Tantara tamin'ny 02 Janoary 2014
Birmania Tamin'ny 1897: Saripika 10 Rakitry Ny Ela
Nifantina saripika folo izahay avy tao amin'ny tahirintsary Flickr mifandimbin'ny British Library , izay manome topimaso mahaliana momba ny fiainan'ny fiarahamonina Birmana nandritry ny taonjato faha-19 lasa iny
LAHATSARY: Ny Nofinao Dia Nofin'ny Antoko Kaominista Shinoa
Toy ny dokambarotra maharitra telo minitra ho an'ny Antoko Kaominista Shinoa (CCP) ilay lahatsary “Antoko Kaominista Shinoa miara-dàlana aminao”, ezaka iray hitrandrahana ny hery malefaka amin'ny alalan'ilay lahatsary
Mikatona Noho Ny Lalàna Vaovao Ny Tranonkala Mpitaridalana Miresaka Politika Ao Singapore

Nampitsahatra ny asany an-tserasera ny tranonkalam-baovao miresaka fiarahamonina sy politika Breakfast Network ao Singapore rehefa tsy nanaiky ny haka fahazoan-dalàna vaovao avy amin'ny fanjkana. Namelona adihevitra indray amin'ny lazain'ny governemanta Singaporeana amin'izay antsoiny hoe fomba "fikasihana maivana" ny fametrahana lalànan'ny Internet ity raharaha ity.
Tranonà Mpisolovava Mpanohitra Nanaovan'ny Manampahefana Tao Ekoatora Bemidina
Nanao bemidina tany an-tranon'ilay mpisolovava Fernando Villavicencio ireo olona sangany avy amin'ny polisin'i Ekoatora taorian'ny didy navoakan'ny Lehiben'ny Fampanoavana hanagiazana ny solosaina sy ny findainy
Nahazo Ny Fon'ny Vahoaka Ny Famonoan'Ilay Tantsaha Menavazana Ny Mpiasan'ny Fandravana Trano Anankiroa
Nitraka romoromo tao amin'ny fitaovam-piseraserana amin'ny fiaraha-monina ao Shina ny nisamborana ilay tantsaha antitra noho ny famonoana olona roa nirahina handroaka ny fianakaviany monina ao Suzhou atsinanan'ny firenena.