), Politika, Saripika, sns ary miampy ny «fomba fanoratra tsara indrindra amin'ny bilaogy”, “bilaogim-piarahamonina tsara indrindra”, “fitazonan-tsiambaratelo tsara indrindra » ary ny «Zava-bita nandritra ny fiainana». Afaka misoratra anarana ihany koa ianao mba ho isan'ireo mpifidy voafantina an-kisendrasendra mba hifidy izay ho mpifaninana ho any amin'ny famaranana …

Fitsipika vitsivitsy:

Ambara amin'ny faran'ny volana Martsa izay ho mpandresy amin'ny weblog, ary hahazo vola mitentina 2,014 cents dolara etazonia sy lazam-bilaogera mahafinaritra kely.

Afaka manaraka ny pejy twitter momba ny fifaninanana weblog @Bloggies [2] sy facebook [3] ianao raha mila fanampim-baovao.

Sary nalaina tao amin'ny pejy twitter-n'ny weblog.