Voaheloky [1] ny fitsarana ao amin'ny distrikan'i Swat any Pakistana avaratra andrefana ho faty [1]ny vadin'i Ghazala Javed (vehivavy mpihira Pashto sady mafana fo mpanohitra ny Taliban) taloha noho ny namonoany ilay mpihira sy ny rainy tamin'ny 2012.
Nanohitra [3] tamin-kafanam-po ny faneren'ny Talibana azy tsy hihira i Ghazala Javed fony fahavelony ary nijoro nanohitra ny fametrahana ny Taliban [4]tany amin'ny Swat tanindrazany. Efa nifehy fotoana fohy an'i Swat ny Taliban ary voaroaka tao taorian'ny paik'ady nataon'ny tafika Pakistane tamin'ny 2009.
Fanamelohana ho faty roa sosona no azon'i Jehangir Khan vadin'i Ghazala taloha, miaraka amin'ny onitra 70 tapitrisa Rs (0,7 tapitrisa dolara amerikana). Nilaza ny fanapaha-keviny hampakatra fitsarana ambony izy.
Nanohina ireo Pakistane maro ny didim-pitsaràna ary dia notsarovana tao amin'ny Twitter ilay mpihira mahery fo.
Naneho ny fisindàn'ny ahiahiny i SAbaseen taorian'ilay sazy :
So good to know that our dearest late #GhazalaJaved [5] is finally recieving justice — a little late…but better late than never, eh.
— SAbaseen (@SesapZai) December 16, 2013 [6]
Tsara ny mahalala fa nahazo ny fahamarinana ihany ny farany ilay malalanay taloha i #GhazalaJaved [5] — somary diso tara… nefa aleo tara toy izay tsy nisy mihitsy, eh.
— SAbaseen (@SesapZai) 16 Desambra 2013 [6]
Zanatany Pashtun i Ghazala ary nihira tamin'ny fiteny Pashto, fiteny avy any Pakistana Avaratra-andrefana. Nankasitrahan'ny iray amin'ireo mpankafy azy, mpiserasera amin'ny Pashtun Twitter, ilay didy :
I wud really want to see this guy hung in bloody intersection for killing #GhazalaJaved [5]. Good decision. http://t.co/fZd1eaZufp [7]
— Schazad Bangash (@schazad) December 16, 2013 [8]
Tiako ho hita mihantona ho vonoina ho faty mihitsy io bandy io noho ny namonoany an'i #GhazalaJaved [5]. Hevitra tsara. http://t.co/fZd1eaZufp [7]
— Schazad Bangash (@schazad) 16 Desambra 2013 [8]
Izao no nolazain'i Nazrana Yousufzai, mpiserasera amin'ny Twitter Pashtun tamin'ny nanehoany hevitra momba ilay didy :
#RIP [9] GhazalaJaved- Your murderer has given what he deserved – http://t.co/nmGtukImUj [10]
— Nazrana Yousufzai (@NazranaYusufzai) December 16, 2013 [11]
#RIP [9] GhazalaJaved- Nahazo izay mendrika azy ny mpamono anao — http://t.co/nmGtukImUj [10]
— Nazrana Yousufzai (@NazranaYusufzai) 16 Desambra 2013 [11]
Izao kosa no navalin'ny ampanjaka Pashtoon ho fanehoany ny tsy fahatokisany ny rafitra ara-pitsaràna sy ny lalàna:
@NazranaYusufzai [12] You know this sentence will be reduced to 6 years till the proceudre of Supreme Court.
— Royal Pashtoon (@samzmer) December 16, 2013 [13]
@NazranaYusufzai [12] Ho hitanareo fa hihena 6 taona io sazy io mandra-pahatongan'ilay Fitsarana Avo.
— Royal Pashtoon (@samzmer) 16 Desambra 2013 [13]
Navoakan'ilay mpanao gazety Javed Aziz Khan ny sarin'ilay mpihira :
Singer #GhazalaJaved [5] ,killed in #Peshawar [14] in 2012. Court awarded death sentence to her ex-spouse in her murder case pic.twitter.com/pKoCTsQgtq [15]
— The Commoner (@JavedAzizKhan) December 16, 2013 [16]
Ny mpihira #GhazalaJaved [5], novonoina tamin'ny 2012 tany #Peshawar [14]. Nomelohin'ny fitsaràna ho faty ny vadiny taloha tamin'ny namonoany azy pic.twitter.com/pKoCTsQgtq [15]
— The Commoner (@JavedAzizKhan) 16 Desambra 2013 [16]
Nalaza be tany Afganistana ilay hira Pashto an'i Ghazala. Iray amin'ireo fiteny fampiasaina andavan'andro any Afganistana [17]ny Pashto. Nalefan'i Hyprgee ny horonantsarin'ilay fampisehoana farany nataon'i Ghazala tany Kabul :
Ghazala javed Last Concert Pashto song 2013 in kabal Part 5 YouTube: http://t.co/YrFMCSVMF1 [18] via @YouTube [19]
— Hyprgee (@hyprgee) December 18, 2013 [20]
Fampisehoana farany tamin'ny hira Pashto nataon'i Ghazala javed tao Kabal tamin'ny 2013, YouTube fizarana faha 5: http://t.co/YrFMCSVMF1 [18] via @YouTube [19]
— Hyprgee (@hyprgee) 18 Desambra 2013 [20]