SARIPIKA: Olon'i Azia Atsimo

Ny taona 2010, nanomboka naka sary ireo olon-tsy fantany teny an-dalamben'i New York i Brandon Stanton, mpaka sary , izay nametra-panontaniana vitsivitsy tamin'izy ireo, ary nizara ny tantaran'izy ireo tanaty aterineto. Telo taona taty aoriana, nakambany ny pejy Facebook Humans of New York (HONY), ary satria nihanalaza ilay tetikasa, dia nanomboka nandika izany hevitra izany tanatin'ireo bilaogy sy ireo pejy Facebook manasongadina ireo sary sy ireo tantaran'ny mponina avy any amin'ny faritra misy azy ireo mpaka sary matianina sy ireo mpankafy manerantany.

Topazo maso ny fomba nanaingan'ny Humans of New York (Olon'i New York) ny fanahin'ireo mpaka sary manerana ireo firenen'i Azia Atsimo.

India

Screenshot of the Humans of India Facebook Page

Dikasarin'ny pejy Facebook “Humans of India” (Olon'i India)

Hatramin'ny niforonany ny 1 Jona 2012, nahasarika olona maherin'ny 108.700 ny pejy Facebook Humans of India sady nozarain'olona maherin'ny 17.800. Nanazava i Megha Majumder, ilay Tale Jeneralin'ny pejy Facebook Humans of India tanatinà tafatafa niarahany tamin'ny Mashable fa:    

Misy an'ity teny iray ity izay latsaka tato am-poko efa ela izay: “sonder”. Izany dia ny fahatongavan-tsaina fa ny mpandalo tsirairay raisina an-kianjoanjo dia mandia fiainana velona sy feno fahasarotana tahaka ny anao, miaraka amin'ireo eritreriny manokana, ireo fihetseham-pony sy ireo fitiavany. Ary ho azy ireo, endrika iray mandalo fotsiny eny andalam-be koa ianao. Nisarika ny eritreritro ny “Sonder” – tsy vahiny intsony ireo vahoaka ireo

A decoration of the body, an enhancement of the soul ॐ. Image by Humans of India. Used with permission.

Haingo ho an'ny vatana, hatsarana ho an'ny fanahy ॐ. Sary an'ny Humans of India. Fampiasàna nahazoana alàlana.

"I'm pretty sure that love and light have something to do with each other. That's why Diwali's cool. Lots of love in the air." Image by Humans of India. Used with permission

“Mino aho fa misy ifandraisany ny fitiavana sy ny jiro. Izay no mahatony an'i Diwali. Manimanitra fitiavana ny tontolo”. Sary an'ny Humans of India. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Nisy ireo hetsika mitovy amin'izany nataon'ireo tetikasa toy ireo Humans of Bangalore, ny Humans of Mumbai, ny Humans of New Delhi (12), ny Humans of Hyderabad ary ny Humans of Lucknow. Manaiky ireo sanganasa nalaina avy any ifotony ny ankamaroan'ireo pejy ireo.

Screenshot of Humans of Bangalore page

Dikasarin'ny pejin'ny Humans of Bangalore

Bangladesh

Ny Humans of Bangladesh dia tetikasa fakàna vaovao avy any ifotony izay nahazo mpanaraka maherin'ny 2.050 hatramin'ny nanombohana azy ny 19 Jolay 2012.

Screenshot of Humans of Bangladesh blog

Dikasarin'ny bilaogin'ny Humans of Bangladesh

Misy tetikasa hafa vaovao ihany koa, natomboka ny 29 Novambra 2013, nataon'ireo Bangladeshi mpaka sary izay antsoina ihany koa hoe Humans of Bangladesh, izay arahan'olona maherin'ny 4.700.

Screenshot of Humans of Bangladesh by Bangladeshi photographers.

Dikasarin'ny Humans of Bangladesh nalain'ireo Bangladeshi mpaka sary

Misy ihany koa ny pejy Humans of Dhaka.

Maldiva

Natomboka ny 10 Aogositra 2013 ny pejy Facebook Humans of Maldives ary arahan'olona maherin'ny 2.300.

Screenshot from Humans of Maldives Facebook page

Dikasary avy amin'ny pejy Facebook Humans of Maldives

Bhutan

Nalaina avy amin'ilay Humans of New York, nanomboka ny Septambra 2012 ny pejy Humans of Bhutan ary nanohy ny tahirin-tsariny tamin'ny sary iray isaky ny mandeha izany.

Screenshot of Humans of Bhutan webpage

Dikasarin'ny pejy Humans of Bhutan

Nepal

Mankalaza ny fahasamihafana eo amin'ny kolontsaina, ny foko ary ny finoana any Nepal ny pejy Humans of Nepal, izay nanomboka ny 7 Jona 2013, .

Screenshot from Humans of Nepal

Dikasary avy ao amin'ny Humans of Nepal

Pakistana

Natomboka ny volana Jolay 2012 ny pejy Humans of Pakistan, ary nisy pejy iray Humans of Pakistan hafa natomboka ny 22 Aogositra 2013. Arahan’ olona anjatonjatony vitsivitsy ireo pejy ireo.

screenshot of the Humans of Pakistan Facebook page

Dikasarin'ny pejy Facebook Humans of Pakistan

Tahaka ny manan-daza kokoa ireo pejy an-tanàn-dehibe, toy ny Humans of Islamabad sy Rawalpindi (mpanaraka 3.416), ny Humans of Cachemire (mpanaraka 1.209), ny Humans of Sindh (mpanaraka 3.521), ny Humans of Lahore (mpanaraka 7.057), ary ny Humans of Karachi (mpanaraka 99.647).

Letter by Sakina. Image courtesy Humans of New York and Humans of Karachi

Sakina Gheewala. Sary an'ny Humans of New York sy ny Humans of Karachi, nalaina teo ambany famelana

Nanoratra taratasy ho an'i Brandon Stanton, mpamorona ny Humans of New York, i Sakina Gheewala, izay nasongadina tanatin'ny pejy Humans of New York, manazava ny antony nahataitra azy tamin'ilay tetikasa:

Ho an'i Brandon,

Tonga aty Pakistana ny boky HONY-ko androany. Na dia efa tara dimy volana aza, io no fanomezana tiako indrindra tamin'ny fitsingerenan'ny nahaterahako tamin'ity taona ity.

Anatinà firenena iray izay hiadian'ny vahoaka amin'ny fiainana isan'andro, iray amin'ireo vitsy niangaran'ny vintana aho amin'izao ka ny olana goavana indrindra dia ny mba hidirana hianatra ho mpitsabo. Amin'ny faritra misy ahy eto amin'izao tontolo izao, ireo olona tahaka ahy, na dia miezaka mafy ny handà izany aza izahay, dia tsy misokatra amin'ny manodidina. Ary ireo olanay no atao hoe «olàna voalohan'izao tontolo izao”. Angamba ho gaga ny olona hahita Pakistaney iray mifankahazo amin'ny Tontolo Tandrefana. Izay mahita zavatra hafa ankoatra ny fankahalàna toa hitan'izao tontolo izao mitaratra avy aty. Saingy ato anatin'ny fefy kely misy ahy aty Pakistana, mahita tsirin-kevitra amin'ireo tantara nozaraina ao amin'ny Humans of New York aho, satria mampiseho zavatra lavitra mihoatra noho ny hitan'ny mason'ny maro izy ireo. Eny, i Pakistana amin'ny maha-firenena azy dia mijaly mihoatra lavitra noho ny sisa, manana olana iray an-davitrisa tokoa izahay, saingy mampatsiahy ahy ny HONY fa ambonin'izany rehetra izany, olona isika. Fa tsy mitovy ny Pakistaney rehetra, na koa ny Amerikana rehetra. Mampatsiahy ahy ny hitia sy hanaja ny rehetra izany — zavatra izay zary adinon'ny olona maro aty. Saika mahatonga ahy hahatsapa hatrany ireo sary sy tantara ao amin'ny HONY fa azo atao avokoa ny zavatra rehetra.

Misaotra,
Sakina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.