- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shinoa An-jatony Mpanao Lalàna Tao An-toerana Noroahana Noho Ny Raharahan-Tsolotra Faobe

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Noroahan'ny tanànan'i Hengyang any atsimon'i Shina ny ankamaroan'ireo mpikambana tao amin'ny sampana mpanao lalànany rehefa hitan-dry zareo fa nandray an-tapitrisa dolara taminà resaka fanodinkodinana faobe ny voka-pifidianana

Araky ny tatitry ny Hunan Daily nivoaka ny 28 Desambra 2013, mpanao lalàna 518 tao Hengyang ary mpitantan-draharaha niisa 68 no tratra nandray tsolotra, ary 512 ireo mpanao lalàna voaroaka. Nahilik'ireo manampahefanam-paritra ireo solontena 56 izay tratra ho nanolotra maherin'ny 18 tapitrisa dolara amerikana mba ho tafiditra ao ho solontenam-paritra.

Araka ny ambaran'i Qiao Mu [1], talen'ny Ivontoerana Fianarana momba ny Fifandraisana Iraisampirenena ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Fianarana teny vahiny ao Beijing, lasa làlana iray ahafahana manokatra ny varavaran'ireo tambajotranà politisiana sy mpandraharaha ny maha-mpikambana ao amin'ny kaongresy. Lasa olana niparitaka be ny fividianana vato nanomboka tamin'ny nampidiran'ny antoko tao anatin'ny taona vitsivitsy ny resaka fifaninanana amin'ny fifidianana miainga eny ifotony .

A cartoonist drew a picture based on the scandal. Photo from Weibo

Sary an'i Zhao Guoping mpanao sariitatra, tao amin'ny Sina Weibo [2]

Nanoratra [3] ny mediam-panjakana Xinhua hoe :

Tsy maintsy natao ny fanadihadiana lalina sy ny fanasaziana henjana mba hihazonana ny lazan'ny antoko sy ny fitokisan'ny vahoaka ny rafitra politika fototry eto amin'ny firenena.

Nanazava ny lanjan'ilay fihetsika nataon'ny manampahefana [4]ny China Daily :

Mampiseho ny filàna ezaka matanjaka hanorenana rafi-pifidianna madio sy mangarahara ny tantara ratsin'ny kolikoly tao Hengyang

Mahatonga ireo marobe mpampiasa tranonkala hanontany ilay tantara ratsinà kolikoly hoe: voafetra ho tao Hengyang irery ve ilay kolikoly ?

Nanontany tena [5] [zh] ilay mpisolovava, Huang Leping:

钱从何而来?当选后究竟有多少回报? 衡阳贿选实践,将现行选举制度的根子问题彻底曝光,支撑选举的两大力量来源,一个是money,一个是power。

Avy taiza ny vola? Ohatrinona no tombony azon'ilay olona taorian'ny fifidianana? Nampipongatra ny olana misy hatrany ifotony amin'ny rafitra fifidianana misy amin'izao fotoana izao ilay resaka kolikoly tao Hengyang, loharano roa no manohana ny fifidianana: vola ny iray, fahefana ny iray.

Nametraka [6] fanontaniana vitsivitsy i Shi Shusi, mpanao gazety :

湖南此次对衡阳贿选案不遮不掩,痛下重拳,严厉追究,无疑是次值得称道的亡羊补牢,也是对各地人大选举敲响警钟。但一根本问题是:这样的贿选案产生的根源是什么?今后如何有效从制度上彻底防范?怎样保障人大代表的选举公开公正地进行?

Nosaronan'i Hunan ny raharahan-kolikoly tao Hengyang tamin'ity indray mandeha ity, izay toy ny lakolosy fanairana mendrika tehaka, hiasa ho toy ny lakolosy fanairana izy io amin'izay fifidianana rehetra hataon'ny MPC. Kanefa, ny fanontaniana fototra dia ny hoe : Inona no tena loharano lehibe miteraka ny kolikoly? Ahoana no tena hahafahana misoroka azy io tsy hitranga intsony amin'ny hoavy? Ahoana no hahafahana miantoka fifidianana tsy mitanila sy malalaka?

Nanely i [7] Zhang Liyuan, mpiandraikitra fandaharana aminà TV hoe :

这种贿选在全国不会是个例,如果不赋予人民真正的选举权,选举最后就是官员暗箱操作的一场秀。规范民主选举制度,不是惩治了几个贿选干部就解决的事!

Tsy resaka kolikolin'olon-tokana mihitsy izy ity, na ahoana na ahoana, rehefa tsy omenao ny tena zo ho afaka hifidy ny olona, dia ho tantara tsàngana ataon'ireo manampahefana ihany ny fifidianana. Fametrahana fepetra ho anà rafi-pifidianana demaokratika ihany no ala olana, fa tsy hoe fotsiny fanasaziana ireo tomponandraikitra ambonimbony vitsivitsy noho ny raharahana kolikoly.

“Hong Jingtian” nihevitra [7] fa lavitry ny fiainan'ny olom-pirenena tsotra raha ny fifidianana fotsiny amin'izao :  

其实湖南贿选事件只是冰山一角而已。看看全国的村委会选举,贿选是普遍现象。对于老百姓来说,谁当官跟自己没有任何关系。你给我钱我就收着,选谁都一样。

Raha ny marina,  ny tranganà kolikoly ao Hunan dia tendro kely monja aminà vongan-dranomandry iray lehibe. Jereo ireo fifidianana isam-bohitra manerana ny firenena, zava-mahazatra fahita ny kolikoly. Ho an'ny olon-tsotra, tsy manova na inona na inona na iza na iza lasa manampahefana, na iza na iza manome vola azy dia hahazo ny vaton-dry zareo. Izany eo ihany, fa mitovy daholo ihany koa ny olona voafidy.

Araka ny media sosialy, tsy zava-miafina ny raharaha kolikoly tao Hengyang. Tany am-piandohan'ity taona ity, efa nifanaretsaka tany anaty gazety mpanadihady samihafa tao Shina ilay raharaha, saingy tsy afaka namoaka izany ry zareo noho ny faneriterena sy ny sivana. Dokotera Liu Yun avy ao amin'ny Fianarana ambony momba ny Toekarena ao Haikou dia  nanoratra hoe: [8]

湖南衡阳人大代表贿选案值得注意的是除了大面积大规模贿选暴露的人大选举制度的弊端,还有此案是在中央最高层的多次直接干预下才得以查清并做出处理的。

Ho fanampin'ny famborahana ny vokadratsin'ilay rafi-pifidianana, mendrika marihana ihany koa fa ny hany azo hijerena sy hamoahana ny raharahana kolikoly avo lenta midadasika tahaka izany dia ny fitsabahana avy hatrany any an-tampony any amin'ny governemanta foibe.