- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

ONG Pachamama : Nakaton'ny Governemanta Ekoatoriana

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Nanome baiko [1]ny hanakatonana sy ny “handravana” ny ONG Fundación Pachamama [2] [es] natao hiaro ny ala amazoniana any Ekoatera sy hanohitra ny fitrandrahana solika tsy nisy fakàn-kevitra mialoha tany amin'ny faritra ny governemanta Ekoatoriana. Nolazain'ny governemanta fa “manakorontana ny filaminam-bahoaka” ilay fikambanana. 

Ilay hetsika, izay baikon'ny Ministeran'ny tontolo iainana ary notanterahan'ny Ministeran'ny Atitany sy ny Mpitandro filaminana tamin'ny 4 Desambra 2013, dia nifototra [3]amin'ny filazana fa ” niala tamin'ny antom-pisiana voalaza ao anatin'ny sàtany sy ny tanjony ilay Fikmabanana; sy amin'ny fitsabahana amin'ny politikam-panjakana ankapobeny, loza mananontanona ny fiarovana anatin'ny Fanjakana ary amin'ny fanakorontanana ny filaminam-bahoaka ”  araka ny fitànana an-tsoratra [4]navoaka tao amin'ny tranonkalan'ny Ministera. Ankoatra izay dia navoakan'ny Ministera tamin'ny Twitter ny Fifanarahan'ny samy Ministera laharana faha 125 [5] izay manazava ny anton'ilay fanakatonana (jereo 1 [6], 2 [7], 3 [8] ary 4 [9]) [es] : 

Fifanarahan'ny samy Ministera laharana faha 125 mandrava ny ONG  Foundation Pachamama

Nampifandraisina tamin'ny hetsika nataon'ireo tompontany [13]izay natao vao haingana tao anatin'ny XI Ronda Petrolera [14] [es] (XI Oil Round), hetsika iray izay nanaovan'ny governemanta tolo-bidy faritra fitrandrahana solika 13 any Atsimo Atsinanan'ny ala Amazoniana any Ekoatera.

Noesoina sy nalain'ireo mpanao fihetsiketsehana baraka ireo solontena vahiny sasany nandritra io hetsika io.  Ho valin'izay dia navilin'ny Filoha Rafael Correa ny saina ho any amin'ny mpitandro filaminana tsy nandray ny fepetra tandrify izany nandritra ny nisehoany tamin'ny fahitalavitra tamin'ny Sabotsy, ary dia nanao fialantsiny imasom-bahoaka [15]tamin'ireo mpiasa solontena vahiny niharan'izany izy. 

Yasunidos [16] [es], vondrona iray miaro ny tontolo iainana, tamin'ity  resaka nifantoka tamin'ny Yasuní National Park [17]ity, no voalohany nisarika ny saina ho amin'ny zava-niseho :

Maika! Tonga ao amin'ny Fundación Pachamama ny mpitandro filaminana amin'izao fotoana izao. Lavinay izay fanasaziana rehetra atao amin'ireo miady ho an'i Yasuni 

Ny Ministeran'ny Atitany ihany no nanaparitaka ny sarin'ny fanakatonana ny Fundación Pachamama:

Loza: amin'izao ora izao,fandravàna ny ONG mifandray amin'ireo fanafihana tato ho ato.

 Nikarakara hetsi-panoherana avy hatrany ny mpiasan'ny Fundación Pachamama, araka ny hita ao amin'ireto sary ireto :

Nampanginina tamin'ny fanakatonana ny fikambanany ny mpiasan'ny Fundación Pachamama fotoana vitsy lasa izay

Belén Páez (F. Pachamama) ” Nakatona izahay noho ny fiampangànay ny fanitsakitsahana ny zon'ireo vazimba teratany : Taromenane, solika 11 round “

Naneho ny fankasitrahany io fepetra io ireo mpiserasera amin'ny aterineto Ekoatoriana sasany :

Hanjavona ihany nony farany ilay ONG tia kolikoly. Tsara be ry [ Filoha] Correa hahaha 

Fa ny sasany kosa naneho ny hatezerany sy ny tsy fanekeny izany tao amin'ny Twitter :

Manaraka ny baiko nomen'ny [Filoha Correa] fotsiny ny [ ny Minisiteran'ny Atitany]. Ampahatsiahiviko anareo ny fomba nanehoany ny hatezerany tamin'ny [Fundación Pachamama] Sabotsy

Fanamafisana ny tsy refesi-mandidy ny fanakatonana ny  Fundacion Pachamama , tena mampalahelo !

Nakaton-dry zareo taminà fotoam-pitsarana fohy sady maika ny Pachamama ? Mba nisy fampahafantarana mialoha sy zo hiaro tena ve ? Moa ve tany misy lalàna isika sa tsia ?

Mampahatsiaro ny lasa nampihorohoron'i Amerika Latina ny fanakatonana fikambanana mpanohitra noho ny fialokalofana amin'ny resaka fiarovam-pirenena ao Ekoatera.

Fa nanomboka ny fikarakarana hetsi-panoherana ireo fepetra noraisin'ny governemanta :

MAIKA : Fanaraha-maso ny fitsipahana ny fandravana ny [Fundación Pachamama] sy ny fandàvana ny didim-panjakana 16. amin'ny 5 hariva, Plaza San Francisco

FANAMBARANA  http://t.co/E8Dq11BZ96 [45] Hanao tafatafa ho an'ny mpanao gazety izahay ny Alakamisy 5/12 amin'ny 11 ora maraina ao amin'ny Alejandro de Valdez N24 33 sy Av. La Gasca

Manasokajy azy ho toy ny tsinontsinona sy mampiseho fa tsy manohana no tsy mandray anjara aminà hetsika mahery setra rehetra, mampihataka azy amin'ny hetsika ampangainy ilay fanambaràna [47]nataon'ny Fundación Pachamama. Nolazainy tao amin'io fanambaràna io ihany koa fa lavin-dry zareo ilay fanapahan-kevitra ary nampiany hoe :

No permitiremos que la agresión de que somos víctima, desvíe la atención y el debate del tema de fondo que es la violación de los derechos colectivos de los pueblos indígenas amazónicos y de los derechos de la Naturaleza, por una ronda petrolera realizada contra la voluntad de los legítimos propietarios de los territorios afectados, a través de una “socialización”, no una consulta.

Tsy ekentsika io fandranitana mihatra amintsika io hamiliviliana sy hiadiana hevitra momba ny fanitsakitsahana ny zon'ny vahoaka Amazoniana tompontany sy ny zon'ny natiora, noho ny fitrandrahana solika mifanohitra amin'ny hetahetan'ireo tompon'ny tany ara-dalàna voakasik'izany, amin'ny alàlan'ny ‘fampidirana azy ho anaty fiarahamonina’ fa tsy mba nisy fangalàna hevitra .

Namoaka fanambaràna [48]manameloka io seho io ihany koa ny Mpandrindra ny  Fikambanana Ekoatoriana Miaro ny Natiora sy ny Tontolo iainana  (CEDENMA) :

Rechazamos esta decisión intempestiva del gobierno nacional y exigimos se garantice el derecho a la legítima defensa de la Fundación Pachamama. Exhortamos a todas las organizaciones nacionales e internacionales que trabajan por los derechos humanos, colectivos y de la naturaleza, se pronuncien ante este acto represivo. Todo nuestro apoyo a Fundación Pachamama.

Lavinay io fanapahan-kevitra tsy tonga volana nataon'ny governemanta io ary angatahanay ny hiantohana ara-drariny ny zo fiarovan-tenan'ny Fundación Pachamama. Antsoinay ireo fikambanana rehetra nasionaly sy iraisam-pirenena miasa ho an'ny zon'olombelona, ny zo fototra sy ny zon'ny natiora mba hiteny hanohitra io hetsika famoretana io. Atolotray manontolo ho an'ny Fundación Pachamama ny fanohananay.

Nanao tafatafa ho an'ny mpanao gazety niarahany tamin'ireo fikambanana hafa miaro ny tontolo iainana ny Fundación Pachamama tamin'ny 5 Desambra tamin'ny 11 ora maraina :

Mbola ambony lavitra noho ny birao hita maso ny Fundación Pachamama ! Handroso foana izahay. Misy tafatafa ho an'ny mpanao gazety ANDROANY maraina amin'ny 11 ora, Alejandro de Valdez N24 33 sy Av. La Gasca

Manomboka amin'ny fanakatonana [ny Fundación Pachamama] izay efa vita omaly ny tafatafa ho an'ny mpanao gazety

“Nakatony izahay satria miampanga ny zava-misy hoe ao amin'ny faritra faha 79 ihany koa ireo olona tsy nifampiresahana, toerana izay hovoatery hifampiraharaha amin'ny faribolan'ny solika”

“Voahitsakitsaka ny ara-dalàna, tsy ny ara-pitsaràna ihany fa ny ara-pitantanana ihany koa. Tokony ho nampandrenesina ny Pachamama ” Dr Trujillo

Fitakina fakàn-kevitry ny vahoaka, tsy heloka ho an'ny vahoaka ny fitenenana mafy ho an'ny Yasuni ! Herisetra ny fameram-pitenenana

Taorian'ilay tafatafa, nizara fanangonan-tsonia tao amin'ny Avaaz [57]ny Fikambanana mba hangatahana ny fiarovana ny  “fahalalahan'ny fikambanana sy ny fitenenana ” ho an-dry zareo:

Ampio izahay, mila ny sonianareo izahay amin'ny fanafoanana ny fanakatonana ny fikambananay !