Mikatona Noho Ny Lalàna Vaovao Ny Tranonkala Mpitaridalana Miresaka Politika Ao Singapore

breakfastNodidiana hakatona ny tranonkalam-baovao Singaporeana fantatra amin'ny anarana hoe Breakfast Network taorian'ny nandavan'izy io ny fepetra vaovao fisoratana anarana indray izay “lafovidy” takian'ny governemanta. Natsangan'ny mpanao gazety teo aloha tao amin'ny Straits Times [Fotoana Mety] sady mpamahana bilaogy Bertha Henson io tranonkala izay manasongadina ny vaovao politika sy sosialy mbamin'ny fanehoan-kevitr[y ny mpamaky]. Nilazàna [Voafidy] i Henson hampitsahatra ny fikirakiràny ny tranonkala taorian'ny tsy nanolorany ny antotan-taratasy notakian'ny Media Development Authority (MDA=Fahefana Fampandrosoana ny Media). Na teo aza ny fampitandremana nataon'ny MDA, dia mbola nifikitra tamin'ny fisiany amin'ny aterineto tamin'ny alalan'ny kaonty Facebook sy Twitter ihany ny Breakfast Network.

Tao amin'ny lalànan'ny Fampielezam-[peo aman-tsary] sokajin'ny fanomezan-dalana nampidirina tamin'ny volana jona lasa teo, dia tsy maintsy misoratra anarana any amin'ny MDA izay fikambanana na tranonkala mamoaka fanehoan-kevitra politika rehetra ho fiantohana fa tsy mandray fanohanam-bola avy any ivelany io tranonkala na fikambanana io. Eo ankilan'ny tsy maintsy amoahana ny loharanombolany dia tsy maintsy mamoaka ny mombamomba ny toniany sy ny ekipa ao aminy ihany koa ny tranonkala.

Nodidian'ny MDA hisoratra anarana mialoha ny 17 desambra ny Breakfast Network saingy namaly ny tonian'ny tranonkala fa manjavozavo be loatra ny momba ny fisoratana anarana sy fepetra ara-teknika takian'ny governemanta.

Ny ao amin'ny MDA kosa niteny fa “ny fepetra tsy maintsy isoratana anarana dia ny mba mba hahalalàna fotsiny ihany fa tsy handray vola avy any ivelany ny Breakfast Network.” Nibaiko ny Breakfast Network io “hampitsahatra ny asany an-tserasera,” ka ao anatin'izany ny famoaham-botoaty amin'ny Facebook sy ny Twitter:

Since Breakfast Network has decided not to submit the registration form, and will therefore not be complying with the registration notification, MDA will require that Breakfast Network cease its online service.

MDA would like to reiterate that the content is not the issue. Rather, it is the mode of operation, i.e. via a corporate entity which means there is greater possibility for foreign influence. Should Breakfast Network Pte Ltd remain active as a company, it must not operate any iteration of www.breakfastnetwork.sg on other Internet platforms as doing so would contravene MDA’s registration requirements. These other Internet platforms include Breakfast Network’s Facebook page and Twitter Feed.

Rehefa tsy nanaiky ny hameno ny fisoratana anarana ny Breakfast Network ary mihevitra ny tsy hamaly ny filazana [an-taratasy], dia takian'ny MDA ny hampitsaharan'ny Breakfast Network ny asany amin'ny aterineto.

Tian'ny MDA averimberina fa tsy ny votoatiny no manahirana azy. Fa izay no fomba fiasa, izany hoe amin'ny alalan'ny fikambanana no mora kokoa ny isian'ny tsindry aloka avy any ivelany. Tokony mbola hijoro amin'ny maha-orinasa azy ve ny Breakfast Network Pte Ltd, tsy mahazo mifangaro amin'ny www.breakfastnetwork.sg izy na ny habaka aterineto hafa raha manao izany satria lasa mandika ny fepetra notakiana tamin'ny fisoratana anarana napetraky ny MDA. Tafiditra amin'ireo habaka aterineto hafa ny pejy Facebook sy ny kaonty Twitter an'ny Breakfast Network.

Haingana ny fiampangana avy amin'ny mpiserasera sy ny vondrona media ny governemanta ho “mametraka fepetra mitsabaka be loatra” ary mampitandrina ny amin'ny lalàna tafahoatra amelezana ny media. Cherian George mamahavaha ny fanakatonana ny tranonkala ho “famonoana amin'ny fehy mena.” Manahy i Braema Mathi avy ao amin'ny vondron'ny zon'olombelona Maruah fa “nampangatsiaka sy nampitambokona ny sehatry ny fahalalaham-pitenenana ao Singapore ny tsy maintsy isoratana anarana.” Hoy izy nanohy:

As a regulator tasked with developing the media landscape in Singapore, MDA should consider the substantive impact of its decisions, not just its own subjective intent. Registration requirements can operate to censor free expression as effectively as, and more insidiously than, outright demands to remove content.

Amin'ny maha-mpandrindra miantsoroka ny tontolon'ny famoaham-baovao ao Singapore azy, tokony hojeren'ny MDA ny fototry ny fiantraikan'ny fanapahan-keviny , fa tsy mijery fotsiny ny anton'ny fikasana. Mety ho fomba mahomby indrindra hanasivanana ny fahalalahana maneho hevitra ny fitakiana tsy maintsy isoratana anarana, ary miafina kokoa noho ny fangatahana hanaisotra lahatsoratra

Ny Bilaogera Ng E-Jay niampanga ny governemanta ho “mpamoritra mahay miafina fatratra” amin'ny alalan'ny “fanerena hiala amin'ny alalan'ny lalàna” ny tranonkala iray fantatra ho mpisolovavan'ny “fifampiresahana manorina sy mitsikera” eto amin'ny firenena.

Ny MDA kosa nanitrikitrika fa nametraka lalàna [politika] hisorohana amin'ny fanodikodinan-doha ataon'ny firenena vahiny mitady ny tombontsoany amin'ny gazety ao an-toerana izao. Nampiany fa tsy endrika sivana ny nanaovana ilay fisoratana anarana.

Na izany na tsy izany, ny fanakatonana ny tranonkala mpitari-dalana amin'ny resaka fiaraha-monina sy politika no manome fahazavana bebe kokoa amin'ny lazain'ny governemanta Singaporeana amin'izay antsoiny hoe fomba “fikasihana maivana” ny fametrahana lalànan'ny Internet. Maro ny vondrona no mieritreritra azy io sy ny lalàna [politika] hafa vaovao ho mamely ambadika ny fahalalahan'ny gazety ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.