Tenin'i Libanona : Tsy maritiora aho

Tsy vahiny amin'ny herisetra i Libanona. Matetika ny fipoahana baomba ary tsy misy voatazona mihitsy ireo tomponantoka. Ny 26 Desambra hatramin'ny 2 Janoary, nahafatesana olona 13 raha kely sy naharatràna marobe ny fanafihana roa tamin'ny alàlan'ny fanapoahana fiara voasesika baomba. Fanampin'izay, namoizana ain'olona 20 mahery ny fipoahana roa tamin'ny Novambra, ary mahasarotra ny hanantenàn-javatra tsara ho an'ny taona 2014 ny herisetra mitranga any amin'ny faritra maro ao amin'ny firenena. Ankoatra izany, aorian'ny fipoahana tsirairay, miverina fotsiny amin'ny fiainany andavanandro ny olona ary vetivety dia adino ny amin'ireo tsy manan-tsiny niharan-doza. Koa satria tsy mety io, mandrisika ny olona hijoro ny hetsika #NotAMartyr :

Toerana iray ho an'ny rehetra izay mino fa tsy vahaolana ny fahafatesana.
Toerana iray ho an'ireo izay tsy maniry ny ho antsoina ho maritiora tsy misy vidiny.
Toerana iray hanomezana voninahitra ireo rehetra namoy aina; ireo miala aina ary indrisy mbola ho faty amin'ny hoavy.
Toerana iray hanehoantsika amin'izao tontolo izao fa miasa saina isika.
Toerana iray anehoantsika amin'ny tsirairay fa te-hiova isika

Mila fanairana miala avy amin'ny toetra mandrevirevy izay voafaritra tsara ao anatin'ny “Zeziky ny Eritreritra” i Libanona :

Lasa firenena iray tena anjakan'ny fahatahorana toerana tery sy ny fahasarotan-tahotra isika; nitsahatra tsy nanantena isika hoe iny no ho baomba farany satria fantatsika fa mbola hisy iray hafa hanaraka eo tsy ho ela; miaina anatin'ny aloka tsy mierin'ny ady an-tranontsika isika ary mifoha tsy manan-tanjona isaky ny maraina, tsy mahatakatra loatra izay tena zava-misy; voatelin'ny revirevy mitokantokantsika ihany isika, ataon'ny kilasy ara-pinoana sy politika efa lomorina (manempotra); ary tsy vitantsika velively ny mahatsiahy ny fomba tsy nahavitantska nanao na inona na inona mikasika azy io.
Maro amintska no vaozona hanantena hatrany, ary maro dia maro amintsika no voaozona tsy hanam-panantenana. Na inona na inona anefa ny toe-panahy misy anao ankehitriny, aleo hazava amintsika farafaharatsiny fa: tsy maritiora isika. Tsy miala aina ho anà hetsika iray. Fa dia miala aina fotsiny amin'izao.

Taorian'ny fipoahana ny 26 Desambra, olona iray tsy mitononaa anarana, endrika tsy manantsiny anatin'ny hafa rehetra ihany, no nanomboka onja kely iray: Rehefa maty noho ny ratra nanjo azy i Mohamed Chaar, 16 taona, taorian'ilay fipoahana ny 26 Desambra, nozarain'ireo Libaney mpisera ety anaty aterineto ny saripikany sy ny sarin'ny tenany nalainy ihany, fotoana fohy talohan'ny nipoahan'ilay baomba, mba hampahatsahivana izao tontolo izao fa tsy maritiora akory ilay tovolahy, teny izay matetika ampiasaina fahatàny. Ny bilaogera “The Lebanese Expatriate” dia manazava [ar] ny antony iresahana izany [ar]:

محمد الشعار ليس شهيداً، فهو لم يختار القتال إلى جانب طرف ضد آخر.

محمد الشعار ليس شهيداً، فهو لم يدعم العنف ولم يكن مستعداً لتضحية بحياته من أجل قضايا سياسية أو دينية.

محمد الشعار ليس شهيداً، محمد الشعار ضحية.

Tsy maritiora akory i Mohamed Chaar, tsy nisafidy ny hiady eo anilan'ny iray mba hamely iray hafa izy
Tsy maritiora akory i Mohamed Chaar, tsy manohana herisetra izy ary tsy nivonona hanao sorona ny ainy ho anà resaka politika na finoana
Tsy maritiora akory i Mohamed Chaar, olona niharan-doza fotsiny i Mohammed Chaar.

Nivadika ho tenifototra #NotAMartyr na #مش_شهيد teny anaty sehatry ny media sosialy rehetra teny ilay onjam-piraisankina amin'i Mohamed Chaar, ho toy ny ezaka hitakiana ny fiverenan'ny firenena amin'ny filazana hoe fiovàna toy inona no tsy maintsy atao ao Libanona.

Ao amin'ny Twitter, ampangain'i Mariam Akanan ny politikam-pisamantsamahana ao Libanona:

@Akananmariam: بدي حجابي يمثل إماني و حبي للسلام مش انتمائي السياسي او الحزبي. #مش_شهيد #notamartyr

@Akananmariam: Tiako hanehoana ny finoako sy ny fankamamiako fandriampahalemana ny “hijab”-ko (voaly isalobonana), fa tsy ny firehako ara-politika na antoko

Lavin'i @LebaneseVoices ny herisetra tsy mitsahatra :

@LebaneseVoices Leo aho manisa ny fianakaviako isan-kerinandro vaky izao hoe nivoaka velona ve ry zareo tamin'ireny fipoahana ireny #notamartyr #انا_مش_شهيد #لبنان #Lebanon

Te-handray, tsy misy tahotra ny polisy, ny tànan'ilay bandy sipany i Mashrou3 Leila frontman @hamedleila :

Hamed Sinno: I would like to hold my boyfriend's hand without being afraid of the police

Hamed Sinno: te-hifampitantana amin'ilay bandy sipako aho, tsy misy tahotra ny polisy

Sy ny maro hafa:

@leabaroudi 31 Dec I want criminals to be held ACCOUNTABLE #notamartyr pic.twitter.com/qn6pSp7WxY

@leabaroudi:
Tiako ho tànana ho TOMPON'ANDRAIKITRA ireo nanao heloka bevava #notamartyr pic.twitter.com/qn6pSp7WxY

"I want to raise my kids in Lebanon"@safran3 #notamartyr #Lebanon pic.twitter.com/P9HPYiClN2

“Te-hitaiza ny zanako ato Libanona aho”
@safran3
#notamartyr #Lebanon pic.twitter.com/P9HPYiClN2

 

I want to stop hearing my parents say: "Stay at home, if anything happens we'll blame ourselves" by Ellen Francis

Tiako hitsahatra tsy haheno intsony ny ray aman-dreniko miteny hoe: “Mijanona ato an-trano, ho tsininay raha misy zava-mitranga”
Nozarain'i  Ellen Francis tao amin'ny Facebook

 

Manana pejy Facebook ny #NotaMartyr  izay ahafahanareo mahita sy mamaky fanambaràna misimisy kokoa avy amin'ireo mpisera ety anaty aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.