- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bangladesh : Voafidy 154 Sahady Tsy Mbola Nanomboka Fandrotsaham-Bato Akory

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Mbola tsy nanomboka akory ny fandrotsaham-bato, dia efa nahazo mihoatra ny atsasaky ny toerana ao amin'ny antenimiera sahady ny antokon'ny mpitondra ao Bangladesh, ny Ligin'ny Awami sy ny mpiara-dia aminy satria maro dia maro tokoa ny kandidà no tsy manana mpifanandrina aminy.

Amin'ireo antoko politika 39 voasoratra anarana dia manodidina ny 12 ihany [1] no mandray anjara amin'ny fifidianana ankapobeny [2] amin'ny 5 Janoary 2014. Vokatr'izany, efa voadidy ho azy ny momba ny toerana 154 amin'ny 300 [3].

Nidongy tsy hanao fifidianana ny firaisankinan'antoko 18 tarihin'ny Bangladesh Nationalist Party [4] (BNP na Antoko Nasionalista Bengladesh), mitaky ny hialan'ny praiminisitra Sheikh Hasina ka mamela governemanta tsy miandany hanaramaso ny fifidianana, araka izay efa ilazan'ny lalampanorenana azy.

Am-bolana ireo mpanohana ny mpanohitra ny efa niditra tamin'ny fihetsiketseham-panoherana misetrasetra manerana ny firenena [5] hampisehoan-dry zareo ny fitakian-dry zareo. Niteraka fahasimbana goavana sy tsy hita noanoa izany ary nanohintohina ny fiainana andavanandron'ny olona.

Three persons, including a woman, have been burned as miscreants lobbed a petrol bomb onto a bus at Paribagh in Dhaka, on the third day of the Opposition's nonstop blockade of the city protesting the election. Image by Khurshed Alam Rinku. Copyright Demotix (3/1/2014) [6]

Olona telo,ary vehivavy ny iray, no nodorana fa hoe olon-dratsy ka notorahana baomba solitany (cocktail molotov) tao amin'ny bus iray tao Paribagh any Dhaka, tamin'ny andro fahatelon'ny fanaovan'ny mpanohitra barazy tsy mitsahatra ny tanàna ho fanoherana ny fifidianana. Saripikan'i Khurshed Alam Rinku. Copyright Demotix (3/1/2014)

Sajeeb Wajed Joy, zanaka lahin'ny Praiminisitra, dia nanaiky tao amin'ny Facebook [7] [bn] fa mampiteraka fisalasalana amin'ny mampanankery ny fifidianana lazaina etoana ny fidongiana nataon'ny mpanohitra, saingy nolazainy fa tsy maintsy notanterahina ny fifidianana ho fanajana ny lalampanorenana (takian'ny lalampanorenana ny tsy maintsy hanatontosana ny fifidianana antenimiera mialoha ny 24 Janoary):

[…] সাংবিধানিক শুন্যতা তৈরি যেন না হয় তাতে, নিখুঁত না হলেও এই নির্বাচনের কোন বিকল্প নাই। আমাদের মহান সংবিধানকে সমুন্নত রাখার দায়িত্ব এখন সম্পূর্ণ আপনাদের উপর। আপনি যদি অসাংবিধানিক উপায়ে ক্ষমতা দখলের কোন সুযোগ দিতে না চান তবে, ভোটকেন্দ্রে যান এবং ভোট দিন।

[..] Tsy maintsy natao izao tsy hisian'ny banga eo amin'ny lalampanorenana, tsy manan-tsafidy ankoatra ity fifidianana ity isika na dia tsy ho tonga lafatra aza izany. Tsy maintsy isika ihany no mampanaja ny Lalampanorenana. Raha tsy tianao halain'ny hafa amin'ny fomba tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana ny fahefana dia mandehana mankany amin'ny biraom-pifidianana akaiky anao indrindra ary mifidiana azafady.

Na izany aza ny bilaogy Kathakata [8] [bn] dia mieritreritra fa manao izay hahakivy ny mpifidy ny ataon'ny governemanta:

[…] এই উপসংহারে পৌঁছালে কি ভুল হবে যে ভোটাধিকারের প্রশ্নটি, জনগণের দ্বারা নির্বাচিত হওয়ার প্রশ্নটি এখন আর মূল্য বহন করে না? ইতিমধ্যে জানা ফলাফলের মাধ্যমে বাংলাদেশের ভোটাররা যেহেতু জানেন, তাঁদের ভোটের মূল্য নেই, সে ক্ষেত্রে নির্বাচনের দিনে ভোটকেন্দ্রে যাওয়ার জন্য বিরোধী দল নয়, সরকারই আসলে ভোটারদের অনুৎসাহী করতে সক্ষম হয়েছে। তাতে করে বিরোধীদের ডাকা ‘বর্জন’ বা ‘প্রতিরোধের’ চেয়ে আরও বেশি কারণ তৈরি হয়েছে ভোটারদের ভোট না দেওয়ার।

[..] Mety ho diso ve ny manao tsoa-kevitra fa ny resaka mampihatra ny zo anananao handrotsa-bato, fifidianana ataon'ny vahoaka, dia tsy midika na inona na inona amin'izao fotoana izao? Satria efa maro ny mpifidy eto amin'ny firenena no mahafantatra sahady ny ho valiny, dia tsy misy lanjany ny safidin-dry zareo. Amin'izay fotoana izay ny governemanta, fa tsy ny ankivin'ny mpanohitra, no nanakivy ny mpifidy tsy handeha ho any amin'ny biraom-pifidianana amin'ny andron'ny fifidianana. Izany no antony lehibe kokoa tsy hantsotsahan'ny olona vato mihoatra noho ny antsoin'ny mpanohitra “tsy hiraharaha” na “hibodo”.

Nanatsonga [bn] ny tenin'ny minisitra Obaidul Quader [9] ny bilaogera sady mpikatroka Rasel Pervez (izay nahazo fahafahana vonjimaika rehefa notazonina noho ny zava-nosoratany [10]) ary niteny fa tsy demokratika ny fifidianana :

[…] আজকে যেমন ওবায়দুল কাদের বললেন সংবাদ সম্মেলনে ৫ই জানুয়ারীর নির্বাচনটা হয়ে যাওয়ার পর তারা সকল দলের অংশগ্রহনে, স্বচ্ছ নিরপেক্ষ এবং গণতান্ত্রিক নির্বাচনের জন্যে সংলাপ করবেন। তিনিও জানেন ৫ই জানুয়ারীর নির্বাচন গণতান্ত্রিক হচ্ছে না।

[…] Araka ilay nolazain'i Obaidul Quader tamin'ny valandresaka iray nataony, hanao fifampiraharahana ry zareo aorian'ny fifidianana amin'ny 5 Janoary hanaovana fifidianana andraisan'ny antoko rehetra anjara, malalaka sy marina ary demokratika. Na izy tenany aza dia mahatsapa fa tsy ho demokratika ny fifidianana amin'ny 5 janoary.

Ao amin'ny Twitter, lazain'i Mahbubul Karim ho “fifantenana” ny fifidianana parlemantera nasionaly fahafolo hotontosaina:

Tsy fifidianana io fa fifantenana mahamenatra http://t.co/em0sLJDSIz [11]

Police fire water cannon, tear shell to stopped a procession by lawyers supporting the opposition BNP and its ally Jamaat-e-Islami near the Supreme Court in Dhaka, Bangladesh. Image by  Zakir Hossain Chowdhury. Copyright Demotix (29/12/2013) [14]

Nitifitra tamin'ny tafondron-drano, akora mandatsa-dranomaso ny Polisy hampitsaharana ny filaharamben'ny mpisolovava manohana ny mpanohitra BNP sy ny mpiara-dia aminy Jamaat-e-Islami teo akaikin'ny Fitsarana Tampony tao Dhaka, Bangladesh. Saripikan'i Zakir Hossain Chowdhury. Copyright Demotix (29/12/2013)

Manoratra [bn] ao amin'ny Aamar Bandhu ny bilaogera Shaman Shattik [15] fa tiany mbola ho eo amin'ny fitondrana indray ny Ligy Awami hijereny ny famitàna ny fitsarana ireo meloka an'ady.

কথা উঠেছে, সবদলের অংশগ্রহণে নির্বাচন না হওয়ায় গণতন্ত্রের গতি ব্যাহত হবে ৫ই জানুয়ারীর একতরফা নির্বাচনে। কথাটার মধ্যে যতটুকু সত্য লুকিয়ে আছে, তার চেয়ে বেশি সত্য বোধ হয় জনগণের কাছেই সুবিধৃত হয়ে আছে। সরকারগুলোর জনগণের নিজস্ব মৌলিক সমস্যাগুলো সমাধানের সম্পূর্ণ আন্তরিকতার পরিবর্তে দূর্নীতি থেকে অধিকতর দুর্নীতির দিকে আরো ৫ বছরের জন্য যাত্রা করাটা নিশ্চিত করবে। কেননা, এই দুই দলই দুর্নীতিতে “কেউ কারে নাহি ছাড়ে সমানে সমান।” সেক্ষেত্রে ৫ই জানুয়ারির নির্বাচনে এই মূহুর্তে পুনরায় নির্বাচিত হতে যাওয়া আওয়ামী সরকারকে আমি ততদিন পর্যন্ত ক্ষমতায় দেখতে চাই, যতদিনে বেশিরভাগ চিহ্নিত যুদ্ধাপরাধীদের বিচারের রায় সম্পূর্ণভাবে কার্যকর হয়ে যাবে।

Ny firesaka an-tanandehibe moa dia hoe voasembantsembana ny demokrasia rehefa tsy mandray anjara amin'ny fifidianana amin'ny 5 janoary 2014 ny antoko rehetra. Raha misy marina ao amin'io fanambarana io, dia nisy fahamarinana ambony kokoka naseho tamin'ny olom-pirenena. Raha tokony hilofo amin'ny famahana ny olana tsotra [fototra] mpahazo ny olom-pirenena ireo governemanta ireo dia mailaka amin'ny fanitarana/fandrombahana ny fahefana ao anatin'ny dimy taona manaraka. Koa satria moa mifanindran-dalana (mitovy laharana) ny antoko lehibe anankiroa rehefa eo amin'ny kolikoly sy ny fihoaram-pahefana. Amin'izay tranga izay tiako tokoa ny mpandresy tsy azo idifiana amin'ny fifidianana 5 janoary 2014, ny ligy Awami, ho eo amin'ny fahefana hatrany mandra-pahavitan'ny fitsarana ireo meloka an'ady [16] izay mandeha amin'izao fotoana izao

Nilaza [17] [bn] ny Praiminisitra fa ny ankivy ataon'ny antoko mpanohitra no mendrika hobedesina amin'ny fisian'ny mpandresy tsy ho voatohitra amin'ny mihoatra atsasaky ny fari-pifidianana rehetra misy.

Vakio ihany koa: Nahoana No Nidongy Tsy Hanao Fifidianana Ny Mpanohitra Ao Bangladesh [18]